Tôko faha 11

1 Izy kôfa avy nampianatra iré mpianany roa ambin'ny fôlo Jesosy, avy také izy nandeha hampianatra sy hitory agny amin'ny tagnananjaré ré. 2 Izy kôfa regnin'i Jaona takô am-pigadraga ny mômba iré asan'i kristy, de nagnandefa hafatra tamin'ny alan'iré mpianany izy 3 ké nivolagna ananjy hoe: "Anà mô ilay araiky ho avy, sa tôkony hizaha hafa zahay?'' 4 Jesosy namaly ké nivolagna ananjaré hoe: ''Mandehana ké volagno amin'i Jaona izay hitanaré sy regninaré.'' 5 Mahazo fahitagna iré jamba mandéha iré ôlogno malemy, diovigny iré boka, maharegny indraiky iré ôlogno maharegnina, atsangan-ko velogno iré ôlogno Naty, ary agnambaragna iré vaovao mahafaly ny mahantra. 6 Sambatra izay tsy tafitohigny noho ny Aminahy.'' 7 Kôfa nandeha tan-dalagna iré lalahy iré, de nanômboka nivôlagna ny mômba an'i Jaona tamin'iré fôkonôlo Jesosy hoe: ''Hitady ino no nifoahanaré avy tagny agn'efitra-volotara tsofin'ny rivotra? 8 Kanéfa hitady ino no nifoahanaré lalahy nagnatao fitafy lafo vidy? Indré, iré izay nagnatao fitafy lafo vidy de mipetraka akô an-tragnoniré mpanjaka. 9 Kanéfa hitady ino no nifoahanaré-mpaminagny? Ia, mivolagna aminaré Zaho, zay mihoatra lavitra noho ny mpaminagny. 10 Izy ilay vôasôratra hoe: 'Zahaovo, magnasa ny irako hialôha ny vajihinaré Zaho, izay hagnomagna ny làlanaré mialôha anaré.' 11 Volagniko marigny aminaré, fô amin'iré izay natéra-biavy de tsisy maventy mihoatra noho Jaona mpagnano batisa. Kanéfa ny ôlogno tsy manan-danja indrindra aké amin'ny fanjakany lagnitra de maventy noho izy. 12 Nanômboka tamin'ny andron'i Jaona mpagnano batisa ké hatramin'izao, de miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lagnitra, ary iré ôlogno mahery setra de malaka ananjy an-keriny. 13 Fô iré mpaminagny jiaby sy ny lalàgna de efa naminagny hatramin'i Jaona; 14 izy koa sitrakaré ny hagneky izegny, de Izy ilay Elia ho avy. 15 Izay manan-tadigny ho enty-mitandregny, oka izy hitandregny. 16 Karakôry no tôkony hagnoarako itô taranaka itô? Izegny de karaha ny zaza midôla egny amin'ny bazary, izay mipetraka sy mifagnatsognantso 17 ké mivolagna hoe: 'Nitsoka sodigna ho anaré izahay, fô tsy nandihy anaré. Nagnano hira fisaonagna zahay, fô tsy nitomagny anré.' 18 Fô Jaona de tsy tônga hihinagna môfo na ihinagna divay, ké aozy zaré ré hoe: 'Managna devoly izy.' 19 Ny zanak'ôlogno de tônga hihinagna sy hisotro kè aozy zaré ré hoe: 'Zahavo, lalahy tendan-kanigna sy mpimamo izy, naman'iré mpamory hetra sy iré mpanota!' Fô ny fahindriagnany de voamarigny tamin'iré asany.'' 20 Avy také Jesosy nanomboka nivolagna mafy iré tanagna izay nagnanaovany ny akamaroan'ny asany mahagaga, satria tsy nibebaka izy iré. 21 "Loza ho anaré ry Korazina! Loza ho anaré, ry Betsaida! Kô natao tagny Tyra sy Sidona iré asa mahagaga izay natao teto aminaré, de efa ela no nibebaka tamin'ny lamba fisaonagna sy jofo izy iré. 22 Kanéfa ho môramôra koka ny amin'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsaragna mihoatra noho ny aminaré. 23 Anaré, ry Kaperinaomy, mihevitra mô anaré fô hasandratra agny an-dagnitra? Tsia, ho entigny hirorogno agny amin'ny helo anaré. Satria kô tagny Sodoma no natao iré asa mahagaga izay natao teto aminaré, de mbôla ho tavela izegny mandrak'iniany. 24 Kanéfa mivôlagna aminaré Zaho fô ho môra tokoatra ho an'ny tanin'i Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny aminaré.'' 25 Tamin'izegny fotoagna izegny Jesosy nivolagna hoe: ''Midera anâ zaho, Baba, Tompon'ny lagnitry ndraiky tany, satria Anà no nanitriky iré raha iré tamin'ny hendry sy ny mahafantatra, sady magnambara iré tamin'iré izay tsy mahafantatra, karaha iré zaza hely. 26 Iah, ry Baba, satria izegny de mahafinaritra také imasonà. 27 Ny raha jiaby nankignyna taminahy de avy amin'ny Babako; sady tsisy mahafantatra ny zanaka kôa tsy ny Baba ary tsisy mahafantatra ny Baba kôa tsy ny zanaka, sy izay fidin'ny zanaka hagnambaragna Ananjy. 28 Mandihana aminahy atô, anaré jiaby izegny miasa sy mitôndra, de hamiako fitsaharagna ianaré. 29 Indôso ny ziogako ké mianara aminahy, fô malemy fagnahy sy manetry tégna am-pô zaho, de ahita fitsaharagna ho an'iré fagnahy naré anaré. 30 Fô môra ny ziogako ary maivagna ny entako.''