Tôko faha 26

1 Kôfa vitan'i Jesosy zégny koragna jiaby Izègny, de nivôlagna tamin'iré mpianatrany Izy hoe: 2 ''Hainaré fô afaka roa andro de ho tônga ny paska, ké hatolotra hombohana amin'ny kakazofijaliagna ny Zanak'ôlogna.'' 3 Avy také ny lehiben'ny mpisorona sy ny lohôlogna niara-nivory takô amin'ny lapan'ny mpisôrogna-be, zay nantsoigna hoe Kaifa. 4 Niara-nagnano tetika zaré ré mbô hisambôrana mangina an'i Jesosy ké hamono Ananjy. 5 Fô ahozin-jaré ré hoe: ''Tsy amin'ny fety, mbô tsy hisiàn'ny korôntagna aké amin'ny ôlogna.'' 6 Ary Jesosy kofa tônga takô Betania takô an-tragnon'i Simona boka, 7 kô nipètraka nihinagna také amin'ny latabatra, dè nisy viavy araika nanagna tavoara alabastara feno ménaka lafo vidy nanantogna Ananjy, de nanina izégny tamin'ny lôhany. 8 Fô kôfa hitan'iré mpianatrany izégny, dé vingitra zaré ré ké nagnano hoe: ''Ino no anton'izao fandaniagna zao? 9 Afaka ambidy lafo ké namiagna iré mahantra iré.'' 10 Fô Jesosy, nahay izégny, nivôlagnan-jaré ré hoe: ''Nagnino anarè no manahiran-tsaigna an-draviavy? Fô raha tsara no nataony taminahy. 11 Aké aminaré mandrakariva ny mahantra, fô Zaho de tsy ho aké aminaré mandrakariva. 12 Fô kôfa nanidigna izégny ménaka magnitra izégny tamin'ny vatagnanahy izy, de nataony ho an'ny fagnariagna Anahy izégny. 13 Volagniky marigny aminaré, na akéza na akéza hitoriàgna ny filazantsara akéto amin'izao tontôlo jiaby zao, zay nataon'itô viavy itô de hikoragnina foana koà ho fahatsiarôvagna ananjy.'' 14 Avy té araiky tamin'iré roa ambinifôlo, izay nantsovigna hoe Jodasy Iskariota, nandéha akagny amin'ny lehiben'ny mpisôrogna 15 ké nagnano hoe: ''Amenaré otrino zaho hagnomezako ananjy aminaré?'' Nandanja vôlafotsy hely telopôlo izy irého ananjy. 16 Tamin'izegny fotoàgna izegny de nitady fahafahagna izy mbô hagnomezako ananjy amin'anjy irè. 17 Tamin'ny andro vôalôhan'ny môfo tsy misy lalivay de nagnatogna an'i Jesosy iré mpianatra ké nivôlagna hoe: ''Akaiza no tiànô hagnomagnanay ho anà hihinagna ny sakafon'ny Paska?'' 18 Namaly izy hoe: ''Midira akô an-tanàgna misy lalahy araiky ké volagno izy hoe: 'Ahozin'ny Mpampianatra hoe: ''Éfa marivo ny fotoàgnako. Akato an-tragnonô zaho no hagnano ny paska miaraka amin'iré mpianatrako.''''' 19 Nataoniré mpianatra araka izay nandidin'ny Jesosy izégny, ké hagnomagna ny sakafon'ny paska izy iré. 20 Raha tônga ny hariva, de nipétraka nihinagna niaraka tamin'ny mpianatra roa ambin'ny fôlo izy. 21 Réhéfa nihinagna izy iré, de ahozy Izy hoe: "Volagniko Marigny aminaré fô hisy araiky aminaré hamadika anahy." 22 Nalahelo izy iré ké nanômboko nagnontany Ananjy ny tsiarékiaréky hoe: "Tsy ho izaho mihitsy, ry Tompo?" 23 Namaly Izy hoe: ''Zay niaraka namarigna ny tagnany taminahy takô agnaty lasety no lay iraika hamadika zà. 24 Handeha ny Zanak'ôlogno, araka zay efa voasôratra momba Ananjy. Nefa lozan'ny ôlogno zay hamadika ny Zanak'ôlogno! Tsara kôkoa ho an'izegny ôlogno izegny no tsy teraka akory.'' 25 Jodasy, zay hamadika Ananjy nivôlagna hoe: ''Zaho vô izegny, Raby o?'' Hoy izy taminy hoe: ''Vôlazanà.'' 26 Raha mbôla nihinagna zaré ré, de nangalaka ny môfo Jesosy, nisôtra, ké nanapaka izégny. Namiàny iré mpianatra izégny ké nivolagna hoe: ''Alaivo, hoano. Itô no vatako.'' 27 Nandramby ny kapoàka izy ké nisôtra, ké nagnome izégny ananjy ké nivôlagna hoe: ''Ianaré jiaby, sotroy itô. 28 Fô itô ny ràn'ny fanekem-pihavanagna àrotsaka ho an'ny fôntry ho famelan-keloka. 29 Fô volagniko aminaré, fô tsy mbô hihinagna ny vôkatry ny voaloboka kôza Zaho, mandra-pihavin'ny fisotroagna vôvô hiarahako aminaré agny amin'ny fanjakan'ny Raiko.'' 30 Raha nihira hira fideragna zaré ré, de nandeha tagny amin'ny tendrombohitr'i Oliva. 31 Avakè ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Anaré jiaby de handao anahy nohon'ny aminahy anio aligna, Fô voasôratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Zaho de hipariaka ny ondry.' 32 Fô afaran'ny fitsanganako amin'ny naty, de hialôha lalagna anaré agny Galilia.'' 33 Fô Petera nagnano taminanjy hoe: ''Na de handao nohon'ny aminà aza ny jiaby, zaho tsy mbô handao mihintsy.'' 34 Ahozy Jesosy taminanjy hoe: ''Volagniko marigna aminà, fô zao aligna raha mbôla tsy magneno akoho, de handà Zaho intelo anà.'' 35 Petera nivôlagna taminanjy hoe: ''Na de tsy maintsy ho foaty miaraka aminà aza zaho, de tsy handà anà.'' Karaha zegny avokôa no novolagnin'iré mpianatra hafa. 36 Ary Jesosy nandeha niaraka taminanjy iré nankagny amin'ny toeragna antsigna hoe Getsemane ké nivôlagna tamin'ny mpianany hoe: ''Mipitraha aké raha mbôla handeha ery hivavaka Zaho.'' 37 Nitondra an'i Petera mbamin'ny zanak'i Zebedio roa lahy Izy ké nanômboka nalahelo sy ory. 38 Avaké ahozy izy taminjaré ré hoe: ''Fadiranôvagna ny fagnahiko, karaha efa ho foaty. Mipitraha aké ké mihambana miaraka aminahy.'' 39 Nihataka hely Izy, niankôhoko ké nivavaka. Ahozy Izy hoe: ''Ry Raiko, raha azo atô, de ôka esorigna aminahy itô kapôka itô. Nefa, ôka tsy araky ny sitrapônà.'' 40 Nagnantogna iré mpianatra Izy ké nahita azy iré resin-tory, ké ahozy Izy tamin'i Petera hoe: ''Ino, tsy mahavita miambigna miaraka aminahy na de lera araika aza vô anaré? 41 Miambena ké mivavaha mbô tsy ho azon'ny fakam-pagnahy anaré. Mety ihany ny fanahy, fô ny nôfo no malemy.'' 42 Mbôla nandeha fagnindroany Izy ké nivavaka. Ahozy Izy hoe: ''Ry Raiko, raha tô tsy azo esorigna aminahy itô raha tsy misôtro Zaho, de ho atô anie ny sitraponà.'' 43 Niverigna indray Izy kè mbôla nahita ananjy iré natory, fô navesatra ny masonjaré ré. 44 Ké nandao ananjy iré indray Izy, lasa ké nivavaka fanintelony, nivôlagna iré teny iré hiany. 45 Avakè Jesosy nagnatogna iré mpianatra ké nagnano taminjaré ré hoe: ''Mbôla mandry sy miala sasatra vô anaré? Zahavo, efa mariny ny lera, ké ny Zanak'ôlogno de hamiagna aké an-tagnan'iré mpanota. 46 Mitsangàna, andeha isika. Zahavo, efa mariny lay hamadika Anahy.'' 47 Raha mbôla nivôlagna Izy, de tônga Jodasy, raika amin'iré roa ambin'ny fôlo. Nisy vahoaka maro tônga niaraka taminy avy amin'ny lehiben'ny mpisôrogno sy iré lohôlogno. Tônga niaraka tamin'ny sabatra sy langilangy izy iré. 48 Ké nagnamia famantaragna azy iré lay lalahy hamadika an'i Jesosy, magnano hoe: ''Zay horohako, no Izy. Sambory Izy.'' 49 Také aké foagna de nagnatogna an'i Jesosy izy ké nivôlagna hoe: ''Finaritra, Raby!'' Ké nagnoroka Ananajy izy. 50 Ahozy Jesosy taminy hoe: ''Avakè tônga zaré ré, naninjitra tanagna tamin'i Jesosy, ké nisambotra Ananjy. 51 Indro, araika tamin'iré niaraka tamin'i Jesosy nanapatra ny tanagny, nampitsoàka ny sabatrany, nikapa ny mpanompon'ny mpisorognabe, ké nahafaka ny tadigniny. 52 Avy aké ahozy Jesosy taminajy hoe: ''Airegno amin'ny toerany ny sabatranà fô iré zay mandray sabatra de ho vonoigna amin'ny sabatra. 53 Mieritreritra vô anaré fô tsy afaka magnantso ny Raiko Zaho, ary Izy de afaka mandefa ho Anahy tafik'anjely mihoatra noho ny aroa ambin'ny fôlo? 54 fô atô karakôry izégny no hahatanteraka ny Sôratra Masina, zay mivôlagna fô tsy maintsy hitranga izégny?'' 55 tamin'izégny fotoagna izégny Jesosy nivôlagna tamin'ny fokon'ôlo hoe: ''Tônga miaraka amin'ny sabatra langilangy hisambotra Anahy karaha ny jolahy vô anaré? Isanandro de nipétraka nampianatra také amin'ny tempoly Zaho, fô tsy nosamborinaré. 56 Fô izegny jiaby izégny de nitranga mbô hahatantéraka zay voasôratr'iré mpaminy.'' Avy aké nandao Ananjy iré mpianatra jiaby ké niléfa. 57 Nindôsin'iré nisambotra Ananjy tagny amin'i Kaifa mpisonabé Jesosy, zay nivoriàn'iré mpanora-dalàgna sy lohôlogna. 58 Fô Petera nagnaraka Ananjy avy egny alavitra makagny amin'ny kianjan'ny mpisorognabe. Niditry takô agnatiny izy ké nipètraka niaraka tamin'iré mpiandry raharaha mbô hahita izay hiafarany. 59 Ary iré vaventin'ny mpisorogna sy iré Synedriona jiaby de nitady fiampangagna tsy marigna manohitra an'i Jesosy, mbô mety ahafahanjaré ré mamono Ananjy. 60 Tsy nahita na ino na ino zaré ré, na de nisy mpijoro vavôlombelogna maro tsy marigna tônga aza také. Ké helihely avaké de nisy roa tônga nagnatogna také 61 ké nivôlagna hoe: ''Io lalahy io de nivôlagna hoe: 'Afaka mandrava ny tempolin'Andriamanitra Zaho ké manangagna zegny ndraika afaka telo andro.''' 62 Nitsangagna lay mpisorogna be ké nagnano taminanjy hoe: ''Tsy manan-kavaly vô anà? Ino izegny hiampanganjaré ré Anà zegny?'' 63 Fô nangigna Jesosy. Ahozy ny mpisorogna be taminanjy hoe: ''Mandidy Anà amin'ny alalan'Andriamanitra velogna zaho, volagno aminay kôfa Anà no Kristy, Zanak'Andriamanitra.'' 64 Jesosy namaly ananjy hoe: ''Voalazanà. Fô koragniko aminaré, manômboka niany de ho hitanaré ny Zanak'ôlogno hipetraka aké an-tagnana ankavanan'ny Hery, ké ho tônga aké amin'ny rahon'ny lagnitra.'' 65 Avaké ny mpisorogna be nandrovitra ny akanjo ké nivôlagna hoe: ''Nivôlan-dratsy Zaré! Nahoana isika no mbôla mila mpijoro vavôlombelogno? Indro, renaré ny fivôlan-dratsy zao. 66 Ino no hevitraré?'' Namaly zaré ré ké nagnano hoe: ''Mendrika ny ho foaty Izy.'' 67 Avaké zaré ré nandrora ny tarehiny sy namango Ananjy, ké namango tefaka Ananjy, 68 ké nagnano hoe: ''Maminanià aminany, ry Kristy. Zôvy namango Anà?'' 69 Ary Petera nipetraka ivelan'ny kianja, kè nisy mpanompo viavy tônga nagnantogna ananjy nivôlagna hoe: ''Anà fô kô de niaraka tamin'i Jesosin'ny Galilia.'' 70 Fô nandà izegny takè agnoloanjaré ré izy, magnano hoe: ''Tsy fantako zegny volagninaré.'' 71 Kôfa nivoaka ny vavahady zare, de nisy mpanompo viavy hafa nahita ananjy ké nivôlagna tamin'iré zay také hoe: ''Itô lalahy itô ndraika koà de niaraka tamin'i Jesosy avy agny Nazareta.'' 72 Mbôla nandà ndraika izy niaraka tamin'ny fianiagnana hoe: ''Tsy fantatro zegny lalahy zegny!'' 73 Kôfa afaka helihely de nagnatogna iré zay nitsangagna také kè nivôlagna tamin'i Petera hoe: ''Anà ndraika koà de tegna raika aminanjy iré, fô ny fômba fivôlagnanà de miampanga anà.'' 74 Avaké izy nanômboka nagnozogna sy niniana ké nagnano hoe: ''Tsy fantako zegny lalahy zegny.'' Ké také no aké de nagneno ny akoho. 75 Tsaroan'i Petera ny vôlagna nokoragnin'i Jesosy hoe: ''Mbôla tsy magneno akoho de handà Zaho intelo anà.'' Avaké izy niboaka kè nitomagny mafy.