Tôko faha 3

1 Tamin'izégny andro izegny de nandeha nitory tagny agn'efitr'i Jodia i Jaona mpagnano Batisa magnano hoe: 2 ''Mibebaha, fô efa mariny ny fanjakan'ny lagnitry." 3 Fo izy no lay nivolagnin'Isaia mpaminagny, magnano hoe: "Misy feho araiky magnatso mafy agny agn'efitry hoe: "Amboaro ny lalan'ny Tompo, ahitsy ny lalany."' 4 Ary Jaona nagnato volon-drameva sy nagnatô fehin-kibo hôditry tamin'ny andilagnany. Kojeja sy tintily remby no nataony fioanigny. 5 Ary Jerosalema, Jodia jiaby, sy ny faritry jiaby magnodidigny ny reniranon'i Jordana de nagnatona ananjy. 6 Nataony batisa tagny amin'ny reniranon'i Jordana izy iré, kôfa nihaiky ny fahotagnany. 7 Fô kôfa nahita iré Fariseo sy Sadoseo maro nagnatogno ananjy mbô ho atô batisa izy, de aozy tamin-jaré ré hoe: "Ry taranaka menaragna feno poizigny, izôvy no nampitandrigna anaré hilefa ny fahavigniragna zay ho avy? 8 Mamoaza voa mendriky ny fibebahagna. 9 Ké aza misaigny ny hivôlagna agneritreritra hoe: 'Managna an'i Abrahama ho babanay zahay.' Fô ivolagniky aminaré fô Andriamanitra de mahavita manangagna zanaka ho an'i Abrahama na de avy amin'ireto vato reto aza. 10 Ary efa napétraka aké ampoton'ny kakazo ny famaky. Ké iré kakazo jiaby zay tsy mamoà voa tsara de ho tapahina ké atsipy agny agnaty afo. 11 Magnano batisa anaré amin'ny rano ho amin'ny fibebahagna zaho. Fô mahery noho zaho izy zay tônga afarako, ary zaho dé tsy tokony aby na de ny hitôndra ny kapany aza. Agnano batisa anaré amin'ny Fagnahy Masigny sy ny afo izy. 12 Efa egny antagnany ny fikororohany mbô hagnadiovagna ny milôlo ké hagnangonagna ny variny agny an-tohitry. Fô izy de hagnoro iréo angafony amin'ny afo zay tsy mety maty. 13 Avy také Jesosy avy tagny Galilia ké tonga také amin'ny reniranon' i Jordana mbô ho ataon'i Jaona batisa. 14 Kanèfa i Jaona de niezaka nanakagna ananjy, magnano hoe: "Zaho no mila atônà batisa, nefa anà ndraky vô no magnatogno anahy? 15 Jesosy namaly sady nivôlagna taminanjy hoe: "Ekeo izégny avahizo, fô zao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinagna jiaby." Avy také Jaona nagneky ananjy . 16 Kôfa vita batisa Izy, de nivoaka ny rano avy atragny Jesosy, ary indré, nisokatra taminanjy ny lagnitry. Hitany ny Fagnahin'Andriamanitra nirôrogno karaha pizigny sady nandeha tam-bôniny. 17 Ary indré, nisy feo avy agny andagnitry nagnano hoe: "Itô no zanako malalako. Zay tegna sitrako."