Tôko faha 25

1 Ny fanjakan'ny lanitra dé ho karaha ny virjina folo izay nalaka ny jirony ka nandeha nihaona tamin'ny mpampakatra. 2 Föka ny dimy tamin'izy iré fa ny dimy ndraika hendry. 3 Kôfa nitondra iré jirony iré virjina föka, de tsy nitondra solika niaraka taminy. 4 Fô iré virijina hendry kosa de nitondra fikajiagnan-tsolika niaraka tamin'ny jirony. 5 Kôfa tara ny mpampakatra, de taitaitra zaré jiaby ka nandry. 6 Fô tamin'ny sasak'alina de nisy nagnantso mafy hoe: "Itô, ny mpampakatra! Mivoaha mba hitrötrö aminy." 7 Avaké nifoha iré virijina jiaby kè nikarakara ny jirony. 8 Aozin'iré adala tamin'iré hendry hoe: "Mbô amia ampahany amin'ny solikaré izahay fô efa ho faty ny jironay. 9 Kè namaly iré hendry kè nivôlagna hoe: "Sao de tsy ho ampy ho anay sy ho anaré, fô mandihana foagna akany amin'iré mpivarotra ké mividiana ho an'ny tegnanaré." 10 Kô fa nandeha nividy izy iré ré, dé tonga ny mpampakatra, ary izay efa vognona de niara-nandèha taminy ho akô amin'ny fanasam-panambadiagna, kè nividy ny vavahady. 11 Kôfa afaka izégny de tonga ihany koa iré virijiny sasany ka nivôlagna hoe: 'Tompoko, Tompoko, mba vahao izahay'. 12 Fô namaly izy kè nivôlagna hoe: 'Volagniko marigna aminaré, tsy mahafantatra anaré izaho.' 13 Kè noho izégny mihambena, fa tsy fantatraré ny andro na ny ora. 14 Fô izégny de karaha ny lalahy raika izay handeha ho agny amin'ny firenen-kafa. Nagnantso ny mpanompony izy kè nampitantana ananjy iré ny haregnany. Ny raika taminjaré iré namiagna talenta dimy, 15 ny raika hafa namiagna roa, ary ny raika hafa ndraiky namiagna talenta araiky. Ny tsiraikaika de somby nandray talenta araka izay fahezagny avy, ké nénga tamin'ny diàny izégny lalahy izégny. 16 Ny raika izay nandray talenta dimy de nénga takéo kéo ké nampiasa ananjy iré. 17 Karaha izégny koà ilay raikia izay naharay talenta aroa nahazo aroa hafa. 18 Fô ilay mpanompo araika kosa, nandeha ké niady lavaka tamin'ny tany, ké nandevina ny vôlan'ny tompony. 19 Ary tafaran'ny fotoagna ela de nierigna ny tompon'iré mpanompo iré ké nandamin-draharaha taminjaré ré. 20 Niditry ilay mpanompo izay nandray talenta dimy no sady nitôndra talenta dimy hafa. Ahozy hoe: ''Tompoko, namianà talenta dimy zaho. Indro, nanatômbo talenta dimy hafa zaho.'' 21 Ahozy ny tompony taminanjy hoe: ''Tsara izégny, ry mpanompo tsara sady mahatôky! Nahatôky tamin'ny raha tsy maro anà. Zaho hampihandraikitra anà amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifaliàn'ny tomponà.'' 22 Ilay mpanompo izay naharay talenta aroa de nagnantona sy nivôlagna hoe: ''Tompoko, naminà talenta aroa zaho, indro, nagnatômbo talenta aroa hafa zaho.'' 23 Nivôlagna ananjy ny tompony hoe: 'Tsara izégny, ry mpanompo tsara sady mahatôky! Nahatôky tamin'ny raha tsimaro anà. Zaho hampihandraikitra anà amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifaliàn'ny tomponà.' 24 Avy také ilay mpanompo izay naharay talenta araika nagnantona no sady nivôlagna hoe: ''Tompoko, haiko fô lalahy masiàka anà. Mijinja egny amin'izay tsy namafazanà, anà no sady manangom-bokatra egny amin'izay tsy nambolenà. 25 Natahotra zaho, ké nandeha ké nanafigna ny talentanà takô anatin'ny tany. Zahavo, indro izay anà.'' 26 Ary namaly ananjy ny tompony ké nagnano taminanjy hoe: 'Anà ry mpanompo ratsy sady malaigna, hainà fô zaho de minjinja egny amin'izay tsy namafazako sy manangom-bokatra egny amin'izay tsy namboleko. 27 Noho izégny de tôkony namianà ny mpanjana-bôla ny vôlako, izikoà niherigna zaho de nandray ny anahy miaraka amin'ny antômbony. 28 Noho izégny alévo agny amin'ny talénta ké amezo ho an'ilay panômpo izay managna talénta fôlo izégny. 29 Fô zay jiaby managna de hamegna be kokoà-mihoatra lavitry aza. Fô ho an'iré izè tsy managna na ino na ino koà, na zay hananany aza dia ho esorigna aminanjy. 30 Ariào agny amin'ny mizigna agny ivelagny ny panompo tsy mendrika, agny no misy ny fitômaniagna sy ny fikotrôha-nify. 31 Izikoà tônga amin'ny voninahitrany ny Zanak'ôlogna sy ny anjely jiaby miaraka Aminanjy, de hipétraka aké amin'ny sezy fihandrihanan'ny voninahitrany Izy. 32 Ary ny firenegna jiaby de hangonina aké anatrehany, ké hivavaka ny ôlogna iraika amin'iraika hafa Izy, karaha ny mpiandry ondry magnavaka ny ondry amin'ny osy. 33 Hamétraka ny ondry ho aké ankavanany izy, fô ny osy aké ankaviàny. 34 Ary ny mpanjaka hivôlagna amin'iré zay aké an-tanagna ankavagnany hoe: 'Avià, anarè zay notahian'i Raiko, mandovà ny fanjakana zay efa voahomagna ho anaré hatrizay nagnorenagna an'izao tontôlo zao. 35 Fô voasiloana Zaho de namianaré hanigna; tihinan-drano Zaho de namianaré ho sotroigna; nivahiny Za de nampandrosoinaré; 36 nibolaina Zaho de nampitafianarè; narary Zaho nokarakarainaré; ary tany am-ponja Zaho de nakany Aminahy anaré.' 37 Ary iré marigna de hamaly sy hivôlagna hoe: 'Tompo, oviagna zahay no nahita anà voasiloana ké namahana Anà? Na tihinan-drano ké nampisotroanay? 38 Oviagna Anà no hitanay nivahiny ké nampandrosoinay? Na nibolaigna ké nampitafianay? 39 Oviagna zahay no nahita Anà narary na tagny am-ponja ké nakagny aminà? 40 Ary ny mpanjaka namaly ké nivôlagna ananjy irè hoe: 'Vôlagniko marigna aminaré, zay nataonaré tamin'iregny rahalahiky hely indrindra iregny, de nataonaré tamiky.' 41 Ary izy hivôlagna amin'iré zay akè ankaviany hoe: 'Mialà aminahy, Anaré zay voahozogno, ho agny amin'ny afo mirehitra mandrakizay zay efa voahômana ho an'ny devoly sy iré anjeliny, 42 satrià voasiloana Zaho, fô tsy namianaré hanigna; tihinandrano Zaho, fô tsy namianaré hosotroigna; 43 nivahiny Zaho, fô tsy nampandrosoanaré; nibolaigna Zaho, kanéfa tsy nampitafianaré; narary sy takô am-ponja Zaho, fô tsy nokarakarainaré.' 44 Kè de hamaly koà zaré rè kéde nivôlagna hoe: 'Tompo! Oviagna zahay no nahita Anà voasiloana, na tihinan-drano, na nivahiny, na nibolaigna, na narary, na tagny am-ponja, ké tsy nanompo Anà? 45 Ary Izy hamaly ananjy irè ké hivôlagna hoe: 'Volagniky marigna aminarè, fô zay tsy natônaré tamin'iraika tamin'irè madinika iré, de tsy natônaré taminahy.' 46 Iré de halefa ho akô amin'ny fanasazina mandrakizay fô iré marina ndraika akô amin'ny fiainagna mandrakizay.''