Tôko faha 23

1 Ary Jesosy nivôlagna tamin'iré fokon'ôlogno sy iré mpianatrany. 2 Aoziny hoe: ''Iré mpanôra-dalàgna sy iré fariseo de mipetraka aké amin'ny fipitrahan'i Mosesy.' 3 Noho izégny na ino na ino andidianjaré ré anaré ho atô, de atôvy iregny raha iregny ké mitandrema ananjy iré. Fô aza alaigna tahaka ny asanjaré ré, satrià zaré ré de mikora-draha kanéfa avy aké tsy magnano izégny 4 Ka, fatôranjaré ré ny entamavesatra izay sarotra indôsigna, ary avy aké de apetrakanjaré ré aké amin'ny soroky ny ôlogno. Fô tsy hanetsika ny ratsan-tanana raika aby ny tegnanjaré ré mbô hotôndra ananjy iré. 5 Magnano ny asany jiaby zaré ré mbô ho hitan'ôlogno. Fô atônjaré ré malalaka ny filakiterany, ké itarinjaré ny morondambany. 6 Tian'jaré ré ny toeran'ny manan'kaja agny amin'ny fagnasagna sy ny toeran'ny lehibe akô amin'ny synagoga, 7 sy ny fiharabagna miavaka aké am'pivarotagna, ké mbô antsôvin'ologna hoe 'Raby'. 8 Fô ianaré tsy mahazo antsovigny hoe: 'Raby', fô araiky foàgna ny mpampianatranaré, kè mpirahalahy anaré jiabijiaby. 9 Kè aza magnantso ny ologno aty an-tany hoe rainaré, fô araiky foàgna ny rainaré, kè izy de agny an-danitra. 10 Ianaré aza magneky antsovigna hoe: 'Mpampianatra', fô araiky foàgna ny mpampianatraré, de i Kristy. 11 Fô izay lehibe indrindra amin'naré no ho mpanomponaré. 12 Na izovy na izovy magnambony tegna de ahetry, ké na izovy na izovy magnambany ny tegnany de hasandratra. 13 Fô lozanaré, ry mpanora-dalàgna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô arindrinaré amin'ny ôlogna ny fanjakan'ny lagnitra. Fô anaré tsy mampiditra ny tègnanaré, kè tsy avelanaré iré zay mitady hiditra. 14 [Fanamarihagna: Ny antotan-taratasy talôha de tsy ahitagna ny fehezanteny hoe: 'Fô lozanaré, ry mpanora-dalàgna sy ny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô mandany ny tragnon'ny mpitondra tégna, ké magnano vavaka lavareny anaré. Noho izégny de hahazo fagnamelohagna be ianaré.'] 15 Lozanaré, ry mpanôra-dalàgna sy ny fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô mandeha mitety ny ranomasigna sy ny tany anaré mbô hampiôva fô ny ôlogna araiky, ké kôfa miôvy izy, de atônaré ny zanaky ny helo ambo roy heny mihoatra indroy noho anaré izy. 16 Lozanaré, ry mpitarika jamba, anaré izay mivôlagna: 'Na zôvy na zôvy mianiana amin'ny tempoly, de tsisy dikany izégny. Fô na zôvy na zôvy mianiana amin'ny vôlamenan'ny tempoly, de voafatotry ny fianianany izy.' 17 Anaré ry jamba mahôla! Zôvy no mahaventy kokoà, ny vôlamena sa ny tempoly izay magnano ny vôlamena masigna? 18 Ary na zôvy na zôvy mianiana amin'ny alitara, de tsisy dikany izégny. Fô na zôvy na zôvy mianiana amin'ny fanatitra izay aké ambonin'izégny, de voafatotry ny fianianany izy.' 19 Anaré ry ôlogno jamba! izôvy no maventy kokoà, ny fanatitra sa ny alitara izay magnano ny fanatitra ho masigna? 20 Noho izégny, izay mianiana amin'ny alitara de mianiana amin'izègny sy amin'ny raha jiaby aké amboniny. 21 Ny araiky izay mianiana amin'ny tempoly, de mianiana amin'izègny sy amin'izay mipetraka aké aminanjy, 22 ary ny araiky izay mianiana amin'ny alitara, de mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy aminy izay mipetraka aké ambonin'izégny. 23 Lozanaré, ry mpanôra-dalàgna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô magnefa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina anaré, fô anaré de mankatoa ny raharaha mavesa-danja kokoà amin'ny lalàna de ny rariny sy ny famindram-pô ary ny finoagna. Fô iré no tôkony natônaré ké tsy tôkony nambelanaré ho tsy vita ny raika hafa. 24 Anaré ry mpitarika jamba, anaré izay minivana lalitra kanéfa miteligna raméva! 25 Loza ho anaré, ry mpanôra-dalàgna sy fariseo mpiatsaravelatsihy! Fô diovinaré ny ivélan'ny kampoàka sy ny lasety, kanéfa ny akô anatiny de feno fitsiriritana sy filagna. 26 Anaré ry fariseo jamba! Diovy alôha ny akô anatin'ny kapoàka sy ny lasety mbô ho lasa mady hiany koà ny ivèlany. 27 Loza ho anaré, ry mpanôra-dalàgna sy fariseo mpihatsaravelatsihy! Fô anaré de karaha ny tragnomanara voaloko fotsy; izay tsara ivelany, fô ny akô anatiny kosa de feno ny taolam-paty sy ny loto jiaby. 28 Karaha izégny fogna koà, ety ivelany anaré miseho ho marigna aké amin'ny ôlogno, kanéfa ny akô anatinaré de feno fihatsaram-belatsihy sy heloka. 29 Loza ho anaré, ry mpanôra-dalàgna sy fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fô monorigna ny tragnomanaran'ny mpaminany anaré ké manaingo ny tragnomanaran'ny ôlo-marigna. 30 Aozy anaré hoe: 'Kô niaina tamin'ny andron'ny razambetsika atsika, de tsy ho nandray anjara niaraka taminjaré ré tamin'ny fandatsahana ny ràn'ny mpaminany atsika'. 31 Noho izégny de mijoro vavolombelogno amin'ny tegnanaré anaré fô zanakan'iré izay namono ny mpaminany. 32 Anaré hiany koà de nahafeno ny fahotan'iré razambenaré, 33 anaré ry bibilava, anaré ry taranaky ny mantongoro, ahoagna no hilifasanaré ny fagnamelohana ho agny amin'ny helo? 34 Noho izégny, indro, magnasa mpamigny sy ôlon-kendry ndraiky mpanôra-dalàgna ho anaré Zaho. Ny sasany aminjaré ré de ho vonoinaré sy hombohanaré; ary ny sasany ho lamohinaré ké hiala akô an-tanàna. 35 Ny vokatr'izégny de hanody anaré ny rà marigna jiaby izay nalatsaka takéto an-tany, nanômboko tamin'ny ràn'i Abela marigna, ké hatramin'ny ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, izay novonoinaré také anelanelan'ny fitoerana masigna sy ny Alitara. 36 Vôlagniko marigna aminaré, fô ny razanaré jiaby de ho tônga amin'itô taranaka itô. 37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, anà izay mamono ny mpaminany sy mambalavala izay asaina ho aminà! Impiry Zaho no magniry ny hanangona ny zanakanà miaraka, karaha ny akaho vaviny araiky manangona ny akoho hely akô ambany elatrananjy, kanéfa tsy nagneky anaré! 38 Indro, ny tranonaré no ambéla ho anaré. 39 Fô volagniky aminaré, hatraminjô, tsy hahita Anahy tokoàtra anaré mandra-pivolananaré hoe: 'Isaorana ane izay avy amin'ny anaran'ny Tompo.'''