Tôko faha 22

1 Nivôlagna tamin'ny fagnoharagna tamin-jaré ré ndraiky Jesosy, nagnano hoe: 2 ''Ny fanjakan'ny lagnitra de mitôvy amin'ny mpanjaka zay nagnomagna fagnasagna amin'ny fampakaram-bady ho an'ny zanany lalahy. 3 Nagnasa iré mpanompony hagnatso irè zay nahazo fagnasana hagnatrika ny lagnonam-pampakaram-bady izy, fô tsy nety ho tonga zaré ré. 4 Nandefa iré mpanompony hafa ndraiky ny mpanjaka, magnano hoe: 'Ivolagno iré zay nasaigny hoe: ''Zahavo, efa nikarakaraiko ny hanignako. Efa nivonigny ny aomby sy ny zanak'aomby mifahianahy, ary efa vognogno ny raha jiaby. Tongava akô amin'ny lagnonam-pampakaram-bady.''' 5 Kanefa tsy niraharaha zaré ré ary lasagna nandeha, ny araiky namonjy ny toeragna fitarimiagnany, ny hafa tamin'ny raharaham-barotrany. 6 Iré sanany nanambotra iré mpanompon'ny mpanjaka, nagnala baraka ananjy iré, sady namono ananjy iré. 7 Vignitra ny mpanjaka ké nagnasa ireo maramilany, sady namono mpamono ôlogno iré zaré ré, sady nagnoro ny tanàgnany. 8 Avy také nivolagna mpanompony izy hoe: 'Efa vonogna ny fampakaram-bady, fô iré izay nasaigna no tsy mendrika. 9 Noho izegny mandehana eny amin'ny sampanan-dalabe ary magnasa ôlogno maro araka izegny hitanaré ho ao amin'ny lagnonagnam-mpampakaram-bady.' 10 Nandéha nivoàka tagny amin'ny lalan-dehibe iré mpanompo ké nanambatra ny ôlogna jiaby izay hitan'izy iré, na ny ratsy. Noho izegny de feno vahiny ilay efi-tragno lehibe nisy ny fampakaram-bady. 11 Fô kôfa niditra ny mpanjaka mbô hizaha iré vahiny, de nahita lalahy tsy manatô lamba fitôndra amin'ny fampakaram-bady izy. 12 Nivôlagna tamin'ny mpanjaka hoe: 'Ry sakaiza, ahoana no hidivanà atô tsy miaraka amin'ny fitafy findôsina amin'ny fampakaram-bady?' Fô tsy tafizaka ilay lalahy. 13 Avy aké nivôlagna tamin'iré mpanompony ny mpanjaka hoe: 'Fatôry ny tagnana sy ny hongotr'itô lalahy itô, ké atsipazo agny amin'ny mizigna agny ivélany Izy, agny no misy fitomagniagna ndraiky fikotroha-nify.' 14 Fô fôntry ny ôlogno nantsovigna, kanéfa vitsy no ho voafidy. 15 Avy takè nandeha iré Fariseo ké nagnomagna ny fômba mety hamandrihagna an'i Jesosy amin'izay nivolagniny. 16 Avy také nasain'izy iré, andeha amin'iré mpianatr'izy iré, niaraka tamin'iré herodianina. nivolagna tamin' i Jesosy izy iré hoe: ''Ry mpampianatra, fantanay fô marigna anô, ké mpampianatra ny lalagn'Andriamanitra amin'ny marigny. Tsy miraharaha ny hevitry ny hafa anô, ary tsy mizaha mitagnila. 17 Noho izegny volagno aminay, ino ny hevitrano? Ara-dalagna ve ny fandoavan-ketra agny amin'i Kaisara sa tsia?'' 18 Nefa azon'i Jesosy ny faharatsiagnan'iré ké nivolagna hoe: ''Nagnino no mitsapa anahy anaré, ry mpihatsaravelatsihy? 19 Atoroy anahy ny farantsa amin'ny hetra.'' Avy také nitondra denaria také aminanjy zaré ré. 20 Ahozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Aninjovy itô sary sy agnaragna itô?'' 21 Nivolagna taminanjy iré hoe: ''An'i kaisara.'' Avy takeo Jesosy nivolagna ananjy iré hoe: ''Amezo an'i Kaisara irè izay an'i Kaisara, ké an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.'' 22 Rehefa naregny izegny izy iré, de gaga. ké niala také amin'izy iré ké nandéha. 23 Amin'izegny andro izegny ihany ny Sadoseo sasany, iré izegny nilaza fô tsy misy fitsangagnana amin'ny maty, nagnatogna ananjy iré, 24 nagnano hoe: ''Ry mpampianatra, Mosesy nivolagna hoe: 'Raha maty ny ôlogno, tsy mananjanaka, de tokony hanambady ny vadiny ny rahalahiny de hanan-janaka ho an'ny rahalahiny. 25 Nisy mpirahalahy fito. Nanambady ny voalôhany ké maty avy také. Lasagna tsy naméla zanaka, navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny. 26 Avy také nagnano raha nitovy amin'izegny ny faharoa, avy také ny fahatelo, karanjegny foagna amin'ilay rahalahy fahafito. 27 Tafara izy jiaby iré, de maty ilay vahaiavy. 28 Ké amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'njovy amin'iré mpirahalahy fito izy? Fô efa nanambady azy izy jiaby iré.'' 29 Kè namaly Jesosy avitaké novôlagna ananjy iré hoe: "Diso anaré, satria tsy mahafantatra ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. 30 Kè amin'ny fitsanganan'ny maty dé sady tsy hanambady ananjy izaré no tsy amiagna ampankarigna. Kanèfa, mitovy amian'iré anjely any an-danitra. 31 Fô momba ny fitsanganan'ny maty, mbôla tsy nivakinaré mô izay nizaken'Andriamanitra taminaré, magnano hoe: 32 'Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitra de tsy Andriamanitry ny maty, fô an'ny velogno." 33 Kôfa narégny izegny iré fokon'ôlogno, de variagna tamin'ny fampianaragna. 34 Kôfa regnin'iré Fariseo ny nampanginan'i Jesosy ny Sadoseo, de niara-nivondrona izaré ré. 35 Ny araiky taminjaré ré, mpahay lalàna, nametra-pagnontaniagna taminanjy, nalaka fagnahy ananjy hoe: 36 "Ry mpampianatra, izovy no maventy be kokoa amin'ny didy akô amin'ny lalàgna?" 37 Nivôlagna taminanjy Jesosy hoe: "Tiavo amin'ny fonaré jiaby, amin'ny fagnahinaré jiaby, draiky amin'ny saignanaré jiaby ny Tompo Andriamanitraré.' 38 Izègny no didy maventy sy vôlôngany. 39 Fô ny didy faharoa de karaha izègny koa: 'Tiavo ny mpiara-belogna aminaré karaha ny tegnanaré.' 40 Amin'iré didy aroa iré no iankignan'ny lalàgna jiabijiaby sy iré mpaminany." 41 Fô kô mbola niaraka nivondrogna iré Fariseo, de nametra-pagnontaniagna ananjy iré Jesosy. 42 Aoziny hoe: "Ino no iritreritraré momban'i Kristy? Zanaka lalahinjovy izy?" Nikoragna taminanjy iré hoe: "zanakan'i Davida." 43 Aoziny Jesosy taminajaré ré hoe: "Nagnino ary Davida nidôko akô amin'ny Fanahy no nagnantso ananjy hoe Tompo, nagnano hoe: 44 'Ny Tompo nivôlagna tamin'ny Tompoko hoe: "Mipitraha aké amin'ny tagnana ankavanagna anahy, mandra-pagnanôvako ny fahavalonà ho fitoeran-tongotranà?' 45 Kô Davida aza nagnantso an'i Kristy hoe: 'Tompo, 'de akôry no maha-zanakan'i Davida ananjy?" 46 Tsisy navôavaly Ananjy tamin'ny koragna, ké tsisy ôlogno nasahy nametraka fagnontaniagna hafa heky nanomboka tamin'izegny andro izegny.