Tôko 1

1 Ny Bokin'ny razan'i Jesosy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2 Abarahama no baban'Isaka, ary Isaka no baban'i Jakoba, ary Jakoba no baban'i Joda sy ireo rahalahigny. 3 Joda no baban'i Fareza sy Zara avy tamin'i Tamara, Fareza no baban'i Herizona, ary Herizona no baban'i Roma. 4 Roma no baban'i Aminadaba, ary Aminadaba no baban'i Nasona, ary Nasona no baban'i Salomona. Salomona no baban'i Boaza tamin'i 5 Rahaba, Boaza no baban'i Obeda tamin'i Rota, Obeda no baban'i Jese. 6 Ary Jese no baban'i Davida mpanjaka, Davida no baban'i Solomona tamin'ny alan'ny vadin'i Oria. 7 Solomona no baban'i Rehoboama, Rehoboama no baban'i Abia, abia no baban'i Asa. 8 Asa no baban'i Jaosafata, ary Joasafata no baban'i Jorama, ary Jorama no baban'i Ozia. 9 Ozia no baban'i Jotama, Jotama no baban'i Ahaza, Ahaza no baban'i Hezekia. Hezekia no baban'i Manase, 10 Manase no baban'i Amona, ary Amona baban'i Josia. 11 Josia no razan'i Jekonia sy iré rahalahiny tamin'ny fotonan'ny nanoroavana ho any Babilona. 12 Tafaran'ny fanoroavana ho any Babilona, dia Jekonia no baban'i Sealtiela, ary Sealitiela no razan'i Zerobabela. 13 Zerobabela no baban'i Abihida, Abihoda no baban'i Eliakima, ary Eliakima baban'i Azora. 14 Azora no baban'i Zadoka, Zadoka no baban'i Akima, ary Akima no baban'i Elioda. 15 Elihoda no baban'i Eliazara, Eliazara no baban'i Matana, ary Matana no baban'i Jakoka. 16 Jakoka no baban'i Josefa izay vadin'i Maria, ilay niteraka any Jesosy, izay nantsoigny hoe Kristy. 17 Ny taranaka jiaby manômboko ami'ny Abrahama ké hatragny amin'ny Davida de taranaka efatra ambn'ny fôlo, manômboko amin'ny Davida ké hatragny amin'ny fanoroavana ho agny Babilona de taranaka efatra ambin'ny fôlo, ary manômboko amin'ny fanoroavana ho agny Babilona ké hatragny amin'i Kristy de taranaka efatra ambiny fôlo. 18 Kara zao no nisehoan'ny fahaterahan'i Jesosy Kristy. Ny mamany, de efa natokana hagnambady an'i Josefa, kanefa talohan'ny niarahahan-jaré ré, de hita fô nitoe-jaza izy avy tamin'ny Fanahy Masigny. 19 Josefa, vadiny, de lalahy marigna, no sady tsy ta-hagnalabaraka agnanjy amason'ôlomaro. ké nanapakevitry izy ny hamaragna mangingigna ny fifagnikiagna taminanjy. 20 Ary kô izy mbôla nieritreritry mikasika iré raha ré igny, de niboaka taminanjy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, magnano hoe: ''Josefa, zanaka lahin'i Davida, aza matahotro ny hialaka an'i Maria ho vadinô, satria ilay araiky izay notorotorognina akô agnatiny de ny Fagnahy Masigny no nametraka ananjy. 21 hiteraka zaza lalahy izy, kéanà hagnatso ny agnarany hoe Jesosy, fô izy no hamonjy ny ôlony hiala amin'ny fahotagnan-jaré ré.'' 22 Izégny jiaby izégny de niseho mbô hahatanteraka izay nikoragnin'ny tompo tamin'ny alalan'ilay mpaminagny, magnano hoe: 23 "Indro ny virjiny hitoe-jaza ké hiteraka zazalalahy, ary zaré ré hagnantso ny agnarany hoe Imanoela''_zay midika hoe: "Amintsika Andriamanitra." 24 Nifoha tamin'ny tôromasony Josefa ke nagnano arak'izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ananjy ké nalaka ananjy ho vadiny. 25 Kanefa tsy niaraka taminy izy mandra-piterahany zazalahy. ké nantsovigny hoe Jesosy ny anarany.