Tôkô faha 5

1 Koa nahita iré fôkonôlo Jesosy, kè niakatra také an- tendrombôhitra. Kôfa tafipaitraka Izy, de nandaiha Taminanjy iré mpianatrany. 2 Nivôlagna Izy sady nampianattra anjaré, magnano hoe: 3 "Sambatra ny mahantra am-pagnahy, fô anjaré ny fanjakagnan'ny lagnitra. 4 Sambatra iré misaogno, fô hampionognina zaré. 5 Sambatra iré malemy fagnahy, fô zaré no handôva ny tany. 6 Sambatra iré zay tihinagna sy mangètahata ny fahamarignagna, fô ho vokisagna zaré ré. 7 sambatra iré mamindra fô, fô hahazo famindram-pô zaré ré. 8 Sambatra iré mady am-pô, fô hahita an'Andriamanitra zaré ré. 9 Sambatra iré mpampihavagna, fo izy ré no antsôvigny hoe zanak'Andriamanitra. 10 Sambatra iré zay injehigna nôhon' ny fahamarignagna fô anjaré ré ny fanjakagnan'ny lagnitry. 11 Sambatra anaré kô magnaratsy anaré sy magnenjiky anaré ny ôlogna, ké mivôlagna karazagna lënga tsimanjary jiaby hanôhitra anaré nôhin'ny aminahy. 12 Mifalià sy miravoravoa, fô maventy ny valisoanaré agny an- dagnitry. Fô karan-jegny ny fômba nagninjèhagnan'ny ôlogna iré mpaminagny zay nihaigny talôhanaré. 13 Anaré no siran'ny tany. Fô Kô sira no tônga matsatso, amin'ny fômba akôry no ampasira zégny Koà? Tsy ho tsara na amin'ino na amin'ino intsony izégny fô hariagna sy hidiavin'ny ôngotr'ôlogno tavèla. 14 Anaré no fahazavagnan'jô tontôlo zô. Ny tanàgna miôrogna aké amin'ny ambôny dia tsy azo havony eky. 15 Tsisy ôlogno mamelogna jiro kè manambèla izégny agny ambany hellitry, fô aké amin'ny fipitrahan- jiro, ké magnazava ny jiaby akô an-dragno zégny. 16 Ôka mbô hazava aké alôhan'ny ôlogna karan'jegny fômba zégny ny fahazavagnanaré mbô ahitan'jaré ré ny asa tsara atônaré ké ankalazany Rainaré zay agny an-dagnitry. 17 Aza misaigny hoe tônga handrava ny lalàgna na iré mpaminagny Zaho. Tsy tônga hamotika iré Zaho, fô hagnatintôsa ananjy iré. 18 Fô volagniko marigny aminaré fô mandra-pahalelognon'ny lagnitry sy ny tany, de tsy ho foagna amin' ny lalàgna na de litèra araiky sy tendron-tsôratra araiky aza, mandra- pahatantèraky ny raha jiaby. 19 Nôho izégny na izôvy na izôvy mandika na de ny hely foagna amin' iré didy iré sy mampianatra ny hafa agnano karan-jegny de ho antsôigna hoe hely kokoà akô amin'ny fanjakagnan'ny lagnitry. Fo na izôvy na izôvy magneky sy mampianatra iré de ho antsôvigna hoe maventy akô amin'ny fanjakagnan'ny lagnitry. 20 Fô volagniko aminaré fô kô tsy mihoàtra noho ny mpanôra-dalàgna sy ny fariseo ny fahamarignanaré, de tsy hiditry akô amin'ny fanjakagnan'ny lagnitry mitsy anaré. 21 Efa regninaré fo voalaza tamin'jaré ré talôha hoe: 'Aza mamono ôlogna,' ké 'Na izôvy Na izôvy mamono ôlogno dia ho helohigna agny amin'ny fitsaragna.' 22 Fô volagniky aminaré fô zay jiaby vignitry amin'ny ralahiny de manjary ny ho helohigna agny amin'ny fitsaragna; ary na izôvy na izôvy mivôlagna ny ralahiny hoe: 'Anô de ôlom-poagna!' de ho helohigna agny amin' ny filanan-kevitry; ary na izôvy na izôvy mivôlagnna hoe: 'Fôka anô!' de manjary ny ho agny amin'ny toèragna mirehitry afo. 23 Nôho izégny Koà manolotro ny fagnatitra aké amin' ny alitara anô kè tsaroanô také fô managna alahelo aminô ny ralahinô, 24 de ambilay aké alôhan' ny alitara ny fagnatitranô, kè mandihana tohizo ny lalagnanô. Mihavàna amin'ny ralahinô aloha, ary avaké mihirègna dia atoloro ny fagnatitranô. 25 Mihavàgna malaky amin'ny mpiampanga anô Kô mbôla miara-dià aminanjy agny amin'ny fitsaragna anaré, sôde ny mpiampanga anô hanôlotra anô amin' ny mpitsara, ké ny mpitsara mety hanôlotro anà amin' ny manam-pahèfagna, kè hatô akô an-dragno mahizigna anà. 26 Volagniko marigny aminaré fô tsy ho afaka mivoaka aô lasiteo anô mandra-mpagnifagna ni vôla faran'ny hely kokoà amin'ny trosanô 27 Èfa régninaré fo volagnigny hoe: 'Aza mijangajanga.' 28 Kanèfa volagniko aminaré jiaby fo zay mizaha viavy kè magniry ananjy de èfa mijangajanga takô am-pôny sahady. 29 Izy Koà magnafitoagna anà ny masonà ankavanagna, de alà izégny ké atsipazo lavitra anô. Fô tsara kokoà ho anô kô ny ampahany araiky amin'ny vatagnanô no tôkony ho arategny fô tsy ny tègnanà jiaby no atsipy agny amin'ny helo. 30 Izy koà magnafitoagna anà ny tagnanô ankavanagna, de tapaho ké atsipazo lavitry hiala aminô. Fô tsara kokoà ho anô kô ny ampahany araiky amin'ny vatagnanô no tôkony ho very fo tsy ny tègnanà jiaby no atsipy agny amin'ny helo. 31 Ary èfa nivolagnina foagna koà hoe: 'Na izôvy na izôvy misaraka amin'ny vadiny, de ôka izy hagnamia ananjy ny taratasy fisaraham-panambadiagna.' 32 Fô Zaho ndraiky mivôlagna aminaré fô zay jiaby misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nôhon'ny fijangajangagna, de mampijangajanga ananjy. Na izôvy na izôvy manambady ananjy afaran'ny fisarahany de mijangajanga. 33 Ary Koà, regninaré fô voalaza tamin'ny taolo hoe: 'Aza misangisangy fianianana diso, fô indeso aké alôhan'ny Tompo ny fianiagnanô.' 34 Fô zaho ndraiky mivôlagna aminaré, aza misangisangy amin'ny raha jiaby, na amin'ny lagnitry aza, fo sezy fiandrianan'Andriamanitra izégny; 35 na amin'ny tany, Jerosalema, fô tanàgnan'ny mpanjaka bé izégny. 36 Aza misangisangy amin'ny lôhanô, fo tsy afaka magnafotsy na magnamagnitry ny singan-drandragna araiky anô. 37 fô oka ny koragnanô ho, 'Ya, ya,' na 'Ahe, ahe.' Zegny mihoatra jegny dia avy amin'ny lay ratsy. 38 Regninaré fôvoateny hoe: 'Maso sôlon'ny maso, ary nify sôlon'ny nify.' 39 Fô Zaho ndraiky mivôlagna aminaré hoe, aza manôhitry zegny tsimanjary. Fô ndraiky, na izôvy na izôvy magnambèla ny fifinô ankavanagna dia amiazo ananjy koa ny hilany. 40 Ary koa misy ologno magniry ny hiaraka aminô handèha akagny amin'ny fitsaragna ké mandrava ny akanjonô, dia ambilay ho ananjy koa ny lambanô. 41 Na zôvy na zôvy manery anô handëha kilomètatra arèky, mandihana miaraka aminanjy amin'ny roe kilomètatra. 42 Amia zegny mangaho aminô ary aza mandà na izôvy na izôvy magniry ny hindragna aminà. 43 Efa regninaré fô voavôlagna hoe: 'Tsy maintsy mankatia ny mpiara-mihaigny aminaré anaré ary mankalaza ny fahavalonaré.' 44 Fô volagniko aminaré, tiavo ny fahavalonaré ary mivavaha ho anjègny magnenjiky anaré, [Fagnamarihigna: Ny dikan- teny talôha tsara kokoa dia magnala ny hoe: ""Misôra iré zegny magnozogno anaré, magnanova ny tsara amin'iré zegny tsy mankatia anaré.''''] 45 mbô ho tonga zanaky Babanaré zegny agny an-andagnitry anaré. Fô Izy dia mampiboaka ny masõvany amin'ny tsimanjary sy ny manjary, ary mandatsaka ny malegny amin'ny marigny sy ny tsy marigny. 46 Fô koa iré zegny tia anaré no tiavinaré, ino no valisoa azonaré? Mô na dia ny mpamôry hètra aza tsy mbô magnano karan'jegny koa? 47 Koa ny ralahinaré raiky foagna no arabainaré, ino no mbô atônaré mihotra ny hafa? Mô na dia ny Jentilisy aza tsy mbô magnano karan'jegny koa? 48 Nôhon' jegny dia tsy maintsy tantëraka naré, karaha ny fahatantirahan'ny Babanaré zegny agny an-dagnitry.