Tôkô faha 4

1 Avaké Jesosy nindôsisn'ny Fagnahy ho agny agnefitra mbô halain'ny devoly fagnahy. 2 Kôfa avy nifady hanigna efapôlo andro sy efapôlo aligna izy de tihinagna. 3 Nagnatogna ny mpaka fagnahy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Kô Zanak'Andriamanitra anô, de volagno iré vato iré mbô ho tônga môfo. 4 Fô namaly Jesosy ké nivôlagna taminanjy hoe: "Voasôratra hoe: 'Tsy môfo foagna hivilôman'olo fô ny koragna jiaby avoakan'ny vavan'Andriamanitra.''' 5 Avaké ny devoly nitôndra ananjy tagny amin'ny tanàgna masigna ké nametraka ananjy také amin'ny faratampon'ny tempoly, 6 ké nivôlagna taminanjy hoe: "Kôa Zanak'Andriamanitra anà, de mivariagna ambany akagny, fô voasôratra hoe: 'Izy hagnasa iré anjeliny hitagna anà sy hanandratra Anà aké amin'ny tagnanjaré, ké tsy ho vatsitôhigna amin'ny vato tongotranà."' 7 Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: "Dia mbôla voasoratra koa hoe: "Tsy tôkony hizafagnafy ny Tompo Andriamanitranà anà."' 8 Nindôsiny devoly agny amin'ny tany ambo koa Izy ary natorony ananjy ny fanjakagna jiaby ambôn'ny tany sy ny hatsaran'ire. 9 Ahozy taminanjy hoe: "Amiako anà rà jiaby iré, izy koa miankôhoko ake alôhako sy midèra anahy ana." 10 Avy take Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: "Mialà ake ana, Satana! Fô èfa voasôratra hoe: 'Ana de hidèra ny Tompo Andriamanitrana, ary izy raiky foagna no ho tompôna."' 11 Avake niala Ananjy ny devoly, ary egy, nisy anjely tônga ké nanômpo Ananjy. 12 Kôfa regnin'i Jesosy fô voasambotro Jaona, dia nierigna akagny Galilia izy. 13 Niala an'i Nazareta izy kè nandèha ary nipètraka tako Kapernaomy, zay amôron-dranomasigny Galilia, akè amifairan-tanin'i Zebolona ndraiky Naftaly. 14 Zaigny no nitranga mbô hahatantairaka zay nivolagnin'Isaia mpaminagny hoe: 15 "Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly, mandéha amin'ny ranomasigna, agny an-dafin'i Jordana, Galilia an'ire Jentilisa! 16 Ire ôlogno nipètraka tamin'ny maizigna kè nahita fahazavagna maventy, fô ire zègny nipétraka tamin'ny faritra sy ny lindogna ny fahafatèsagna, de také amin'jaré ré no nivoahan'ny fahazavagna." 17 Kay tamin'jagny fotoagna zagny Jesosy dia nanomboka nitory teny sy nivôlagna hoe: "Mibebaha, fô èfa mariny ny fanjakan'ny lagnitry." 18 Kôa nandèha tagny amoron'ny Ranomasignin'i Galilia Izy, de nahita roa miralahy, Simona zay nantsôvigny hoe Petera, ary Andrea ralahiny, nanôraka ny haratony tandranomasigna, fô mpagnarato izy ire. 19 Hozy Jesosy tamin'jaré hoe: "Andèha, hagnaraka Zaho, fô hatôko mpagnarato ôlogno anaré." 20 Takeke foagna da niala ire harato izy iré kè nagnaraka Ananjy. 21 Avake koa mbôla nagnatogna Jesosy de nahita ro miralahy afa koa, de Jakoba zanak'i Zebedio ndraiky Jaona ralahiny. Nagnamboatra ny haratony takô an- tsambo izy iré niaraka tamin'i Zebedio, baban'izy ire. Ngnantso ananjy ire Izy, 22 kè takeke foagna dia niala ny sambohely sy ny babany izy ire kai nagnaraka Ananjy. 23 Nandaiha nagnodidignan'i Galilia Jesosy, nampianatra takô amin'ny Synagogan'jaré, nitory ny filazantsaran'ny fanjakagna, ary nagnasitragna ire karazagna aretigna jiaby miaraka amin'ny abokagna jiaby tamin' ôlogno. 24 Naraisaka èran'i Syria ny vôvô makasika Ananjy, kè nivolagnin'ôlogno taminanjy ire zegny marary jiaby, mararin'ny karazagn'aretigna sy fanaintaignana, ire azon'ny devoly, sy zegny tôrantôragna sy mararin'ny paralysisa. Nitahan'i Jesosy izy iregny. 25 Vahoaka baitsaka avytagny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy agny an- dafin'i Jordana no nagnaraka Ananjy.