Tôko faha 27

1 Izikoa tônga ny maraigna, de nikasa hanôhitra an'i Jesosy mbô hamono Ananjy iré lehiben'ny mpisôrogna sy ny lohôlogno jiaby. 2 Zaré ré matahotro Ananjy, nitarika Ananjy tagny tivelany, ké nanolotra Ananjy tamin'i Pilato governora. 3 Ary Jodasy, ilay namadika Ananjy, kôfa nahita fô voaheloka Jesosy, de nibebeke izy ké nangerigna iré vôlafotsy telopôlo tamin'iré lehiben'ny mpisôrogna sy iré lohôlogna, 4 ké nivôlagna hoe: ''Nanota zaho tamin'ny namadiako rà tsy manan-tsigny.'' Fô zaré ré nivôlagna hoe: ''Ahoànay ino? Anà izégny.'' 5 De natsipiny takô an-tempolin'ny iré vôlafotsy, ké nénga, sy niboaka ary nagnatogna ny tegnany Izy. 6 Iré lehiben'ny mpisôrogna nalaka iré vôlafotsy ké nivôlagna hoe: ''Tsy ara-dalàgna ny mametraka itô akato amin'ny fitehirizam-bôla, satrià itô de vidin-drà.'' 7 Niara-nikoragna ny olagna zaré ré ké nivanga ny sahan'ny mpagnano vilany tamin'iré vôla. 8 Ké izégny no antony nagnatsovana izégny saha izégny hoe: ''Sahan'ny Rà'' mandrak'iniany. 9 Ké de tanteraka izay voalaza tamin'ny mpaminany Jeremia, magnano hoe: ''Nalaka ny vôlafotsy telopôlo zaré ré, vidy nanombanan'iré fôkon'ôlon'Israely Ananjy, 10 ké zaré ré nagnamia izégny ho an'ny sahan'ny mpagnano vilany tanimanga, karaha ny natoron'ny Tompo anahy.'' 11 Ary Jesosy nijoro také anolohan'ny governora, ary ny governora nagnontagny Ananjy hoe, ''Anaà mô no mpanjakan'iré Jiosy?" Jesosy namaly ananjy hoe: '' voalazanà.'' 12 Fô kôfa nampangain'iré lehiben'ny mpisôrogna sy iré lohôlogna Izy, de tsy namaly na ino na ino. 13 De nivôlagna taminy Pilato hoe: ''Tsy regninà mô ny fiapangana jiaby atao aminà?'' 14 Fô tsy namaly na de teny araika aza Izy, nidanaka tantéraka noho izégny ny governora. 15 Ary isakin'ny firavoravogna de fômban'ny governora no mamôtsotro gadra araika voafidin'ny fokon'ôlo. 16 Tamin'io fotoagna io, nanagna gadra malaza ratsy antsoigna hoe Barabasy zaré ré. 17 Noho izégny kôfa niara-niangona zaré ré, de ahozy Pilato taminjaré ré hoe: ''Zôvy no tianaré halefako ho anaré? Barabasy sa Jesosy izay antsovigna hoe Kristy?'' 18 Hainy fô nohon'ny fialônagna no nanoloranjaré ré an'i Jesosy taminanjy. 19 Kô nipètraka také amin'ny sezy fitsaragna izy, de nandefa koragna tamin'ny vadiny ké nagnano hoe: ''Tsy managna na ino na ino atao amitô lalahy tsy manan-tsigny itô zaho. Ory loatra zaho niany nohon'ny nôfy azoko mômba Ananjy.'' 20 Ary iré lehiben'ny mpisôrogna sy iré lohôlogna nandresy lahatra ny fôkon'ôlo mbô hangataka an'i Barabasy, ké hampamono an'i Jesosy. 21 Nagnontany ananjy iré ny governora hoe: ''Zôvy aminjaré aroa no tianaré alefako ho anaré?'' Aozin-jaré ré hoe: ''Barabasy.'' 22 Pilato nivôlagna tamin-jaré ré hoe: ''Ino no tôkony ataoko amin'i Jesosy izay antsoigna hoe Kristy?'' Izy jiaby namaly hoe: ''Fantsiho amin'ny kakazofijaliagna Izy.'' 23 De ahozy Izy hoe: ''Nahoagna, ino no heloky natôny?'' Fô vô maika zaré ré nihiaka mafy hoe: ''Fantsiho amin'ny kakazofijaliagna Izy.'' 24 Fô kôfa hitan'i Pilato fô tsy afaka hagnano na ino na ino izy, kanefa efa nanômboka ny tabataba, de nangala rano izy, nanasa ny tagnany také agnatrehan'ny vahoaka, ké nagnano hoe: ''Tsy manan-tsigny amin'ny ràn'itô lalahy tsy manan-tsigny itô zaho. Fô asanaré zegny.'' 25 Iré ôlogna jiaby nivôlagna hoe: ''Ho aminay sy ny zanakanay anie ny ràny.'' 26 De nalefany ho ananjy iré Barabasy, fô nively karavasy an'i Jesosy izy ké nanôlotra ananjy ho fantsihigna. 27 Avakè iré miaramilan'ny governora nangala an'i Jesosy takô an-dapa ké nagnangogna irè vondrogna miaramila jiaby. 28 Nagnala ny fitafiany zaré ré ké nampagnano akanjo jaky ananjy. 29 Nagnamboatra satro-boninahitra tsilo zarè ré ké nametraka zegny také an-dohany, ké nametraka tehigna také amin'ny tagnany ankavanagna. Nandohalika také agnatrehany zarè ré ké nagneso ananjy, nagnano hoe: ''Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!'' 30 Nororainjaré ré zaré, ké nalainjaré ré ny tehigna de namango ananjy im-be de be také amin'ny lohany. 31 Kôfa avy nagneso ananjy zaré ré, de nagnala ny akanjo lavany ké nampiakanjo Ananjy ny fitafiany, ké nitôndra Ananjy nivoaka mbô hamantsika Ananjy amin'ny kakazofijaliagna. 32 Kôfa nivoaka zaré ré, de nahita lalahy araika avy agny Syrena antsoigna hoe Simona, zay noterenjaré ré hiaraka aminanjy iré mbô hampilanjaigna ny kakazofijaliagna. 33 Nankany amin'ny toeragna antsoigna hoe Golgota zarè ré, zay midika hoe ''Toeran'ny Karandoha.'' 34 Namianjarè ré divay mifangaro amin'ny afero Zaré mbô ho sotroiny. Fô kôfa nandramany zegny, de tsy nisotro Zarè. 35 Kôfa nofantsihinjaré ré tamin'ny kakazofijaliagna zaré, de nataonjaré rè loka ny fizaragna iré fitafiany, 36 ké nipetraka zaré ré ké nijanogna niambigna Ananjy. 37 Také ambônin'ny lôhany no nametrahanjaré ré sôratra mivôlagna ny nagnamelohagna Ananjy, zay mivaky hoe: ''Itô no Jesosy, mpanjakan'iré Jiosy.'' 38 Nisy jiolahy roa nofantsihina niaraka taminy, ny araika také ankavanany ké araika také ankavia. 39 Iré zay nandalo de nanevateva Ananjy, nanifikifika ny lôhanjaré ré 40 ké nagnano hoe: ''Anà zay handrava ny tempoly ké hagnamboatra zegny draiky akô agnatin'ny telo andro, vonjeo ny tegnanao! Raha Anà no Zanak'Antdriamanitra, midigna avaké amin'ny kakazofijaliagna!'' 41 Toy zegny kôa iré lehiben'ny mpisorogna nagneso Ananjy, niaraka tamin'iré mpanôra-dalagna sy iré lohôlogno, ké nivôlagna hoe: 42 ''Nagnavotra iré hafa Zaré, fô tsy afaka magnavotra ny tegnany. Zaré no mpanjakan'Israely. Avelà Zaré hidigna egny amin'ny kakazofijaliagna, ké de hino Ananjy isika. 43 Natoky an'Andriamanitra Zaré, avelà Andriamanitra hamonjy Ananjy zao, raha mankasitraka ny hagnafaka Ananjy Andriamanitra. Fô na Zaré aza de nivôlagna hoe: 'Zaho no Zanak'Andriamanitra.''' 44 Karaha zegny kôa iré jiolahy zay nofantsihigna niaraka taminy nivôlagna fagnevatevagna taminy ndraiky kôa. 45 Ké nanômboka tamin'ny lera faha enigna de nandrakotra ny tany jiaby ny aizigna ké hatramin'ny lera fahasivy. 46 Také amin'ny lera fahasivy, de nihiaka tamin'ny feo mafy Jesosy ké nagnano hoe: ''Ely, Ely, lamà sabaktani?'' Zay midika hoe: ''Andriamanitro, Andriamanitro, nahoana no nandao Anahy Anà?'' 47 Kôfa ren'ny sanany tamin'iré zay nitsangagna také zegny, de ahozy iré: ''Magnantso an'i Elia Zaré.'' 48 Také no aké de nihazakazaka ny araika taminjaré ré ké nangala spaonjy, namonto zegny tamin'ny vinaingitra, nametraka zegny tamin'ny tohitohigna bararata, ké nagnamia zegny Ananjy mbô ho sotroigna. 49 Ny sanany taminjaré nivôlagna hoe: ''Avelà Zaré. Hitantsika aké raha ho tônga hamonjy Ananjy Elia.'' 50 De nihiaka tamin'ny feo mafy draika Jesosy ké nagnolotra ny fagnahiny. 51 Io, ny lamban'ny tempoly nitriatra roa hatragny ambony ké hatragny ambany, ké nihorohoro ny tany, ké vaky nisasaka iré vatolampy. 52 Nisôkatra iré fasagna, ké ny fatin'iré ôlon'Andriamanitra maro zay nodimandry de natsangagna. 53 Zaré rè de nivoaka avy takô amin'ny fasagna taorian'ny fitsanganany tamin'ny naty, niditra ny tanàgna masigna, ké niseho tamin'ny maro. 54 Ké iziré kapiteny sy iré izè nizaha an'i Jesôsy raha nahita ny hôrohôron-tany sy iré raha izè nivoàka, de lasa nataotra mafy ké nagnano hoe: ''Zanak'Andriamanitra marigna itô.'' 55 Nisy viavy fôntry izè nagnaraka an'i Jesôsy hatragny Galilia mbô hikarakara ananjy také nizaha avy agny lavitry. 56 Tamin'jaré ré Maria Magdalèna, Maria renin'i Jakôba sy Josefa, ké ny renin'iré zanakalahin'i Zebedio. 57 Kôfa haligna ny andro, de nisy lalahy araiky manan-kariagna avy akagny Armatia tônga, antsovigna hoe Joséfa, zay mpianatr'i Jesôsy foàgna koà. 58 Nagnatogna an'i Pilato izy ké nangataka ny fatin'i Jesosy. De nobékon'i Pilato amiagna ananjy izégny. 59 Nangalaka ny faty Joséfa, namôno izégny tamin'ny lamba rongôny mady, 60 Kè nampandry izégny tamin'ny tragno manara vôvô izè nangadiàny tamin'ny vatolampy. De namaringarigna vato mahaventy hanohigna ny tamiagnan'ny tragno manara izy ké nivoàka. 61 Maria Magdalena sy irè Maria hafa de také, nipétraka takè ampitan'ny tragno manara 62 Ny andro magnaraka, zay andro afaran'ny Fanomagnana, de niaraka-nitangôrogno tamin'i Pilato iré lehiben'ny mpisôrogna sy irè Fariseo. 63 Ahozy njaré ré hoe: ''Tompokô, tsaroànay fô tamin'ny mbôla velogno igny mpamitaka igny, de ahozin'Izy hoe: 'Afaran'ny telo andro, de hitsangagna ndraiky Zaho.' 64 Ké noho izégny, mandidihy mbô ho ambénagna ny tragno manara hatramin'ny andro fahatelo, kô tsy izégny iré mpianany mety ho tônga ké hangalatra Ananjy de hivôlagna amin'ny ôlogno hoe: 'Nitsangagna tamin'ny naty izy,' ké ny fitaka farany de ho ratsy noho ilay tamin'ny vôalôhany.'' 65 Ahozy Pilato tamin'jaré ré hoe: ''Mangàlaka mpiambigna. Mandéhana ké ambéno tsara araka izè vitanaré izégny.'' 66 De nandéha zaré ré ké niambigna ny tragno manara, nagnisy tombo-kase ny vato ké namétraka ny mpiambigna.