Tôko faha 10

1 Nantsoin'i Jesosy niaraka iré mpianany roy ambin'ny fôlo ké nagnamia ananjy iré fahefagna amin'iré fanahy maloto, mbô handroahagna anjy iré, sy hagnasitragna iré karazan'aretigna sy karazagna faharariagna jiaby. 2 Ké itôny avy ny agnaran'iré apostoly roy ambiny fôlo. Ny voalôhany, Simona (zay antsôvigny foagna koà hoe Petera), ké Andreo rahalahiny; Jakoba zanaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalahiny; 3 Filipo, sy Barteleomy; Tomasy,sy Matio ilay mpanangona hetra; Jakoba zanaka lahin'i Alfeosy, ké Tadeosy; 4 Simeona ilay Zelota, ké Jodasy Iskariota, ilay hamadiky ananjy. 5 Naséhin'i Jesosy izy roa ambiny fôlo. Nagnatoro ananjy iré izy ké nivôlagna hoe: ''Aza mandeha agny amin'ny toeragna zay hipitrahan'ny Jentilisa anaré, ké aza miditra amin'ny renivohitr'iré Samaritana. 6 Fô mandeha ndraiky agny amin'iré ondry very amin'ny taranak'Isiraely; 7 ké kôfa mandeha anaré, de mandria ké ambarà hoe: 'Efa akaiky ny fahatôngavan'ny Fanjakan'ny lagnitra.' 8 Sitrano ny marary, atsangano ny naty, diovy iré boka, ké roahy iré demonia. Araka ny nahazoanaré maimaimpoagna, de magnomeza foagna koà maimaimpoagna. 9 Aza mitôndra vôlamena, vôlafotsy, na varahigna akô amin'ny kitapom-bôlanaré. 10 Aza mitôndra kitapom-batsy amin'izay alehanaré. na fitafy hafa, na kiraro, na tehigna, fô ny mpiasa de mendrika hahazo ny sakafony. 11 Na ino na ino tanàn-dehibe na tanàgna hely hidiranaré, tadiaova zay mendrika akô, ké mitoetra akô mandra-pialanaré. 12 Kôfa vô miditra akô amin'ilay tragno anaré, de miarahabà ny akô. Kôfa mendrika lay tragno, de ôka ny fiadananaré ho tônga akô. 13 Fô kôfa tsy mendrika ndraiky izégny, de ôka ny fiadagnanaré hiverigna aminaré. 14 Ho an'iré zay tsy mandray anaré na tsy mihaino ny koragnanaré, de ahintsagno ny vôvôka amin'ny tongotraré, kôfa miainga amin'izégny tragno na tanàn-dehibe izégny anaré. 15 Volagniko marigna aminaré, fô ho moramora kokoà ny an'ny tanin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsaragna noho izégny tanàn-dehibe izégny. 16 Io, handeha anaré karaha ny ondry aké afovoan'ny ambodia Zaho, koà hendre karaha ny menaragna ké tsy manan-tsigny karaha ny voromailala. 17 Mitandrema ny amin'ny ôlogna! Hagnolotra anaré aké amin'ny filan-kevitra zaré ré, ké hamango anaré akô amin'ny sinagoganjaré ré. 18 Avaké de hindosigna magnoloagna ny governora sy ny mpanjaka anaré nohon'ny Aminahy, mbô ho vavôlombelogna ho ananjy iré sy ho an'iré Jentilisa. 19 Kôfa manolatra anaré zaré ré, de aza managna ahiahy ny amin'ny hoe akôry na ino no ho lazainaré, fô hagnamia anaré amin'io lera io zay tôkony ho koragnina. 20 Fô tsy anaré no hikoragna, fô ny Fanahin'ilay Rainaré no hivôlagna akô aminaré. 21 Ny rahalahy de hanolotra ny rahalahy ho amin'ny fahafatesagna, ké ny raiky de ny zanany. Ny zanaka de hitsangagna hanohitra ny ray aman-dreniny ké hahatônga ny fahafatesanjaré ré. 22 Hô halan'ny ôlo-jiaby anaré nohon'ny amin'ny agnarako. Fô na zôvy na zôvy miharitra hatramin'ny farany, de ho voavonjy izégny ôlogna izégny. 23 Kôfa magnenjika anaré akô amin'io tanàn-dehibe io zaré ré, de mandosira agny amin'ny magnaraka, fô koragniko marigna aminaré, fô tsy hahatapitra iré tanàgnan'Israely mialôhan'ny hatôngavan'ny Zanak'ôlogna anaré. 24 Ny mpianatra de tsy maventy noho ny mpampianatrany, na ny mpanompo ho ambôny noho ny tompony. 25 Ampy ho an'ny mpianatra kôfa tonga karaha ny mpampianatrany izy, ké ny mpanompo karaha ny tompony. Kôfa antsoinjaré ré hoe Belzeboba ny tompon'ny tragno, de ho ratsy lavitra karakôry iré agnaragna hagnantsôvanjaré ré ny isam-piankohonagna! 26 Noho izégny aza matahotra anajy ré, fô tsy hisy takogna zay tsy hiseho, ary raha-mivony zay tsy ho fantatra. 27 Zay koragniko anaré akô amin'ny haizigna, de volagno amin'ny andro mazava, ké zay bitsibitsika regninaré amin'ny tadigninaré, de torio egny ambôny tampôn-tragno. 28 Aza matahotra an'iré zay mamono ny vatagna kanéfa tsy afaka mamono ny fanahy. Fô ndraiky, matahora an'izay afaka mamotika ny fanahy sy ny vatagna agny amin'ny helo. 29 Moa vô tsy vôla madinika hely no hamarotagna fody roy? Fô tsy mbôla misy na araiky aminjaré ré aza mianjera amin'ny tany kôfa tsisy ny fahalalan'ny Rainaré. 30 Fô na ny volon-dôhanaré aza voaisa avokoa. 31 Aza matahotra. Manan-danja bebe kokoà noho ny fody maro anaré. 32 Noho izégny zay jiaby manaiky Anahy aké agnatrehan'ny ôlogna, de ho ekeko foagna koà aké agnatrehan'ny Raiko zay agny an-dagnitra. 33 Fô zay mandà Anahy aké agnatrehan'ny ôlogna ndraiky, de ho laviko foagna koà aké agnatrehan'ny Raiko zay agny an-dagnitra. 34 Aza mieritreritra fô zaho de tônga hitondra fiadanagna akéto an-tany. Tsy tônga mbô hitondra fiadanagna Zaho, fô sambatra. 35 Fô tônga zaho hagnasaraka ny zanaka lahy amin'ny babany, sy ny zanaka viavy amin'ny reniny, ké ny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny. 36 Iré zay akô an-tôkantragnony foagna no ho lasa fahavalon'ny ôlogna. 37 Zay tià kokoà ny babany na mamany mihoatra Anahy de tsy mendrika Anahy; ary zay tià kokoà ny zanaka lalahy na ny zanaka viavy mihoatra Anahy de tsy mendry Anahy. 38 Zay tsy mandray ny kakazo fijaliagnany ké magnaraka Anahy tsy mendrika Anahy. 39 Zay mamonjy ny ainany de hahavery izégny. Fô zay mahavery ny ainany noho ny aminahy de hahita izégny. 40 Zay mandray anaré de mandray Anahy, ary zay mandray Anahy de mandray lay nagniraka anahy foagna koà. 41 Zay mandray ny mpaminany satrià mpaminany izy de hahazo ny valisoan'ny mpaminany, ary zay mandray ny ôlo-marigna satrià ôlo-marigna izy de hahazo ny valisoan'ny ôlo-marigna. 42 Na zôvy na zôvy magnamià ny araiky amin'iregny madinika indrindra iregny, na de rano mangatsiàka indraika ny tasy ho sotroigna aza, satrià izy mpianatra, de volagniko marigna aminaré fô, tsy ho very ny valisoany.''