Tôko faha 9

1 Niditra takô an-tsambohely Jesosy, niampita, ké tônga takô amin'ny tanagnany. 2 Indré, nisy lalahy mararin'ny paralisisa nandry také am-pandriagna nindosin-jaré ré také Aminanjy. Kôfa nahita ny finoangan-jaré ré, dé aozin'i Jesosy tamin'ilay lalahy mararin'ny paralesisa hoe: ''Anaka, aoka ianao hifaly. Efa vôvela ny helokanà.'' 3 Indré, ny sanany tamin'iré mpanora-dalagna nagnano anakampô hoe:'' Miteny ratsy io lalahy io.'' 4 Hain'i Jesosy raha isaintsainin-jaré ré ké nivôlagna hoe: ''Nagnino anré no mieritreri-dratsy akô am-pô naré? 5 Fô zôvy no môramôra kokoà no mivôlagna anjy hoe: 'Voavela ny helokanà,' sa ny mivolagna hoe: 'mitsangàna ké mandihana?' 6 Fô mbô ho fantanaré fô ny zanak'ôlogno dé managna fahefagna hamela heloko aketo ambônin'ny tany,...'' aoziny Izy tamin'ilay mararin'ny paralisisa hoe: ''Mitsangàna, batêo ny fandriagnanà ké mandihàna agny an-tragnonà.'' 7 Avy také nitsangana ilay lalahy ké nakagny an-tragnony. 8 Kôfa nahita izegny ny foko nôlo, dé variaagna zaré ré ké nidera an'Ananriamanitra, zay nagnomia fahefagna karaha izegny ho an'ny ôlogno. 9 ké kôfa niala avy také Jesosy, de nahita lalahy nantsoigny hoe Matio Izy, zay nantotry takeo amin'ny tragno ny famorian-ketra. Aozy taminanjy hoe: ''Magnaraha Anahy.'' Nitsangana izy ké nangaraka Ananjy. 10 Ké kôfa nantotry hihinagna takô an-tragno Jesosy, indré, mpamory hetra sy ôlogno maro tônga ké niaraka nihinagna tamin'i Jesosy sy ireo mpanatrany. 11 kôfa nahita izegny ire Fariseo, de nivôlagna tamin'iré mpianatrany zaré ré hoe: ''Nagnino ny mpampianatra naré no miaraka mihinagna aminny mpamory hetra sy ny ôlogno mpanôta?'' 12 Kôfa naharegny izegny Jesosy, de Aozy hoe: ''Ny ôlogno matanjaka ara-batana de tsy mila mpitsabo, fô ire izay marary foagna. 13 Tôkony mandeha mianatra anaré ny dikan'ny hoe: 'Famindram-pô no iriko fô tsy sôrogno.' fô tônga Aho, tsy hagnantso iré marigny fô iré mpanota.'' 14 Avy také nagnantogno ananjy iré mpianatran'i Jaona ké nivolagna hoe: ''Nagnino zahay sy iré fariseo no mifady hanigny matetika, fô iré mpianatra anà ndreky tsy mbô mifady?'' 15 Aozy Jesosy taminjaré ré hoe: ''Mety alahelo mô iré havan'ny mpampakatra, kô mbola miaraka aké aminjaré ré ny mpampakatra? Fô ho avy ny andro hangalagna ny mpampakatra aké aminjaré ré, de amijégny zaré ré vô hifady hanigna. 16 Tsy misy ôlogno manampigna lamba tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa ny tampina handrôta ny lamba, ké hisy tritra ratsy lavitra. 17 Tsy misy ôlogno manisy divay vaovao akô anaty siny hoditra kôro. Kô magnano izegne zaré ré, de ho triatra ny siny hoditra, ho raraka ny divay ké ho potika ny siny hoditra. Fô kosa, zaré ré manisy divay vaovao akô anaty siny hoditra vaovao, ké ho voatahiry izy roé.'' 18 Kô mbola nikoragna iré raha iré tamijaré ré Jesosy, de indré,nisy manam-pahefagna raiky tonga ké niankôhoko také aminanjy. Nivôlagna izy hoe: ''Naty zaho avaizo zao ny zanako viavy, fô tongava ké apetraho akeo aminanjy ny tagnanao, de ho velogna izy.'' 19 Avy také nitsangana Jesosy ké nagnaraka ananjy, de nagnano karaizegny koa iré mpianatrany. 20 Indré, nisy viavy zay efa nandeha fadim-bolagna nandritra ny roa ambin'ny fôlo tôgno, nandeha tafaran'i Jesosy ké nikasiky sisin-dambany. 21 Fô aozy tamin'ny tegnany hoe: ''Kôfa mikasika ny lambany foagna zaho de ho sitragna. 22 ''Fô nitodika Jesosy ké nahita ananjy, de nivôlagna hoe: ''Ry zanako viavy, mahereza; ny finoagnanà no nakahivagna anà. ''Ké nahivagna ilay viavy nanomboko tamin'io ora io. 23 Kôfa tônga tagny amin'ny tragnon'ilay manam-pahefagna Jesosy, de nahita iré mpitsoka sodina sy iré fokonôlogno nihoalahoala be Izy. 24 De Aozy hoe: ''Mandihana, fô tsy naty ilay zaza viavy, fô mandry izy. ''Fô nimoehy ananjy tamin'ny fagnisoagna zaré ré. 25 Kôfa naboaka tivelany fokonôlogno, de niditra takao agnefitra Izy ké nandramby ananjy tamin'ny tagnany, ké nitsangagna ilay zaza viavy. 26 Niparitaka nagneragna ny faritra jiaby ny vaovao momba izegny. 27 Ary kôfa niala také Jesosy, de nisy jamba roa lahy nagnaraka ananjy, tsy nijanogno nagnantso zarè sady nivôlagna hoe: ''Mamindrà fô aminay, ry zanak'i Davida!'' 28 Kô fa tonga tantragno takô Jesosy, de nagnatogno ananjy iré lalahy jamba. Aozy Jesosy taminjaré hoe: ''Mino mô anaré fô mahay mangano izegny zaho? de aozy zaré taminanjy hoe: ''Ia, roe. '' 29 Avy také nikasihin'i Jesosy ny masonjaré ré ké nivolagna hoe: ''Ho tanteraka aminaré araka ny fignona naré ane zegny; 30 Ké nahiratra ny masonjaré. Avy také Jesosy nadindy mafy anjaré ké nivilagna hoe: Aoka mbô tsy hisy ôlo ahay momba izao. '' 31 fô nandeha zaré roa lahy ké nagnaparitaka ny vaovao momba izegny nagneragna izegny faritra zegny. 32 Ke kofa nandaha zareo roa lahy, de igny, nisy lalahy moä nipetrahana devoly nindosigny takeo amin'ny Jesosy. 33 Ke kôfa nalagna i devoly igny, de nivolagna lalahy moä igny. Gaga ny fokonôlo ka nivolagna hoe: ''Tsy mbola avy ita hatrizay tamin'Israely zao!'' 34 Fô hoy ireo fariseo hoe: ''Tamin'ny fanampahan'iré devoly, no nagnalany iré devoly.'' 35 Nandeha nitety iré tanam-bé sy iré vôhitra jiaby Jesosy. Manohy nampianatra tagny amin'iré synagoganjaré Izy, nitory ny filazantsaran'ny fanjakagna, ary nagnasitragna ireo karazagn'aretigna jiaby sy iré sy karazagna faharariagna jiaby. 36 Kôfa nahita iré fokonôlo Izy, de nanagna fangoraham-pô taminjaré, satria niahiahy sy kivy zaré. Karaha ny ondry tsy misy mpiandry zaré ré. 37 De aozy tamin'iré mpianany hoe: ''Fôntry ny vokatra, fô iré ampiasa no vitsy. 38 Noho izegne mivavaha malaky amin'ny Tompon'ny vokatra, mbô andefasany mpiasa akagny amin'ny vokatrany.''