Tôko faha 13

1 Tamin' izegny andro izegny Jesosy nandeha nivoaka ny tragno ké nipetraka také amoron'ny ranomasigny. 2 Nisy fokonôlo maro nivory nagnodidigny anajy, ka de niditry tao an-tsambokely izy ké nipetraka tao amin'izegny, kofa nitsangagna teo amoron-dranomasigny ndreky ny fokonôlo jiaby. 3 Avy take Jesosy nivolagna raha maro taminjaré ré tamin'ny alalan'ny fagnoharagna. Hoy izy hoe: "Indré, nisy mpamboly araiky nandeha nivoaka hamafy voa. 4 Kofa izy namafy igny, dé nisy voa sasany latsaka tamoron-dalagna, ké avy iré vorogna iré ké nihinagna iré. 5 Iré voa hafa ndréky dé latsaka tamin'ny tany be vato, zay tsy nahazo iré nofon-tany tsara. Ke tonga de naniry iré, satria tsy laligny ny tany. 6 Fô kôfa nibiagna ny masôva, de maigny iré satria tsy nisy vahiny, ka de nalazo. 7 Nilatsaka teo amin'ny fatsy iré voa hafa. Naniry iré fatsy ké nangeja ananjy iré. 8 Iré voa hafa nalatsaka tamin'ny tany tsara de namoa voany, ny sasany tonga zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo. 9 Izay manan-tadigny, aoka izy hitan-dregny." 10 Avy iré mpianatra ary nivolagna an'i Jesosy hoe: "Nagnino ana no mikoragna amin'iré vahoaka amin'ny lalan'ny fagnoharagna?" 11 Namaly Jesosy ké nivolagna an-jaré hoe: "Anaré no namiagna antombony hahafantatra iré zava-miafignin'ny fanjakan'ny lagnitry, fa ho ananjy ré de tsy namiagna izany. 12 Satria na zovy na zovy managna, de ho betsaka koa aza no hamiagna ananjy. Fo na zovy na zovy ndreky tsy managnana, zay hanagnany aza halagna aminanjy. 13 Izegny no antony hivolagnako aminjaré ré amin'ny alalan'ny fagnoharagna: Na de mizaha aza zaré,de tsy mahita, ary nadé mitandregny aza zaré ré, de tsy maharegny, na mahazo. 14 Aminjaré ré ny faminaniagnan'Isaia no tanteraka, izay mivolagna hoe: "Kofa mitandregny de haharegny anaré, kanefa tsy hahazo mihitsy; kofa mizaha de hahita anaré, nefa tsy hahatakatra. 15 Fo lasa donto ny fon'itô vahoaka itô, ary mafy tadigny izy ré, ary napinjaré ny masony, mbo tsy hahita amin'ny masonjaré zaré, na aharegny amin'ny tadigny zaré, na hahazo amin'ny fonjaré zaré, ke hibebaka indreky zaré, ary hagnasitragna anjaré zaho.' 16 Fo sambatra ny masonaré, satria mahita; ary ny tadigninaré, satria maharegny. 17 Volagniky marigny aminaré fo mpaminagny sy olo-marigny maro no nagniry ny hahita réraha zay hitanaré, kanefa tsy nahita an'iré. Nagniry nyaharegny iré raha zay regninaré izy re, kanefa tsy naharegny an'iré. 18 Ké tandregneso ariky ny fagnoharagna ny amin'ny mpamboly afaiky izegny namafy ambékony. 19 Kôfa misy maregny ny tenin'ny fanjakana nefa ka tsy mahazo izgny, de tônga ilay ratsy ké magnongotro izay nafafy takao am-pony. Io lay ambeko nafafy teny amôron-dalana. 20 Ilay nafafy tagny amin'ny tany be vato de ny ôlogno izegny naharegny ny teny ary tônga de nandray ananjy am-pifaliagna, 21 Nefa ka tsiambola miorim-paka akô anatigny izy ké de maharitra malakilaky foagna izy. 22 Ilay nafafy tamin'ny fatsy, io de ny ôlogno izegny naharegny ny teny, nefa ka ny fiahiagnan'izao tontolo izao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny, ké de nanjary tsy namoa izy. 23 Ilay nafafy tagny amin'ny tany tsara, io no ôlogno izay naharegny ny teny, ké mahazo izagny. Mamoa voànkazo izy ké mahatonga ny abeko araiky, hanamia avo zato heny mihoàtra izegny namboliàgna, ny sanany enim-pôlo, ny sanany avo telo-pôlo heny.'' 24 Nagnatôro fagnoharagna raika hafa tanjaré ré Jesosy. Aozy hoe: ''Ny fanjakan'ny lanitry de kara ny lalahy araiky izay namafy ambéko tsara tamin'ny sahany. 25 Fô kôfa nandry igny ny ôlogno, de tonga ny fahavalony ké namafy voan-tsiparifary ndraiky koa tamin'ny vary ré de nandeha. 26 Kôfa naniry iré vary sady avy také namokatra iré voany, de nipoitry koa avy také iré voan-tsiparifary. 27 Tonga iré mpiasan'ny tômpon-tany ké nivolagna taminanjy hoe: 'Tompoko tsy namafy ambeko tsara takô amin'ny saha mô anà? Nagnino izy aminjao nanjary misy voan-tsiparifary?' 28 Aozy taminjaré ré hoe: 'Nisy fahavalo nagnano izegny.' Aozy mpiasa taminanjy hoe: 'ké tianà mô ny hadihananay hamôngotro ananjy ré?' 29 Ilay tompon-tany nivolagna hoe: 'Ahé. Satria koà hongotanaré iré tsiparifary anaré de mety voahongotro miaraka amin'iré koa ny vahi-bary. 30 Ambilay hiaraka haniry zaré roa mandrapahatongavan'ny fisangoragna. Amin'ny fotoam-pisangoragna de hivolagna amin'ny mpisangotro zaho ho: ''Alao alôngany iré ahi-dratsy ké fihezo ho fatôragna maromaro mbô handoroagna ananjy ré, fô afompôno akô amin'ny fitoem-bokatranahy ndraiky iré vary.''''' 31 Avy také Jesosy nagnatôro fagnoharagna raiky hafa taminjaré ré. Aozy hoe: ''Ny fanjakan'ny lanitry de karaha ny voatsinampy izay nalain'ny lalahy raiky ké nafafiny takeo amin'ny sahany. 32 Io voa io tokoa voa hely indrindra hafa jiaby. Fô kôfa nagniry akao amin'ny saha. Tônga hazo izegny, mbô hihavian'iré voron'ny habakabaka ké hagnano ny tragnonjaré zaré aké amin'irè rantsany.'' 33 Avy také Jesosy nivolagna ôhatra raiky hafa. ''Ny fanjakan'ny lanitry de karaha karibônaty izay nalain'ny viavy raiky ké nafangarony tamina lafarinina intelo famaragna-pitômbo ny foto-koba manotolo.'' 34 Fagnoharagna no nagnatoroan'i Jesosy iré raha jiaby iré tamin'ny fokon'ôlogno; ary tsy nivolagna na ino na ino taminjaré ré afa-tsy tamin'ny fagnoharagna Izy. 35 Izegny de mbô hahatanteraka izegny nivolagniny tamin'ny alalan'ny mpaminagny, kôfa nivôlagna Izy hoe: ''Izaho hisôka-bava amin'ny alalan'ny fagnoharagna. Hivôlagna raha zay nasitriky hatrizay nagnorenagna izao tontolo izao Zaho.'' 36 Avy také Jesosy nandao iré fokon'ôlogno ké nandeha andrano. Nakao aminy iré mpianany ké nivôlagna hoe: ''Azavéo aminày ny fagnoharagna mômba ilay tsiparifarin'ny saha.'' 37 Namaly Jesosy ké nivôlagna hoe: ''Ilay mamafy ambeko tsara de ny Zanak'ôlogno. 38 Ny saha de izao tontolo izao, ké ny ambeko tsara, iré no zanaky ny fanjakagna. Ny tsimparifary de iré zanak'ilay ratsy, 39 ké ny fahavalo zay namafy anajy iré de ny devoly. Ny fijinjagna de ny fiafaran'izao tontolo izao, ké ny mpijinja de iré anjely. 40 Noho izegny, karaha ny anangonagna sy agnoroagna iré tsimparifary amin'ny afo, no atô kôa amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. 41 Hagnasa irè anjely ny Zanak'ôlogno, ké ho angonin-jaré ré hiala amin'ny fanjakany irè raha jiaby izay mahatônga fahotagna, sy iré izay magnano ratsy. 42 Ké atsipin-jaré ré akô amin'ny lafôro maventy be mirehitra afo izy iré, izay hisy ny fitomagniana sy ny fikitroha-nify. 43 Avaké hamiratra karaha masoandro akô amin'ny fanjakan'ny Ran'izy iré ny ôlo-marigny. Izay mana-tadigny aoka izy hitandregny. 44 Ny fanjakan'ny lagnitra de karaha hariagna izay mivony akô amin'ny saha araiky. Nisy lalahy nahita izegny ké nasitriny. Nandeha tamin'ny hafaliagnany izy, nambidiny izay raha nananany, ké nividy io saha io. 45 Ké kôa, ny fanjakan'ny lagnitry de karaha ny lalahy izay mpivarotro mitady voahangy lafo vidy. 46 Kôfa nahita voahangy araiky izay tegna lafo vidy izy, de nandeha ke nivarotra izay jiaby nananany ke nividy izegny. 47 Ké kôa, ny fanjakan'ny lagnitra de karaha ny harato izay natsipy tagny andranomasigny, ké nanangogno iré karazan-draha-manan'aina jiaby. 48 Kôfa feno izegny, de nisintonin'iré mpagnarato ho aké amoron-dranomasigny. Avaké izy iré nipetraka ke nanangogno iré raha tsara ho akô amian'ny fitoeragny, fô iré raha tsy ilaigny ndreky narian-jaré ré. 49 Ho karanjegny amin'ny fiafaran'izao tontolo izao. Ho avy iré anjely ké hagnasaraka iré ratsy fagnahy amin'iré marigny. 50 Ho atsipin-jaré iré akô amin'ny fandoroagna maventy be mirehitry afo izy iré, zay hisy ny fitomagniagna sy fikitroha-nify. 51 Mazava aminarè mô izegny raha jiaby izegny?'' Aozy iré mpianany taminanjy hoe: ''Ia.'' 52 Avy také Jesosy nivôlagna tamin-jaré ré hoe: ''Noho izegny ny mpanora-dalàgna jiaby izay lasa mpianatra eo amin'ny fanjakan'ny lagnitra de karaha ny lalahy tompon-tragno araiky, izay mamoaka iré raha tranaigny sy iré raha vaovao avy akô amin'ny hariagnany.'' 53 Avy také rehefa nahavita iré fagnoharagna iré Jesosy, de niala tamin'izé toeragna izegny Izy. 54 Avy také Jesosy niditry tao amin'ny taniny manôkagna ké nampianatra irè vahôaka tao amin'ny synagogan-jaré ré. Vokatr'izegny de talanjogno zaré ré ké nivôlagna hoe: ''Avy akéza no nagazon'itô lalahy itô ny fahindriagnany sy iré fahagagagna iré? 55 Tsy io lalahy io mô no zanak'ilay mpandrafitra? Tsy Mary mô no hagnatsôvagna ny mamany? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ndraiky Jodasy mô no rahalahiny? 56 Tsy miaraka amintsika mô iré anabaviny jiaby? Avy akéza no nazahoany iré raha jiaby iré?'' 57 Tohigny nohon'ny aminanjy zaré ré. Fô aozy Jesosy tamin-jaré ré hoe: ''Tsy misy mpaminagny tsisy hajany raha tsy akô amin'ny firenegnany sy akô amin'ny fianakaviagnany foagna.'' 58 Tsy de nagnano fahagagagna be takô Izy nohon'ny tsy finoan-jaré ré.