Toko faha 3

1 Amin'izô, ry rahalahy, mivavaha ho anè, mba ho ankalazena sy amiam-boninahitra ny tenin'nyTompo, de ho kara an'izany my koà ny aminarô. 2 Mivavaha mba ho afaka amin'ireo asa ratsy fagnahy sy ny olon-dratsy zehè, fa tsy ny jiaby no manam-pinoana. 3 Fa ny Tompo de mahatoky, izegny magnamafy orina sy miambina anarô amin'lay ratsy. 4 Managna fahatokisana amin'ny Tompo momba andreo zehè, mba sady hagnanovanarô no sady hanohizanarô ireo raha izegny nandidianè anarô. 5 Ny Tompo anie hitarika ny fonarô ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fivandrian'i Kristy. 6 Amin'izô fotoana izô de mandidy anarô zehè, ry rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsena, mba hiala amin'ireo rahalahy jiaby izegny miegna akô agnatin'ny hakamoana sy tsy araka ny fomban-drazagna izegny niresinarô taminè. 7 Fa ny tegnanarô de mahafantatra fa mety aminarô ny mala-tahaka anè. Tsy niegna takio agnivonarô kara izegny tsy nanagna fitsipika zehè. 8 Tsy nihinana rahanin'olona tsy ifena vola zehè. Fa koza, niasa andro sy alina tamin'ny asa sarotra sy ny raha sarotra zehè, mba tsy ho enta-mavesatra ho an'ny tsirekireka aminarô. 9 Tsy hoe nohon'ny tsy fanagnana fahefana no agnanovanè an'izany. Fa koza, nagnano an'izany zehè mba ho fitaratra ho anarô, ka mba hanahafanarô anè. 10 Taminè niaraka taminarô, de nandidy anarô zehè hoe: "Raha misy reka tsy te hiasa, de tsy tokony hihinana izy." 11 Fa regninè fa mibelabela-tagnana ny ansanagny aminarô. Tsy miasa zarô fa mpitsabaka. 12 Amin'izô ny olona kara izany de didianè sy hanarinè amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompo, mba hiasa am-pahanginana sy hihinana any rahaninanjarô manokana. 13 Fa anarô, ry rahalahy, aza mamoy fo amin'ny fagnanovana ny marina. 14 Raha misy tsy magnaraka ny zakantsena amin'ity taratasy ity, de atovy marika akeo amason'ny olona jiaby izy ary aza managna fifandresana aminazy, ka de ho megnatra izy. 15 Aza resina ho fahavalo izy, fa hanaro ho kara ny tamboka reka. 16 Fa lay Tompon'ny fedanana anie hagnomia fedanana anarô amin'ny fotoana sy ny fomba jiaby. Ho aminarô jiaby anie nyTompo. 17 Ity no fagnanovam-belomako, izaho Paoly, tamin'ny tagnako manokana, izegny famantarana amin'ny epistily jiaby. Izany sy izany ny soratro. 18 Ny fahasovan'i Jesosy Kristy Tompontsena anie ho aminarô jiaby.