Tôko faha 12

1 Tamin'izegny fotoagna izegny Jesosy nandeha namakivaky ny hôraka tamin'ny sabata. Tihinagna iré mpianany ké nanampôgno nisangotra taho-mbary de nihinagna iré. 2 Kanéfa noho ny hitan'iré Fariseo izegny, de aozin-jaré tamin'i Jesosy hoe: "Zahavo, iré mpianatranà magnano izay tsy ara-dalàgna ny magnano ananjy amin'ny Sabata.'' 3 Fô Jesosy nivolagna ananjy iré hoe: ''Mbola tsy ary nivakinaré mô ny raha nataon'i Davida, kôfa tihinagna izy, sy iré lalahy jiaby niaraka taminanjy? 4 Niditra takô amin'ny tragnon'Andriamanitra izy ké nihinagna ny môfon'ny fagnatrehagna, izay tsy ara-dalagna ho ananjy kôa hoaniny sady tsy ara-dalagna ho an'iré izay niaraka taminanjy, kanefa ara-dalagna ho an'ny lôhan'ny mpisôrogno araiky foagna. 5 Tsy mbôla nivakinaré mô ny akô amin'ny lalàgna, fô amin'ny sabata iré mpisorogno akô an-tempoly de manota ny sabata kanefa tsy manan-tsiny? 6 Kanefa volagniko aminaré fô aketo ny araiky maventy noho ny tempoly. 7 Kôa fantatranaré ny hevitry ny hoe: 'Famindram-pô no iriako fô tsy sôrogno,' de tsy nagnameloko ny tsy manan-tsigny anaré. 8 Fô ny zanak'ôlogno no Tômpon'ny sabata.'' 9 Avy také Jesosy niala takô ké niditra takô amin'ny synagôgan-jaré. 10 Indré, nisy lalahy izay malemy tagnana také. Nagnontany an'i Jesosy iré fariseo, nagnano hoe: ''Ara-dalàgna mô ny magnasitragna amin'ny sabata?'' Mbô hiampangan-jaré ré ananjy amin'ny fahotagna. 11 Aozy Jesosy tamin-jaré ré hoe: ''Ologno zôvy aké aminaré, izôvy, koa ondry araiky foagna no anagnany, ké koa latsaka agnaty lavaka laligny lé ondry amin'ny sabata, no tsy hanambotro ananjy ké tsy hampakatra ananjy? 12 Tsy manan-danja mihoatra lavitry, mô, ny ôlogno noho ny ondry! Ké noho izegny de ara-dalàgna ny magnano soa amin'ny andro Sabata.'' 13 Avy také aozy Jesosy tamin-dralalahy hoe: ''Amparo ny tagnanà.'' De namparigny izegny, ké niherigny ny fahasalamanagny, karaha ny tagnany hilagny. 14 Fô nivoaka iré fariseo ké ny tetiky ny hamono Ananjy. Nizaha hevitry ny amin'ny fômba tôkony hamonoagna Ananjy zaré ré. 15 Kôfa nahafantatra izegny Jesosy, de niala také Izy. Ologno maro no nagnaraka Ananjy, ké nampahivagniny zaré jiaby. 16 De nandidy anjaré ré Izy mbô tsy hagnatoro Ananjy amin'ny ôlon-kafa, 17 mbô hahatanteraka, izay efa natoro tamin'ny alalan'Isaia mpaminagny, magnano hoe: 18 ''Zahavo, ny mpanompoko zay nifidiky; ry lay malalako, zay tegna sitran'ny fagnahiko. Hapetrako akô aminanjy ny fagnahiky, ké hagnatoro ny fitsaragna amin'ny Jentilisa izy. 19 Tsy hifanditra na hagnantso mafy izy; ké tsy hisy ôlogno haharegny ny fehony egny an-dalàgna. 20 Tsy hanapaka ny volotara tôrotôro izy; tsy hamono zay lahin-jiro magnemboko, mandra-pagnaovany ny rariny ho fandresegna, 21 ké amin'ny agnarany no hanagnan'iré Jentilisa fagnantegnana.'' 22 Avy také nisy ôlogno jamba sy moä, nipitrahan'ny demonia, nindosigny také amin'ny Jesosy. Nisitraniny izy, vokatr'izegny de nivolagna sy nahita lay moä. 23 Gaga iré fokonôlo jiaby ké nivolagna hoe: ''Mety io lalahy io vô no zanak'i Davida?'' 24 Kanefa kofa naharegny izegny fahagagagna izegny iré Fariseo, de aozin-jaré ré hoe: ''Io lalahy io de tsy mamoaka demonia koa tsy amin'ny Belzeboba, lehiben'ny demonia. 25 ''Kanefa fantan'i Jesosy ny eritreritran-jaré ré ké nivolagna ananjy ré Izy hoe: ''Ny fanjakagna jiaby miady an-dragno de tsy haharitry, sady ny tanàgna na tragno jiaby miady an-dragno de ho rava. 26 Koa mamoaka satana ny satana, de miady an-dragno izy. Akory noho izegny no hijoroan'ny fanjakagnany? 27 Ke koa mamoaka iré demonia amin'ny alalan'i Belzeboba zaho, de amin'ny alalan-jôvy zegny no androahan'ny zanakaré ananjy ré? Noho zegny antony zegny de ho mpitsaranà zaré ré. 28 Kanefa koa mamoaka iré demonia amin'ny alalan'ny fagnahin'Andriamanitra zaho, de efa tonga aminaré ny fanjakan'Andriamanitra. 29 Amin'ny fômba akôry no ahafahan'ny ôlogno miditry akô an-dragnon'ny lalahy mahery sady malaka iré fanagnany koa tsy tadiagna lay lalahy mahere? Avaké malaka iré fanagnany akô an-dragnony izy. 30 Izay tsy mômba anahy de manohitsy anahy, ké zay tsy mitambatra miaraka aminahy de miparitaka. 31 Noho zegny volagniko aminaré fô, ho vôvela heloko ny ôlogno amin'ny fahotagna sy fivolagnan-dratsy jiaby, fô ny fivolagnan-dratsy amin'ny fagnahy Masigny de tsy hazahoagna famelan-keloka. 32 Na zovy na zovy mivolagna manohitry ny Zanak'ologno, de ho vôvela izy. Fô na zovy na zovy mivolagna manohitry ny Fagnahy Masigny, de tsy ho vôvela izy, na amin'izao fiainagna izao, na amin'izay ho avy. 33 Ataovo tsara ny kakazo de hamoà tsara izegny, na ataovo ratsy ny kakazo de hamoà ratsy izegny, fo fantatra amin'ny vihiny ny kakazo. 34 Anaré taranaka ny menaragna, satria ratsy fagnahy anaré, ké akory no afahanaré mivolagna raha tsara? Fô avy avy amin'ny habezan'ny akô am-po no ivolagnan'ny vavany. 35 Ny ôlogno tsara avy amin'ny hariagna tsara akô am-pony de mamokatra zay tsara, fô ny olon-dratsy avy amin'ny hariagna ratsy akô am-pony de mamokatra zay ratsy. 36 Volagniko aminaré fô amin'ny andron'ny fitsaragna de ho agnontaniagna amin'ny koragna tsy voahevitry nikoragniny aby ny ôlogno. 37 Fô ny koragnanà no hagnamarignana anà, ary ny koragnanà no hagnamelohagna anàré.'' 38 Avy také nisy mpanora-dalàgna sy fariseo sanantsanany namaly an'i Jesosy ke nivolagna hoe: ''Ry mpampianatra, magniry ny ahita famantaragna avy aminà zehay. 39 ''Fô namaly Jesosy nivolagna ananjy iré hoe: ''Misy taranaka ratsy fagnahy sy mpijangajanga mitady famataragna. Kanefa tsisy famataragna amiagna ananjy afa-tsy ny famantaran'i Jaona mpaminagny. 40 Fô karaha an'i Jonah zay telo andro sy telo aligny takô an-kibon-daoka maventy, de ho karaha izegny koa no hipitrahan'ny zanak'ôlogno telo andro sy telo aligny akô agnatin'ny tany. 41 Iré ôlon'i Ninive de hitsangagna aké amin'ny fitsaragna miaraka amin'itô taranaka itô ké hanameloka izegy. Fô nibebaka izy iré tamin'ny toritenin'i Jaonah, ké indré, misy ôlogno maventy noho Jaonah aketo. 42 Ny mpanjakavavin'ny atsimo de hiara-hitsangagna amin'iré lalahin'itô taranaka itô amin'ny andron'ny fitsaragna ké hagnameloko izegny. Tônga avy agny amin'ny faran'ny tany izy mbô haregny ny fahendregnan'i Salomona, ké indrè, misy ôlogno maventy noho Solomona aketo. 43 Kôfa nisy fagnahy ratsy niala takô amin'ny lalahy araiky, de mandalo tany karakaigny izy kè mitady fitsaharagna, kanefa tsy mahita izegny. 44 Izegny de mivôlagna hoe: 'Iherigny agny amin'ny tragnoko zay nihaviako zaho. 'Ké nony tônga, de nahita fô voafafa ny tragno ké nilamigny. 45 Avy také de nandeha izegny ké nitôndra fagnahy ratsy fito niaraka taminanjy zay ratsy mihoatra ananjy, ké niditsy nipetraka takô zarè jiaby. Avy také nahe-ratsy noho ny voalohany ny fiafaran'izegny lalahy izegny. Ké ho karaha izegny koa ny amin'itô taranaka ratsy fagnahy itô.'' 46 Kô mbôla nivôlagna tamin'iré fokonôlogno Jesosy, de indré, ny mamany sy iré rahalahiny nitsangagna tagny ivelany, nitady hikoragna aminanjy. 47 Nisy ôlogno araiky nivôlagna taminanjy hoe: ''Zahavo, ny mamanà sy iré rahalahinà nitsangagna akô ivelany, mitady hikoragna aminà.'' 48 Fô namaly Jesosy ké nivolagna tamin'ilay nivolagna ananjy hoe: ''Izôvy no mamako ary zôvy iré rahalahiko?'' 49 Avy také nampariny tamin'iré mpianany ny tagnany ké nivolagna hoe: ''Zahavo, indréto ny mamako sy iré rahalahiky! 50 fô izay magnano ny sitrapôn'ny Raiko izay agny an-dagnitry, izegny ôlogno izegny no rahalahiky, sy anabaviky, ndraky mamako."