Tôko faha 6

1 Mitandrema mbô tsy hagnano ny asan'ny fahamarignanaré aké agnatrehan'ny ôlogna anaré mbô hitanjaré, fô izikoa tsy zégny de tsy hahazo ny valisoa avy amin'ny babanaré zegny agny an-danitra. 2 Nôho izegny kôfa maneho fihantragna anaré, de aza mitsoka trompera mitaogno ny hafa hanaraka ny ataon'ny mpiatsara velatsy akagny amin'ny signagoga sy akagny amin'ny lalagna, ké mbô mety hahazo ny fideran'ny ôlogna zaré ré. volagniko marigna aminaré fô zaré réde efa nandray ny valisoany. 3 Fô kôfa maneho fiatragna anaré, aza atao hain'ny tagnanaré havia zegny ataon'ny tagnaré havanagnä, 4 ké mbô hamiagna mangingigna ny fagnomezanaré. Avy aké ny Babanaré izegny mahita amin'ny mangingigna no hamaly soa anaré. 5 Kôfa mivavaka anaré, aza magnano karaha ny mpiatsaravelatsihy, fô zaré ré tia mijoro sy mivavaka aké amin'ny sinagoga sy akeo amoron-dalana, ké mbô mety ho hitan'ôlogna. Volagniko marigna aminaré, fô zaré ré de efa nadray ny valisoany. 6 Fô anaré kôfa mivavaka, midira akô amin'ny efi-tragnonaré. Afodio ny tamiagna, de mivavaha amin'ny Babanaré izay akô amin'ny mangingigna avy aké ny Babanaré izay mahita akô amin'ny mangingigna no hamaly soa anaré. 7 Kôfa mivavaka anaré aza managno koragna maro tsy misy ilaigna ananjy karaha ny ataon'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fô ho regny izy iré nohon'ny koragna maro izay ataony. 8 Noho izegny, aza magnano karaha an-jaré ré, fô ny Babanaré dé efa mahay zegny raha ilainaré alohan'ny angatahanaré Aminanjy. 9 Noho izegny mivavaha karanjao hoe: 'Babanay zay agny an-danitra ho hamasignina anie ny agnaranô. 10 Ho tônga ane ny fanjakanô. Hatao ane ny sitraponô aketo an-tany karaha ny agny andagnitra. 11 Amia anay niany ny hanigna fanôka ho anay. 12 Mamelà ny helokanay, karaha ny hamelanay zegny meloka taminay. 13 Ké aza mitôndra anay amin'ny fakam-pagnahy, fô magnafaha anay amin'ny ratsy.''' [Fagnamarihagna: Ny dikateny talôha tsara indrindra de magnala ny hoe: ''Fa Anao ny fanjakagna sy ny hery ary ny vogninahitra mandrakizay. Amen.''] 14 Fô izikôa mamela ny hadisoagnan'ny ôlogna anaré, de hamela anaré ndraika koa ny Babanaré zay agny an-dagnitra. 15 Fô izikôa tsy mamela ny hadison-jaré ré anaré, de tsy hamela ny hadisoagnanaré kôza ny Babanaré. 16 Ankoatra zegny, kôfa mifady hanigna anaré, aza magnatoro tarehy mampalahelo karaha ny atôn'ny mpiatsaravelatsy, fô magnano ratsy tarehy zaré ré ké mbô mety ho hitan'ôlogna fô tegna mifady hanigna. Volagniko marigna aminaré, fô efa nandray ny valisoan-jaré zaré. 17 Fô anô kôfa mifady hanigna, hisôro menaka ny lohanô avaké sasao tarehanô, 18 ké mbô tsy ho hitan'ôlogna hafa fô mifady hanigna, fô amin'ny Babanao izegny akô amin'ny mangingigna foagna; ary ny babanô zay mahita akô amin'ny mangingigna no hamaly soa anô. 19 Aza mikajy ny haregnanaré aketo an-tany, izay simbain'ny kalalao sy harafesigna, ary hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ké hangalatra. 20 Fô kôza, kajio ny haregnanaré akagny an-dagnitry, izay tsy haratran'ny kalalao sy harefesigny, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra ankeriny ké hangalatra. 21 Fô izegny misy ny haregnanô, no hidokoan'ny fônao ndraika koa. 22 Ny maso no jiron'ny vatagna. Noho izegny, koa tsara ny masonà, de ho feno fahazavagna ny vatagna jiaby. 23 Fô izikôa ratsy ny masonà, de ho feno haizigna ny vatagnanà jiaby. Noho izegny, izikoa maizigna ny fahazavagna izegny akô angnatinà amin'izao, magnano akôry ny habezan'ny izegny haizigna izegny! 24 Tsy misy afaka hanompo tompo aro, fô hankahala ny araiky izy ary ankatia ny araika, izikoa tsy izegny hanolotegna ho an'ny araika ké hankahala ny araika hafa. Anô de tsy afaka hanompo an'Andriamanitra sy ny haregna. 25 Noho izegny volagniko aminaré, aza miahy momba ny aigninaré, izegny hohaninaré na izegny hosotronaré na mômba ny vatanaré, fô tsy maventy noho ny hanigny mé ny fiaignana, ndraiky ny vatagna koa maventy noho ny fitafigna? 26 Zahavo iré vôrogno agny amin'ny habakabaka Izy iregny de tsy mamafy na mijinja na manangona akô antsompitry, fô ny Babanaré izegny agny andanitra no mamahana anajy ireny. Tsy sarobidy kokoa mihoatra iregny mé anaré? 27 Izôvy aminaré no afaka magnampy refy araiky amin'ny andro hiaignany amin'ny fagnahiagna? 28 Nagnino anaré no misaintsaigna momba ny fitafiagnanaré? Saigno ny momban'ny lilia egny amin'ny saha, karaha akory ny fanirianjare regny. Tsy mbo miasa zare regny, ary tsy mamoly fitafiagna. 29 Volagniko marigny aminare, fô na i Solomona aza amin'ny voninahiny jiaby de tsy nitafy karaha ny araiky amin'iregny. 30 Izikoa ampitafian'Andriamanitra karaha izegny ny hahitra agny an-tsaha, izay jiaby misy iniany sy amaraigna de hatsipy ao am-patagna, karaha akôry no ampitafiagny anarè bebe kokoa, anaré ry hely finoagna? 31 Noho izegny aza miahiahy ké mivolagna hoe: ino no hohaninay na hoe: 'Ino no hinominay?' na hoe: 'Ino ny hitafinay ho atônay?' 32 Fô iré Jentilisa mitady iré raha iré, ary ny babanaré izay agny an-dagnitra de mafantatra fô mila iré anaré. 33 Fô tadiavo alôha ny fanjakany sy ny famarinany de hamiany anaré iré raha iré. 34 Noho izegny, aza miahiahy ny amaraigny, fô ny amaragny hagnahy ny aninanjy. Ampy ho an'ny andro tsiraikiraiky ny ratsy ao aminanjy.