Tôko faha 2

1 Tafaran'ny nahaterahan'i Jesosy takô Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda mpanjake, de tônga takô Jerosalema iré lalahy manam-pahalalagna avy agny antsignianagna novôlagna hoe: 2 "Akéza Izy zay teraka ho mpanjakan'ny Jiosy? Nahita ny kintagna avy agny antsignianagna zahay ké tônga Mbô hidera ananjy." 3 Kôfa naharagny izégny i Heroda mpanjaka, de nangorohoro izy, sy i Jerosalema jiabijiaby niaraka taminanjy. 4 Nindôsin'i Heroda niaraka ny lohan'ny mpisorogna jiaby sy ny mpanora-dalagnan'ny ôlogno, ké nagnontany ananjy iré izy hoe: "akéza no hahaterahan'i Kristy? 5 "Nivôlagna taminanjy iré izy hoe: "Akô Betleheman'i Jodia, fô izao no voasoratry ny mpaminagny hoe:" 6 Fô anô, Betlehema, agny amin'ny tanin'ny Joda, de tsy farany hely amin'iré mpitondran'i Joda, fô avy aminô no hatongavan'ny mpanapaka zay hiambigny ny oloko Israely." 7 Ké nagnantso mangingigna iré lalahy manan-pahalalagna i Heroda mbô hagnontany ananjy iré mazava tsara ny fotoagna nipoiran'ilay kintagna. 8 Nalefany tagny Betlehema zaré ré, managno hoe: "Mandehana ké fotôro tsara ny amin'ilay zaza kôfa hitanaré izy, de ampilazà zaho, mbô afahako mandeha agny andreky koa ké hidera ananjy." 9 Tafaran'ny narignesan-jaré ré ny mpanjaka, de nandeha tamin'ny lalagnany zaré ré, ké ny kintagna zay hitan-jaré ré tegny antsignianagna no nialôha ananjy iré mandra-pidokoany také ambonin'ny toerana nisy lay zaza. 10 Kôfa nahita ny kintana zaré ré, de niravo tamim-pifaliam-be. 11 Niditra tao amin'ilay trano izy ireo ary nahita ny zaza niaraka tamin'i Maria reniny. Niankohoka sy nidera azy izy ireo. Nanokatra ny fitoeran-kareny izy ireo ary nanolotra fanomezana volamena, dintin-kazo manitra, ary miora ho azy. 12 Nampitandrina azy ireo tamin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverina any amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehanan'izy ireo namonjy ny fireneny avy. 13 Kôfa dila zaré ré, de nisy anjelin'ny Tompo niboaka tamin'i Josefa tamin'ny alan'ny nofy ké nivôlagna hoe: ''Miankoha, indôsy ny zaza mbôn'ny mamany, ké milifasa agny Egypta. Midokoà agny mandra-pivolanako aminà, fô i Heroda de mitady lé zaza mbô hamonoana ananjy.'' 14 Ny alin'iny Josefa de nifôha ké nitondra ny zaza mbôndreniny ké nakagny Egypta. Nidôko tagny izy mandra-pahafatesan'i Heroda. 15 Izégny de nanantateraka zay nivolagnin'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: ''Nantsôviky niala tagny Egypta ny zanako.'' 16 Avy také Heroda, kôfa nahita fô voafitak'iré lalahy manam-pahalalagna, de fingitra mafy. Nagnasa sy nampamono ny zaza lalahy jiaby roa taogno no mirorogno zay takô Betlehema sy takô amin'ny faritra jiaby igny izy, karahà ny fotoagna zay nofotorany mazava tamin'iré lalahy manam-pahalalagna. 17 Avy aké de tanteraka ny teny zay nivolagnina tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany hoe: 18 "Nisy feo regny takô Roma, fitomagniagna sy fisaonam-be, mitomagny nohon'ny amin'ny zanany i Rahely, ké tsy nagneky ny ho ampanginigna izy, satrià efa lasana zaré ré.'' 19 Kôfa naty i Heroda, indre, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tagny Egypta tamin'ny nofy ké nivôlagna hoe: 20 ''Mifohàza ké indôsy ny zaza mbôn'ny mamany ké mandihàna agny ami'ny tanin'Israely, fô efa naty iré zay nifofo ny aignin'ny zaza.'' 21 Nifôha Josefa, nindôsiny ny zaza mbôn'ny mamany, ké nandeha tamin'ny tanin'Israely. 22 Fô kôfa régny fô i Arkelaosy no nanjaka tagny Jodia nandimby an'i Heroda babany, de natahotro ny ho agny izy. tafaran'ny nampitandreman'Andriamanitra ananjy tamin'ny nofy, ké niala nakagny amin'ny faritr'i Galilia izy 23 ary nandeha ké nipetraka takô amin'ny tanagna antsovigna hoe Nazareta. izégny de hahatanteraka zay voàlaza tamin'ny alalan'iré mpaminagny hoe: ''Nazaregna no hagnatsôvagna ananjy.''