Marka toko faha 16

1 Rehefa tapitra ny andron'ny Sabata, de nivanga zava-magnitra aosotra amin'ny fatin'i Jesosy i Maria Magdalena sy Maria ranin'i Jakoba, ary Salome nivanga ra magnitra mba andea ka agnosotra ny fatin'i Jesosy. 2 Vô mandrena be tamin'ny andro vôlognan'ny erign'andro, de ninga tegny amin'ny fasagna zariô rehefa nipiriaka ny agnadro. 3 De nikorana zariô hoe: "Zovy no angala ny vato, akiô amin'ny varangaram-pasagna ho antsena?" 4 Rehefa nidraka zariô, de hitany fa efa nivoa niala lay vato, zay tegna angona be. 5 Niditra takô ampasagna zariô de nahita manafo lahy nagnatô akanjo fotsy nitoetra tiô ankavanana, de magnana zarô. 6 De hoy izy taman-jarô hoe: "Aza matahotra miaragna an'i Jesosy anariô, ilay Nazarena, zay nomboina. Nitsangana Izy! Tsy aketo Izy. Zahano ny tany zegny nagnambolan-jarô Anazy. 7 Fa mandiana de zakiô zarô mpianatra sy Petera fa ninga alohalalanan-driô ho agny Galilia Izy. Agny no ahitanariô Anazy, arak'izegny nizakeny tamanarô." 8 Nivoaka zarô ka niazakazaka niala ny fasagna; natahotra sy nitam-bava zariô. Tsy nizaka na ino na ino tamin'olona zarô satria tegna natahotra be. 9 [Fagnamarinana: Ny fandikana taloa ny tena tsara de manala ny Marka: 16:9-20] Vô mandrena tamin'ny andro vôlognany erign'andro, tafaran'ny nitsanganany, de niseo tamin'ny Maria Magdalena aloaka Izy, zay nandroahany demonia fito. 10 De lasa Maria ary nizaka ny vôvô tamaan-jarô niaraka tamin'i Jesosy, ra mbola nalahelo sy nitomagny zarô. 11 Regnin-jariô fa velona Izy ary nahita Anazy izy, fa tsy nanaiky zarô. 12 [Ny fandikana taloa tena tsara de magnala ny Marka 16: 9-20] Tafaran'ny raha io Jesosy de niseo tami'ny tarehy hafa tamin'ny roe taman-jarô, ra ninga nandia ho an'ny antanàna zariô. 13 De ninga zariô ka nizaka tamin-jariô mpianatra sisa, fa tsy mety nanaiky zariô. 14 [Fagnamariana: Ny fandikana taloa no tena tsara de magnala ny Marka 16: 9-20] Tafara bitika de niseo tamin'ny reka ambifolo lahy Jesosy raha mbola tiô ampinanan-kanina zariô ary nizaka mafy an-jarô Izy non'ny tsy fanekeny sy ny ditran'ny fon-jariô, satria tsy manaiky zarô zegny naita Anazy tafaran'ny nitsanganan'ny taman'ny maty. 15 Ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Mandiana agny ami'izô tontolo zô, ary torio amin'olona mantolo ny filazantsara. 16 Zegny magneky sy atô batisa no vonjena, ary zagny tsy magneky koza de ho heloina. 17 [Fagnamariana: Ny fandikana taloa no tena tsara de magnala ny Marka 16: 9-20] Togna famantarana togna de agnaraka zay mino: Amin'ny agnarako no androan-jarô fagnahy ratsy. Izaka amin'ny fizakana vôvô zarô. 18 Anambotra menaragna amin'ny tagnany zarô, ary raha mihinana raha mafaty aza zarô, de tsy ampagnino an-jarô zany. Hametra-tagnana amin'ny marary zarô de ho sitrana iregny." 19 [Ny fandikana taloa no tena tsara de magnala ny Marka 16: 9-20] Rehefa avy nizaka tamin-jarô ny Tompo, de nampekarina ho agny andagnitra Izy ary nitoetra takiô antagnankavan'Andriamanitra. 20 De ninga zariô mpianatra nitory tegny rehetra tegny, ary ny Tompo niaraka niasa taman-jarô ary nagnamafy ny zaka tamin'ny alalan'ny famantarana zegny niaraka taman-jarô.