1 Paoly, sy Silasy, ary Timoty, ho amin'ny fengonana Tesaloniana akô amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 2 Ho amindreo anie ny fahasovana sy ny fedanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Tokony hagnomia fisôrana an'Andriamanitra lalandava ho andreo zehè, ry rahalahy. Fa izany no tsara atô, satria tegna mitombo tokoatra ny finoandreo, ary ny fitiavandreo tsirekireka de mitombo ho an'ny hafa. 4 Noho izany, zehè tegnanè, de mizaka am-pireharehana ny momba andreo akeo amin'ny fengonanAndriamanitra. Zehè de mikorana ny momba ny fahavandriandreo ary ny finoana tamin'ny raha jiaby izegny nagnanjehana andreo. Mikorana ny momba ireo fahoriana izegny nivandriandreo. 5 Izany de famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra. Ny valiny de ny handresana andreo ho mendrika ny fanjakan'Andriamanitra izegny nijaliandreo. 6 Rariny ho an'Andriamanitra ny hamaly fahoriana anjareo izegny nampijaly andreo, 7 ary hagnogmia fitsaharana ho andreo izegny nampahoriana niaraka taminè. Ho atônè izany amin'ny fisehoan'i Jesosy Tompo avy agny an-dagnitra miaraka amin'ny anjelin'ny heriny. 8 Akô amin'ny afo milelalela no hagnanovany ny valifaty amin'izegny tsy mahafanatra anAndriamanitra sy amin'izegny tsy mamaly ny filazantsran'i Jesosy Tompontsena. 9 Zareo de hiegna ny sazin'ny fandringanana mandrakizegny izegny lavitra ny fagnatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny. 10 Hagnano an'izany izy ndreka tonga amin'ny andro izegny hagnomezan'ny olony voninahitra Ananjy sy higagan'izegny nino Ananjy jiaby. Fa ny fijoroany vavolombelona tamindreo de ninoana. 11 Noho izany de mivavaka lalandava ho andreo my koà zehè. Mivavaka zehè mba ho mendrika ny ho resin'ny Andriamanintsena amin'ny fagnantsovana andreo. Mivavaka zehè ny mba hagnantaterahany amin-kery ny fagniriandreo ny fahatsarana sy ny asan'ny finoana jiaby. 12 Mivavaka an'ireo raha ireo zehè mba hagnomezandreo voninahitra ny agnaran'i Jesosy Tompontsena. Mivavaka zehè mba hagnomezanè voninahitra andreo, nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo.