Tôko faha 14

1 Taminjagny fotoagna zagny, Heroda mpanjaka naharegny ny vôvô mikasika an'i Jesosy. 2 Aozy tamin'ireo mpiasany hoe: ''I Jaona mpagnano batisa zagny; nifoha tamin'ny maty izy. Nohonjany de miasa aminanjy akô iré hery irè.'' 3 Fô Heroda nanambotra an'i Jaona, namehy ananjy, avy aké nagnandefa ananjy tagny antragno maizigna noho i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny. 4 Fô aozy Jaona taminanjy hoe: ''Tsy ara-dalàna ho anà ny mana Ananjy ho vadinà." 5 Nagniry ny hamono ananjy Heroda, saingy natahotro iré fokonôlogna izy, satrià noraisin-jaré ré kara n'y mpaminany izy. 6 Fô kôfa tônga ny fitsingerenan'ny andro nahatirahan'i Heroda, de nandihy také tantegnategnan'iré vahiny nasaigna ny zanaka viavin'i Herodiasy ke tian'i Heroda. 7 Ho takalon'izegny, de nampagnategna tamin'ny fianiagnana izy ny hagnamia izay hangatahiny na ino na ino. 8 Kôfa avy notoroan'ny reniny marika, de aoziny izy hoe: ''Amiao anahy aketo, ambonin'ny lasety, ny lôhan'i Jaona mpagnano batisa.'' 9 Nahinankinaka mafy nohon'ny fangatahany ny mpanjaka, kanéfa nohon'ny voady sy noho iré jiaby nihinagna niaraka taminanjy, de nagnamia baiko izy fô tôkony ho vita izégny. 10 Nagnasa ké nampaka ny lôhan'i Jaona takô an-tragnomaizigna izy. 11 Avy aké nindosigna tamin'ny lasety ny lôhan'i Jaona ary namiana ilay zazaviavy ké nindosiny také amin'ny reniny izegny. 12 Avy aké de tônga iré mpianatrany, nalaka ilay faty, ké nandevina izegny. Tafaran'izegny, de nandéha izy iré ké nivolagna tamin'i Jesosy. 13 Izy koà naharegny izegny Jesosy, de niala avy také tamina sambohely araiky izy hakagny amina toeragna mitôkana araiky. kôfa naharegny izegny iré fôkon'ôlogno, de nagnaraka Ananjy an-tôngotro avy tagny amin'iré tanàm-bé. 14 Avy také Jesosy naké anoloagnanjaré ré ké nahita iré fôkon'ôlogno maro bé. Nahinankinaka ananjy iré Izy ké nagnasitragna ny aretignanjaré ré. 15 Kôfa tônga ny hariva, de nenga taminanjy iré mpianatra ké nikoragna hoe: ''Itô de toerana foagna, ké efa tapitra sahady ny andro. Alefaso iré fôkon'ôlogno, mbô hahafahanjaré ré ménga akagny amin'iré tanàna ké hividy hanina ho an'ny tegnanjaré zaré.'' 16 Fô Jesosy nivôlagna anjaré hoe: ''Tsy mila ménga lavitra zaré. Aminaré zaha hoanina zaré.'' 17 Aozinjaré taminanjy hoe: ''Môfo dimy sy laoko arö foagna no hanananay akéto.'' 18 Aozy Jesosy hoe: ''Indosy atô aminahy izégny.'' 19 Avy aké Jesosy nibaiko iré fôkon'ôlogno mbô hipétraka aké amin'ny ahitra. Nalainy iré môfo dimy sy laoko arö. Niandra tagny an-dagnitra, de nisaotra Izy ké nanapatapaka iré môfo ké namiany iré mpianany, ary iré mpianatra nagnamia izégny ho an'iré fôkon'ôlogno. 20 Nihinagna jiaby zaré jiaby ké voky. Avy aké de nangoninjaré ré ny ankeran'iré potikanina ké nahafeno roiambinifôlo tanty. 21 Také amin'ny dimy arivo lahy také iré nihinagna, akoàtra iré zaza mbam-biavy. 22 Avy hatragny de nasainy nakô amin'ny sambohely ké hialôha Ananjy ho eny ampita irémpianany, kô mbôla nandefa iré fôkon'ôlogno Izy. 23 Tafaran'ny nandefasany iré fôkon'ôlogno, de nénga niakatra tegny an-tendrombôhitra araika Izy mbô hivavaka. Kôfa tônga ny hariva, de araika také Izy. 24 Ary ny sambo de efa dila lavitra ny tanety, natopatopan'ny onja, satrià nitsoka nanohitra anjaré ré ny rivotra. 25 Tamin'ny fiambenagna fahefatry ny aligna de nagnantonanjaré ré Jesosy, nandéha tegny ambôny ranomasigna. 26 kôfa nahita Ananjy nandéha tegny ambôny ranomasigna iré mpianatra, de raiki-tahotra ké nivôlagna hoe: ''Angatra io,'' Ké de ny nihaikaika tamin-tahotra zaré ré. 27 Fô Jesosy nivôlagna taminjaré ré avy hatrany hoe: ''Mahereza! Izaho itô! Aza matahotra.'' 28 Namaly Ananjy Petera ké nagnano hoe: ''Tompo, kô Anà i, de asao magnatona Anà egny ambônin'ny rano zaho.'' 29 Aozy Jesosy hoe: ''Magnatôna'' ké de niala avy takô amin'ny sambohely Petera ké nômba také ambôny rano mbô hagnatona an'i Jesosy. 30 Fô kôfa nahita ny rivotra Petera, de nanjary natahatra. Kôfa iny izy nanômboka nijibika iny, de nihaika mafy izy sady nivôlagna hoe: ''Tompo, vonjeo zaho!'' 31 Tônga de nanapatra ny tànananjy nalaky Jesosy, hitana an'i Petera, ké nivolagna taminanjy hoe: ''Anà ry hely finoagna, fô magnino anà no niahiahy?'' 32 Avy aké Jesosy sy Petera nénga homba ny sambohely, nihana nitsoka ny rivotra. 33 Avy aké iré mpianatra takô agnaty sambohely nidera an'i Jesosy ké nivolagna hoe: ''Anà marigna no Zanak'Andriamanitra.'' 34 Kôfa avy niampita zaré ré, de tônga teny an-tanety takô Genesareta. 35 Kôfa nahay an'i Jesosy iré lalahy takô amin'izegny toeragna izegny, de nandefa hafatra tegny amin'ny faritra manodidigna jiaby, ké nindôsinjaré takô Aminanjy izégny ôlogno narary jiaby. 36 Nitaraigna Taminanjy zaré mbô hahafanjaré mikasiky ny morondambany foagna aza, ké fôntry iré nikasika izegny ké nahivagna.