Tôko faha 15

1 Avy také nisy Fariseo sy mpanôra-dalag sanatsanany avy agny Jerosalema nagnatogna an'i Jesosy. Aozin-jaré ré hoe: 2 ''Nagnino iré mpianatranà no madika ny fômban-drazan'iré zôky ôlogno? Fô tsy magnasa ny tanagnananjy zaré ré mialôhan'ny ihinagna.'' 3 Namaly Izy ké nivôlagna taminjaré ré hoe: ''Ké nagnino ary anaré no mandika ny lalàn'Andriamanitra nohon'ny fômban-drazanaré? 4 Fô Andriamanitra nivôlagna hoe: 'Hajeo ny babanà ndraiky mamanà', ary izay mivôlagna ratsy ny babany na ny mamany, dé ho naty tokoatra.' 5 Fô anaré mivôlagna hoe: 'Na zôvy na zôvy mivôlagna amin'ny babany na ny mamany hoe: "Na ino na ino fagnampiagna izay azonaré avy aminahy de fagnomezagna ho an'Andriamanitra avahizo,''' 6 izegny ôlognô izegny tsy mila magnaja ny babany. Amin'izagny fômba izegny de nofoagnanaré ny tenin'Andriamanitra nohon'ny tombotsoan'iré fômban-drazanaré. 7 Ry mpiatsaravelatsy! Marigna ny faminaniagnan'Isaia mômba anaré kô mivôlagna izy hoe: 8 'Itô fokonôlo tô de magnaja anahy amin'ny molotra anjaré ré, fô ny fôn-jaré ré de lavitra anahy. 9 Tsisy dikany ny fideragna anahy, satia zaré ré ampianatra ny didin'ôlombelogno karaha ny fampianaran-jaré ré.''' 10 Avaké magnantso ny fokon'ôlo ho aké Aminanjy Izy ké nivôlagna tamin-jaré ré hoe: "Mitandrignesa kè mazahoa - 11 Tsy ny miditry akô ambavan'ny ôlogno no mandoto ny ôlogno. Fô ndraiky, izay aboaky ny vava, no mandoto ny ôlogno." 12 Avy aké nagnantogna iré mpianatra ké nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: "Izy mô hainà fô tafitohigna iré Fariseo nohon'ny naharegny izègny koragna izègny?" 13 Jesosy namaly ké nivôlagna hoe: "Iré raha-maniry izay tsy nambolen'ny Babako agny andagnitra de ho avotagna jiaby. 14 Ambilé zaré ré ho aké, zaré ré mpitarika jamba. Kô misy ôlogno jamba araiky mitarika jamba araiky hafa, de somby nilatsaka an-kady zare roa." 15 Petera namaly ké nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: ''Azavéo aminay izégny hôatra izégny. '' 16 Aozy Jesosy hoe: Tsy manam-pahalagna foagna koà mö anaré?'' 17 Tsy hitanà mö fô izay miditry amin'ny vava de mankô ambôtraka ary avy aké de haboaka akô amin'ny lava-piringy? 18 Fô iré raha izégny aboaka ny vava de avy amin'ny fô. Iré raha iré no mandoto ny ôlogno raika. 19 Fô avy amin'ny fô no hiboahan'ny sain-dratsy, ny famonogna ôlo, ny fijangajangana, ny fangalam-badin'ôlogno, ny halatra, ny fijoroagna vavolombelogno tsy marigny, ary ny fivolagnan-dratsy. 20 Iré raha iré no mandoto ny ôlogno raiky. Fô ny mihinagna amin'ny tagnana tsy miasa de tsy mandoto ny ôlogno raiky." 21 Avy aké Jesosy niala také kè niherigna tagny amin'ny faritanin'i Tyro sy Sidona. 22 Igny, nisy viavy Kananita araiky avy amin'ny izegny faritra izegny. Nihèky mafy izy ké nivôlagna hoe: "Mamindrà fô aminahy, ry Tompo, Zanaka an'i Davida o! Ny zanako viavy de ampijalian'ny demonia mafy." 23 Fô Jesosy tsy namaly koragna ananjy. Nagnantogna iré mpianatra ananjy ké niangavy taminanjy, nagnano hoe: "Toravo izy, fô mitabataba mafy amintsika." 24 Fô Jesosy namaly ké nivôlagna hoe: "Tsy nasaigna ho anjovy na izôvy Zaho kô tsy ho an'ny ondry very akô amin'ny fianakavignan'Isiraely." 25 Fô tônga sy nangataka sy niankohotro také anatrèhany izy, nagnao hoe: "Tompo, vonje zaho." 26 Namaly Izy kè nagnano hoe: "Tsy rariny kô alaigna ny môfon-jaza ké atsipy ho an'ny kiva." 27 Fô ahoziny hoe: "Ia, Tompo, fô na de ny kiva aza mbô mihinagna izay helihely latsaka avy amin'ny latambatry ny tompony." 28 De namaly Jesosy ary nivôlagna taminy hoe: "Raviavy, matomboka ny finoagnanà; ho tanteraka aminà anie izegny araka izay irianà." De nahivagna ny zanany viavy taminjagny ora izegny. 29 Niala také Jesosy nankeny akaikin'ny ranomasin'ny Galilia. Avaké de nakatra tagny an-tendrombôhitra raiky izy kè nantotry také. 30 Fôkon'ôlo fôntry no nagnantogna Ananjy. Nindosinjaré ré niaraka taminjaré ré mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary marary hafa koà, nambèlan-jare ré také an-tongotran'i Jesosy iré; ké de nositraniny. 31 Kè de variagna ny fôkon'ôlo kô nahita iré moana nivôlagna, ny kilemaina nahivagna, ny malemy afaka nandeha, ary ny jamba mahiratra. Nankalaza ny Andriamanitr'Israely zaré ré. 32 Nagnantso ire mpianany mbô hagnatogna Ananjy Jesosy ary nivôlagna hoe: ''Mahinakinaka ire vahoaka Za, satrià aifa telo andro sahady izy ire no nipaitraka taminahy naifa tsisy anigna. Tsy te hagnondaifa azy ire tsy hômagna Za, sô de tôragna eny an-dalàgna eny.'' 33 Hoy ire mpianatra Taminy hoe: ''Akaiza no hahitanay môfo fanôka sy ampy ire vahoaka maro be ire atô angnefitra? 34 Nivôlagna Jesôsy tamin'izy ire hoe: "Môfo firy no agny aminare?'' Ary hoy izy ire hoe: "Fito, sy lôka madinika vitsy.'' 35 Avake Jesosy nagnasa ny vahoaka mbô hipaitraka amin'ny tany. 36 Nandray ny môfo fito miaraka amin'ny lôka Izy, ary kôfa nisotra, de namaky ny môfo kay nanôlotra ire ho an'ire mpianatra. Ire mpianatra nagnamià ho an'ny vahoaka. 37 Nihinagna kay afa-pô ny jiaby. Avake izy ire nanangogna sobika fito feno hambihambiny zay tsy lany. 38 Ire zay nihinagna de aifatra arivo lahy, tsy agnatiny ny zaza amam-biavy. 39 Avake Jesosy nampody ny vahoaka kay niondragna an-dakagna ary de nandaiha akagny amin'ny faritr'i Magadana.