Tôko faha 28

1 Ary taminy alignan'ny Sabata, kô mbôla vao nanômboka nandrainabe ny andro voalôgnany amin'ny herinandro, de dila nénga nizaga ny tragnomanara Maria Magdalena ndraiky Maria araiky hafa. 2 Indro, nisy horohoron-tany bé, fô ny anjelin'ny Tompo no nandrôrogno avy agny an-dagnitry tônga ké nagnabiribiry ny vato, ké nipétraka také ambonin'ny zegny. 3 Ny endrikany de karaha tselatra, ary ny lambany de ôran-javogno. 4 Raiki-tahotro iré mpiabigny ké karahy ny lalahy naty. 5 Nikoragna tamin'iré viavy ilay anjely ké nivôlagna taminjaré izy hoe: "Aza magnahy, haiko fô mizaha an'i Jesosy anaré, ilay nifantsihigna tamin'ny kakazofijaliagna. 6 Tsy akato izy efa nifôha, araka ny éfa nivolagniny. Avià zahavo ny toéragna zay nandrian'ny Tompo. 7 Mandihana malaky ké volagno iré mpianatrany hoe: 'Nifôha tamin'ny maty Izy. Egy éfa nandeha nialôha lalagna anaré agny Galilia Izy. Akagny no hahitanaré Ananjy.' Egy, éfa nikoragniko taminaré.'' 8 Nandao malaky ny tragnomanara tamin-tahotro ndraiky hafaliana bého iré viavy, ké niazakazaka mbô hivôlagna amin'ny mpianatrany. 9 Egy, nitraotro taminjaré Jesosy ké nivolagna hoe: ''Mbalatsara!'' nanatogna iré viavy, nitazogno tongony ké nidera Ananjy. 10 Avy také Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: ''Aza matahotrô. Mandihana mivolagna amin'iré rahalahiko mbô hiainga ké homba an'i Galilia. Agny no hahitanjaré Anahy.'' 11 Kô mbôla nandéha iré viavy, egy, ny sasany tamin'iré mpiambigna nakagny amin'ny tanan-dehibe ké nivôlagna tamin'ny lôhan'ny mpisôrogna zegny raha jiaby niseho. 12 Kôfa nitraotro tamin'iré lohologno ny mpisôrogno ké nikoragna momban'ny olagna taminjaré ré, de nagnomia vôla be an'iré miaramila zaré ré 13 ké nivolagnan-jaré hoe: ''Volagno amin'iré hafa hoe: 'Tônga tamin'ny andro aligna iré mpianatry Jesosy ké nangalatra ny vatany kô mbôla nandry zahy.' 14 Kô tônga agny amin'ny governora izegny tatitra izegny, de handresy lahatra ananjy antsika ké hagnala ny ahiahy aminaré.'' 15 tônga dé nalain'ny miaramila ny vôla ké nagnano araka izégny nivolagnan-jaré zaré. ké zegny tatitra zegny de nieli-patrana také amin'iré Jiosy ké mbôla mitohy mandrak'iniany aza. 16 Fô lasa nakagny Galilea iré mpianatra raikambiny fôlo, tagny amin'ny tendrombohitra zay efa natoron'i Jesosy ananjy iré. 17 kôfa nahita Ananjy zaré ré, de nidera Ananjy, fô ny sasany ndraika nagnahiahy. 18 Nagnatognanjaré Jesosy ké nikoragna taminjaré ké nivôlagna hoe: ''Efa namiagna Anahy ny fahifagna jiaby any an-dagnitry ndraiky aty an-tany. 19 Ké mandihana ké anö ho tônga mpianatrako ny firenena jiaby. Ataovy batisa zaré amin'ny anaran'ny Ray, ny zanaka, ndraiky ny Fagnahy Masigny. 20 Ampianaro zaré ré hankatoa ny raha jiaby nandidiko anré. Egy, miaraka aminaré fôgna zah, ia fô na hatramin'ny fiafaran'izao aza.''