Toko faha 15

1 Vô mandrena be, de nivory ny mpisorognabe niaraka taminjareo loholona sy ireo mpitodra fanjakana ary ny Synedriona Jiosy jiaby manontolo. Nifatoranjareo i Jesosy ary nindesinjareo nivoaka. Namenjareo takeo amin'i Pilato Izy. 2 Nangnadina Ananjy i Pilato hoe: "Anô ma no mpanjakan'i Jiosy a?" Nivaliany hoe: "Vôzakanô." 3 Nagnomia fempangana maro manohitra an'i Jesosy zareo lohan'ny mpisorogna. 4 Nagnadina Ananjy ndreka i Pilato hoe: "Tsy managna valin-teny ma Anô a? Zaano ny hamaroan'ny fempangana andesinjareo manohitra Anô!" 5 Fa tsy namaly an'i Pilato koza i Jesosy, de nahagaga ananjy izany. 6 Ary tamin'ny andro firavoravoana, de namositra gadra reka ho anjareo i Pilato, gadra izegny angawinjareo. 7 Niaraka taminjareo mpikomy takô am-pigadrana, takeo aminjareo mpamono olona izegny vôtana noho ny firesanjareo sikombakomba tamin'ny fikomiana, de nisy lilahy reka atô hoe Barabasy. 8 De ninga takeo amin'i Pilato ny vaoaka ka nagnandogna nangao taminanjy mba hagnano izany aminjareo araka ny raha fanìny taloha. 9 Pilato namaly anjareo ka nagnano hoe: "Tiandreo va raha ny mpanjakan'i Jisoy no alefako ho andreo?" 10 Satria fantany fa fialognana no nagnomiazan'ny lohan'ny mpisorogna an'i Jesosy taminanjy. 11 Fa nagnentagna ny vahoaka zareo lohan'ny mpisorogna mba hieka mafy fa tokony i Barabasy no alefa. 12 De namaly anjareo ndreka i Pilato ka nizaka hoe: "Ino andrika no tokony ho anìna amin'ny Mpanjakan'i Jiosy?" 13 De niekeka ndreka zareo hoe: "Fantsio Izy!" 14 Hoy Pilato taminjareo hoe: "Ino no ratsy naniny?" Fa niheka mafy fôgna zareo hoe: "Fantsio Izy." 15 Te hagnano izegny mahafa-po anjareo i Pilato, ka de nafahany i Barabasy. Niraboiny Jesosy ary avy teo nameny mba ho fantsiana. 16 Nindesinjareo miaramila takeo an-kianja izy (izegny takeo antegnantegnan'ny fanjakana), ary nantsovanjareo aby ny antoko miaramila manontolo. 17 Nampagnatovanjareo lamba volomparasy i Jesosy, ary nandrary fehiloha misy fasy zareo ka nagnatô izany taminanjy. 18 De nagnandogna nagnansafa Ananjy zareo ary nizaka hoe: "Arahaba, ry lehinben'ny Jiosy!" 19 Niraboinjareo tamina volotara ny lohany sady nadrora taminanjy zareo. De nentongalitra teo agnatreany izy ary nagnano sary nidera Ananjy. 20 Ndreka avy nagnaraby Ananjy zareo, de nalanjareo ny lamba volomparasiny ary nampagnanovinjareo Ananjy ny akanjony manokana ary nandônjareo nivoaka mba hamantsihana Ananjy. 21 Noterenjareo ny mpandalo reka avy tagny an-kapa mba hitondra ny hazofijalian'i Jesosy lilahy reka atao hoe Simona Kyreniana iaban'i Aleksandra sy Rofosy. 22 Nindesinjareo miaramila takagny amin'ny toerana atô hoe Golgota Jesosy (Izegny midika hoe "Fitoeran'ny karan-doha"). 23 Namianjareo divay niaro miora Izy, fa tsy nisotro izany Izy. 24 De nifantsianjareo Izy ary nifampizaranjareo tamin'ny alalan' ny loka ny akanjony mba hahafantarana izegny anjara azon'ny miaramila tsirekireka. 25 Tamin'ny lera fahatelo Izy no nifantsianjareo. 26 Ary takeo amin'ny takelaka kakazo reka no nosoratanjareo ny fempangana nanohitra Ananjy hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy." 27 Olon-dratsy roy no niaraka nifantsihanjareo niaraka taminanjy, ny reka takeo ankavanany ary ny reka koza takeo ankaviany. 28 [Fagnamarinana: Ireo fandikana taloha tegna tsara de tsy magnatô ny Marka 15: 28 hoe: "De tanteraka ny Soratra Masina magnano hoe: 'Natô ho isan'ny mpanota Izy.' (Ampitaheo amin'ny Lioka 22: 35)] 29 Ireo izegny nandalo takeo de nagnano tsisy dikany Ananjy, nihifikifi-doha ary nagnano hoe: "Ha! Anô ilay afaka mandrava fengonana ary manangana izany agantin'ny telo andro, 30 lombeo ny tegnanô ary mandrorogna avy agnambon'io hazofijaliana io!" 31 Ny lohan'ny mpisorona koa de nagnaraby Ananjy karan'izany, niaraka taminjareo mpitondra fanajakana, ary nizaka hoe: "Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tegnany. 32 Oka ilay Kristy, ilay mpanjakan'Israely, handrorogna avy akegny amin'ny hazofijaliana, mba ho hitanè ary hinoanè," ary ireo nifantsihana niaraka taminanjy koà de nagnaraby Ananjy. 33 Tamin'ny lera fahenina, de tonga tamin'ny tany jiaby ny aizina hatramin'ny lera fahasivy. 34 Ary tamin'izany lera fahasivy izany de niheka tamin'ny feo mafy i Jesosy hoe: "Eloy, Eloy, lama sabaktany?" Izegny midika hoe: "Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nawana Anô no mahafoy Anay?" 35 Ny sasagny taminjareo izegny nitsangana takeo naregny zakany ka nizaka hoe: "Antegno, magnantso an'i Elia Izy." 36 Nisy olona reka nihazakazaka, nameno vinengitra ny epônzy, ary nametaka izany tamin'ny volotara, de nagnomia izany mba ho sotroiny. Ilay lilahy nizaka hoe: " 37 Avile ho hitanè raha ho avy hampandrorogna Ananjy akeo i Elia." Avy teo i Jesosy niheka tamin'ny feo mafy de mafy. 38 Riatra nizara roy hatra ambony ka hatragnhy ambany ny lamban'ny fengonana. 39 Ndreka hitan'ilay kapiteny izegny nitsangana sy nifangnatrika tamin'i Jesosy fa kara izany fomba izany no nahafaty Ananjy, de hoy izy hoe: "Tegna zanak'Andriamanitra tokoatra io lilahy io." 40 De nisy viavy koa nangentina tegny lavitra tegny. Isan'izany i Maria Magdalena (renin'i Jakoba zandriny sy i Josesy), ary Salome. 41 tagny Galilia de nagnaraka Ananjy sy nanompo Ananjy zareo. Ary viavy maro hafa koà no niara-niakatra taminanjy tagny Jerosalema. 42 Ka ndreka tonga ny hariva, satria andro Fiomagnana, izany hoe, io andro alohan'ny Sabata, 43 de tonga teo i Josefa avy agny Arimatia. Mpikambana manan-kaja akô amin'ny Synedriona izy, izegny nandigny ny Fanjakan'Andriamanitra. Nanagna fahasahiana ninga tagny amin'i Pilato mba hangao ny fatin'i Jesosy izy. 44 Magnana i Pilato hoe maty saady i Jesosy; de nantsovany ilay kapiteny ary nagnadina ananjy izy raha maty marina i Jesosy. 45 Ndreka azony antoka tamin'ilay kapiteny fa maty marina i Jesosy, de nameny an'i Josefa ny vatagna mangatsiakany. 46 Ary Josefa nivanga hariry madinika. Nampandrorogna an'i Jesosy takeo amin'ny hazofijaliana izy, de nofognosiny hariry madinika Izy, ary nametraka Ananjy takô amin'ny fasagna izegny voaady tamina vatolampy. Avy takeo de namaringarigna vato takeo amin'ny varangaram-pasagna izy. 47 De hitan'i Maria Magdalena sy Maria renin'i Josesy ny toerana nandivegna Ananjy.