Toko faha 2

1 Ny momba nhy fahatongavan'i Jesosy Kristy Tompontsena sy ny namoriana antsena hiaraka Aminanjy: mangataka andreo zaho, ry rahalahy, 2 mba tsy ho mora hozongozognina na ampitahorina andreo, na amin'ny fagnahy, na amin'ny hafatra, na an-taratasy izegny sahala amin'ny hoe avy aminè, noho ny vokatry ny fahatongavan'izany andron'ny Tompo izany. 3 Aza avela hisy olona hamitaka andreo na amin'ny fomba ino na fomba ino. Fa tsy ho hisy izany raha tsy afaran'ny fahatongavan'ny fahalavoana, ary ny lilahy mpandika lalàna de ho atoro, ny zanaky ny faharavana. [Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha sasagny de magnano hoe: "ary ny lilahy mpanota de hatoro"]. 4 Izy lay manohitra sy magnandratra ny tegnany amin'izegny raha jiaby antsovana hoe Andriamanitra na izegny ivavahana. Vokatr'izany, de nipetraka takô amin'ny Tempolin'Andriamanitra izy ary magnatoro ny tegnany ho kara an'Andriamanitra. 5 Tsy tsaroandreo ma fa letry zaho niaraka tamindreo de efa nizaka ireo raha ireo? 6 Amin'izô fotoana de fantandreo hoe ino no manakana ananjy, mba hivoahany amin'ny fotoana maha-mety. 7 Fa ny zava-miafin'ny fandikan-dalàna de efa misy, fa olona reka my no mitana ananjy amin'izô mandra-pangalana ananjy akeo amin'ny lalàna. 8 Avy akeo lay tegna mpandika lalàna de hatoro, izegny hovonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonegna avy amin'ny vavany. Ny Tompo de hitondra ananjy ho amin'ny tsy misy dikany amin'ny alalan'ny fisehoan'ny fahatongavany. 9 Ny fahatongavan'lay tegna mpandika lalàna de noho'ny asan'ny Satana miaraka amin'ny hery jiaby, reo famantarana, ary reo fahagagana tsy marina, 10 ary miaraka amin'ny fitaka jiaby ny amin'ny tsy fahamarinana. Ireo raha ireo de ho an'izegny very, satria zareo de tsy nandre ny fitiavan'ny fahamarinana mba hahavôvonjy anjareo. 11 Noho izany antony de mandefa ny asan'ny fahadisaoana Andriamanitra mba hinoanjareo afisiana. 12 Vokatr'izany de hotsarena aby daholo zareo jiaby, ireo izegny tsy mino ny fahamarinana fa kosa malaka fahafaha-po amin'ny tsy fahamarinana. 13 Fa zehè de tokony magnomia fisôrana an'Andriamanitra hoa andreo lalandava, ry rahalahy notiavin'ny Tompo. Fa Andriamanitra no nifidy andreo kara ireo vôlognam-bokatra ho an'ny famonjena amin'ny fagnamasinana ny Fagnahy sy ny finoana ny fahamarinana. [Fagnamarinana: ny dikan-teny hafa de magnano hoe: "Fa Andriamanitra de nifidy andreo ho amin'ny fagnavotana letry tambôlohagny]. 14 Izany no nagnantsovany andreo tamin'ny alalan'i Filazantsaranè mba hahazaoandreo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsena. 15 Ka noho izany, ry rahalahy, de mijoroa mafy. Tano ireo fahamarinana izegny nampianarina andreo. Na tamin'ny teny na tamin'ny sotratra natonè. 16 Amin'izô de ôka i Jesosy Kristy Tompontsena, ary Andriamanitra Abantsena izegny tia antsena sy nagnomia antsena fankaherezana mandrakizegny sy ny fahatokisana tsara ho an'ny ho avy amin'ny alalan'ny fahasoavana, 17 no hankahery ary hametraka ny fondreo amin'ny asa tsara jiaby sy ny teny.