Tôko faha 7

1 Aza mitsara, dia tsy hitsaraigny anaré. 2 Fô amin'ny fitsaragna natonaré, no hitsaragna anaré, ary amin'ny fandrifèsagna andrifèsanaré, no handrifèsagna anaré. 3 Nagnino anö no mizaha ny singa- mölôlô hely zegny aka agnatin'ny mason'ny ralahinô, nèfa tsy voatsikèranô ny andry ako agnaty masonà? 4 Akory no hivolagnanö ny ralahinô hoe: 'Ambila zaho hagnala ny singa-molölö zegny aka agnaty masona', koa mbola aka agnatin'ny masonà lay andry? 5 Ry mpitsaravelatsy! Ala alöha ny andry zegny aka agnaty masona, ary avaké ana hahita tsara kofa magnala ny singa-molölö zegny ake amin'ny mason'ny ralahinô. 6 Aza amiagna ny amboa zegny masigny, ary aza atsipy ake alôhan'ny lambo ny vatomahitanaré. Koa tsy zegny dia mety ho voadiany ny tongonjaré, ary avaké hifötotro sy hamiravira anaré amin'ny fahapotehigny. 7 Mangahoa, dia amiagna anaré zegny. Mizahava, dia hahita anaré. Konkogno, fo hisokatra ho anaré zegny. 8 Fo zegny mangaho jiaby, dia mahazo; iré jiaby zegny mizaha, dia mahita; ary ho an'ôlogno nikonkogno, dia ho sokafigny. 9 Sa izovy aminaré, koa angahoan'ny zanany môfo, no hanölotro vato ananjy? 10 Na koa kofa angahoany löko, kè hanölotro bibilava ananjy? 11 Noho jegny, kofa anaré zegny ratsy aza mahaÿ magnamia ire fagnomiazagna zegny tsara ho an'ny zanakaré, môa tsy be mihoatra mö ny raha tsara amian' ny Babanaré zegny agny an- dagnitra ho an'ire zegny mangaho aminanjy? 12 No jegny, na ino na ino raha tianaré ho aton'ny ologno amin'ny tègnanaré, dia tökony hagnano kara jegny amin'jaré koa anaré, fo zegny no lalàgna sy iré mpaminagny. 13 Midira amin'ny vavahady tery. Fo maventy ny vavahady ary malalaka ny lalagna mitöndra agny amin' ny fahavirèzagna, ary maro ire ologno izegny mandèha amin'jegny. 14 Fo tery ny vavahady ary sarotro ny lalàgna izegny mitariky mandèhagny amin'ny fiainagna, ary vitsy ire izegny mahita anjegny. 15 Mitandrèma amin'ire mpaminagny sandoko, zegny magnatogna anaré amin'ny fitafiagn'ôndry nèfa amboady tègna mpihaza. 16 Amin'ny alalan'ny vihiny no ahèzanaré ananjy iré. Misangotro voaloboko agny amin'ny fatsy mö ny ologno, na koa aviavy agny amin' ny songosongo? 17 Mitövy amin'jegny, ny kakazo tsara jiaby dia mamoa vihiny tsara, fo ny kakazo ratsy dia mamoa vihiny ratsy. 18 Ny kakazo tsara dia tsy afaka ny hamoa vihiny ratsy, na koa ny kakazo ratsy dia tsy afaka mamoa vihiny tsara. 19 Ny kakazo jiaby izegny tsy mamoa vihiny tsara dia tapahigny ary hatsimpy agny agnaty afo. 20 Kè noho jegny, ho hènare zaré amin'ny alalan' ny vihiny. 21 Tsy ire jiaby zegny mivolagna Aminahy hoe: 'Tompo, Tompo', dia hiditry ny fanjakan'ny lagnitry, fo ire zegny magnano ny sitrapön'ny Babako zegny agny an- dagnitry foagna. 22 Maro ire ologno hivolagna aminahy amin'jegny andro izegny hoe: 'Tompo, Tompo, tsy èfa naminagny tamin'ny agnaranô mö zàhay, tsy èfa mamoaka ire devoly tamin'ny agnaranô, ary nagnano ire asa maventy tamin'ny agnaranô?' 23 Avake Zaho hagnambara amin'jaré ampahibemaso hoe: 'Tsy nahaÿ anaré mitsy Zaho! Mialà lavitry Zaho, ry mpagnano ratsy!' 24 Noho jegny, ire jiaby zegny maregny ny koragnako ary magnekian'jegny dia ho karaha ny ologno hendry zegny namorigny tragnony agny ambony vatolampy. 25 Nilatsaka ny oragna, tonga ny tondra-drano, ary nifôfofôfo sy namango lay tragno ny rivotro, fo tsy lavo izegny, satria namboarigny take amböny vatolampy. 26 Fo jiaby zegny maregny ire koragnako kè tsy mankatoa ananjy iregny dia karaha ny ologno adala zegny magnamboatra ny tragnony agny amböny fasiky. 27 Nilatsaka ny oragna, tönga ny tondra-drano, ary nifôfofôfo sy namango lay tragno ny rivotro, kè dia lavo izegny, ary feno ny faravagna." 28 Ary kôfa avy nagnambara ire koragna ire Jesosy, talanjogno tamin'ny fampianarany ire vahoaka, 29 satria nampianatra anjaré karaha ny ologno zegny managna fahifagna Izy, fo tsy karaha ire mpanöra- dalàgnan'jaré.