Tôko faha 24

1 Nivôaka ny tempoly Jesosy ké lasagna nandèha. Nagnatogna ananjy iré mpianatrany mbô hagnatoroagna ananjy ny rafitrany tempoly. 2 Néfa namaly izy ké nivôlagna tamin'jaré ré hoe: ''Tsy hitanaré vô iré raha jiabijiaby iré? Volagniko marigna aminaré, tsy ho isy vato ho tavèla amin'ny araiky hafa izay tsy ho ravàgna.'' 3 Kô nipètraka také an-tendrombohitr'Oliva Izy, de nagnatogna ananjy mangingina iré mpianatrany kè nivôlagna hoe: ''Zakèo anay, hoviagna iré raha jiabijiaby iré no hivôaka? Ino no famataragna ny fahatongavanà sy ny fara-andro?'' 4 Namaly Jesosy kè nivôlagna ananjy iré hoe: ''Mitandréma mbô tsy hisy hamitaka anaré.'' 5 Fô ho fôntry ny ho avy amin'ny agnarako. Kè hivôlagna zaré ré hoe: 'Izaho no kristy,' kè fôntry no ho voafitaka. 6 Haregny ady sy tatitr'ady anaré. Mitandréma mbô tsy hitaitaigna anaré, fô tsy maintsy hipoitra izégny raha jiaby izégny; kanéfa tsy mbôla tônga ny faragny. 7 Fô hisy firenena hitsangana hanôhitra firenena, ary fanjakana hanôhitra fanjakana. Hisy siloagna sy horohon-tany amin'ny toerana samby hafa. 8 Kanefa izégny raha jiaby izégny de fiandohan'ny fanaintainan'ny fitirahagna foagna ihany. 9 Ké ho atolotranjaré ré ho amin'ny fahoriagna anaré ké ho vonoiny. Ho halany firenena jiaby anaré nohon'ny anarananahy. 10 Ary fôntry ny ho tafitohigna, ké hifamadika sy hifankahala ny tsiraikaraika. 11 Mpaminagny sandoka fôntry no hisangana ké hamitaka ôlagna fôntry. 12 Satrià ny faharatsigna de hitômbo, ké fôntry ny hihamangatsika ny fitiavany. 13 Fô ilay raika izay miharitra katramin'ny farany de ho voavonjy. 14 Itô filazantsaran'ny fanjakana tô de ho toriagna erak'izao tontôlo izao ho vavolambelogna amin'ny firenena jiaby. Avy aké de ho tônga ny faragny. 15 Noho izégny, kô mahita ny fahavetavetan'ny fandravagna anaré, izay nivolagnin'i Daniela mpaminany, de hitsangana aké amin'ny toeragna masigna anaré'' (ôka ny ampamaky hahatakatra), 16 ''ôka iré izay agny Jodia hilefa ho agny an-tendrombôhitra, 17 ôka izey akô an-tampon'ny tragno tsy hirôrogno halaka raha avy akô an-tragnony, 18 ary ôka izay agny anatiala tsy hierigna halaka ny lambany. 19 Fô loza ho an'iré bikibo sy mampinono amin'izègny andro izégny! 20 Mivavaha mbô tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny Sabata no hisehoà ny filifasanaré. 21 Fô hisy fahoriana matômboko, izay tsy mbôla nisy karaha izégny hatragny am-piandohan'izao tontôlo izao mandrak'ankehitriny, tsia, ké tsy hisy intsony. 22 Izikoà tsy afoizigna iré andro iré, de tsy hisy nôfo ho vonjegna. Fô nohon'ny ôlom-boafidy, de hafohezigna iré andro iré. 23 Izikô misy ôlogno mivôlagna aminaré hoe: 'Itô, ilay Kristy' na, arô ilay Kristy' de aza mino izégny. 24 Fô ny Kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka de ho avy aké hampiseho fahamantaragna matômboko sy raha mahagaga, mbô hametsy, kô azo atô ià fô na iré ôlom-boafidy aza. 25 Indro efa, nivolagniky anaré mialôhan'ny fotoagna. 26 Kè izagny, kô mivôlagna anaré izy iré hoe: 'efa, angy an-efitra,' dé aza mandeha an-efitra. Na hoe 'igny, agny anaty efitragno izy' de aza mino izègny. 27 Fô karaha raha izay mibiagna avy akagny antsinanana ka mazava foagna andrefana, dé karaha izègny ny fahatongavan'ny Zanak'ôlo. 28 Na akaiza na akaiza misy biby maty, de akagny no hivorian'ny voltara. 29 Kôfa vao afaka ny fahoriagna amin'iré andro iré de ho maizigna ny masoandro, tsy agnamia ny hazavagna ny volagna, hilatsaka avy akagny an-dagnitra ny kintagna, avaké hietsiketsika ny herin'ny lanitra. 30 Avaké de hivoaka aké amin'ny lanitra ny famantaran'ny Zanak'ôlo, kè ny foko jiaby ambon'ny tany hisaona. Hahita ny Zanak'ôlo tonga amin'ny rahogna ny lanitra miaraka amin'ny hery sy voninahitra maventy izy iré. 31 Mandefa iré anjeliny izy miaraka amin'ny feo trompetra mafy, kè hamory ny ôlom-boafidiny avy akagny amin'ny vazan-tany efatra izy iré, manomboka amin'ny faravodilagnitra kè hafarany amin'ny hafa. 32 Mianara ny lesogna avy amin'ny aviavy. Kôfa vantany kofa matoy ny sampana ary mamoaka ny raviny, dé fantatraré fô miamariny ny fahavaratra. 33 Karaha izègny koa, kôfa mahita izègny raha jiaby izégny ianaré, dé tokony ho fantatraré fô efa mariny izy, akeo amin'iré vavahady foagna. 34 Volagniko marigna aminaré, fô tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pivoahan'ny raha jiaby izegny. 35 Tsy hisy koza ny lanitra sy ny tany, fô ny koragniko de tsy ho levogna mandrakizay. 36 Kanefa ny mahakasika izegny andro sy ora izegny de tsy misy mahafantatra, na ny Anjelin'ny lanitra aza, na ny Zanaka lalahy, fa ny Ray fôgna. 37 Karaha ny tamin'ny fotoagnan'i Noa, dé karaha izegny foagna koa ny fahatongavan'ny Zanak'ôlo. 38 Fô karaha tamin'iré andro mialôhan'ny safo-drano dé nihinagna sy nisotro izy iré, nanambady sy nampakarigna mandra-pahatongan'ilay andro nidiran'i Noa takô anatin'ilay sambo fiara, 39 kè tsy nahafantatra na ino na ino izy iré mandra-patôngan'ny safo-drano kè nandringana ananjy jiaby-de karahanjagny ny fihatongavan'ny Zanak'ôlo. 40 Kè avake hisy lalahy roa akagny agnantialany raika ho raisigna, ary ny raika ho avela. 41 Vahiavy roa no hitoto vary - ny iraika ho raisina, kè ny iraika ambela. 42 Kôfa izagny de miambena, fô tsy fantatraré izay fotoagna hatongavan'ny Tomponaré. 43 Fô fantaro izao, kô fantatry ny tompon-trano hoe amin'ny firy aligna no hatongavan'ny mpangalatra, de ho niambigna izy ké tsy nagnambela ny tranony ho vaky. 44 Ké izegny de tsy maintsy mivognona ihany koa anaré ré, fô ho avy ny Zanak'ôlogno amin'ny ora tsy ampoizinaré. 45 Kè izôvy moa ilay mpanompo mahatoky sy hendry izay nasain'ny tompony hanapaka ny ankohonany mba amiagny ananjy iré ny sakafon'izy iré amin'ny fotoagna mety? 46 Sambatra izagny mpanompo izègny izay hitan'ny Tompony fa magnano izagny kôfa tonga izy. 47 Volagniko marigna aminaré fô ny tompony no hanapaka ananjy ho ambonin'ny raha jiaby izègny anagnany. 48 Kôfa misy mpanompony ratsy mivôlagna akô am-pony hoe: 'Ela fahatongavana ny tompoko', 49 ka manomboka mamono iré manompo namany, sy mihinagna ary misotro miaraka amin'iré mpimamo; 50 de ho avy ny tompon'ilay mpanompo amin'ny fotoagna izay tsy ampoiziny ke amin'ny ora izay tsy fantany. 51 De ho kapakapain'ny tompony izy kè ho ataony karaha an'iré mpihatsaravelatsy ny anjarany, izay hisy fitomanina sy ny fikotroha-nify.