Tôko faha 9

1 Nagnantso zare roa ambin'ny fôlo lahy Izy ary nagnomia anjaré ny hery sy fahefagna amin'iré demonia jiaby ré ary hampahivagna ire aretigna. 2 Nalaifa zare hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy nampahivagna ny marary. 3 Ahozy taminjare hoe: "Aza mitôndra na ino na ino amin'ny laihanare tsisy tehigna, tsisy tragnom-basy, tsisy môfo, tsisy vôla, ary tsisy akanjo fagnampiny. 4 Zay tragno idiranare, de midokaha akô madra- pialanare. 5 Na akaiza na akaiza tsy handraisanjare anare, kôfa miala zegny tanàgna zegny anare, de ahitsagno hiala amin'ny tongonare ny vôvôka mbô ho fijoroagna vavolombelogna anohairagna azy ire.'' 6 Avake de lasagna zare ary namakivaky ire tanàgna, nitory ny filazantsara sy nagnasitragna. 7 Ary regnin'i Heroda mpanapaka dahôlo ra jiaby nitranga zegny, ary de nany fagnahy izy, satrià nivôlagny ny sanagny fô i Jaona mpagnano batisa no nitsangagna tamin'ny maty, 8 ary voalaza fô niseho Elia, ary ny sanagny kôza mivôlagna fô raika tamin'ire paminany talôha no nitsangagna tamin'ny maty. 9 Ahozy Heroda hoe: Za no nanapa-dôha an'i Jaona, kay zôvy ndraiky zegny ôlo andrignaisako ra karan-jagny?'' Ary nihaizaka ny ahita Ananjy izy. 10 Kôfa niherigna ire apostoly, de nitantara taminy ire zaha jiaby vitanjare. Avake nindôsiny niaraka taminy zare, ary nandaiha nitôkagna ho amin'ny tanàgna antsôvigna hoe Betsaida. 11 Fô vô naregny momba zegny ire vahoaka, de nagnaraka Ananjy. De niraisiny zare ary nikoragniny azy ire ny momban'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nagnasitragna ire zay nila fagnasitragnana Izy. 12 Ary kôfa ho aligna ny andro, de nagnatogna Ananjy ire rombifôlo kay nivôlagna hoe: "Asaivo mody ire vahoaka mbô hafaka mamonjy tanàgna magnodidigna sy ambanivôlo mbô hahita andriagna sy anigna, satrià amin'ny tany daizaka atsika.'' 13 Fô ahoziny taminjare hoe: ''Amiazo anigna zare re!'' Ary nivôlagna zare hoe: Akato kony môfo dimy sy lôka roa foagnay ra tsy manday mividy ho anôlo jiaby re dônko! (Take de nisy lalahy dimy arivo). 14 Ke nivolagna tamire mpianany Izy hoe: ''Alamino tsy tôkotôkony zare kay tôkony raiky dimapôlo ôlo.'' 15 Kay nagnano zaigny zare ré, napaitraka ire vahoaka ré. 16 Nandray ire môfo dimy sy lôka roa ré Izy, de niandrandra ny lagnitra nisôtra de avy te namiany ire mpianany zaigny mbô zarainjare amin'ny vahoaka. 17 Nihinagna zare kay afa-po, ary nahonkon-jare ilay potipotiny roa ambin'ny fôlo bazary. 18 Ary kôfa nivavaka manôkagna Jesosy, de niaraka taminanjy ré mpianatra ré. De nagnotaniany ré, natôny hoe: "Atôn'ire vahoaka ré izôvy Zaho? 19 Namaly zare hoe: "Jaona mpagnano batisa. Fô nisanany nivôlagna fô Elia, fô ny sagnany nivolagna fô nitsangagna tamin'ny maty ré mpaminagny talôha." 20 Ary nivôlagna taminjare Izy hoe: "Ary anaré magnano Anahy izôvy?" Petera namaly ananjy hoe: "Anô ilay Kristy zanak'Andriamanitra." 21 Fô nifairany mafy zare mbô tsy hivôlagna anjany na aminjôvy na izôvy, 22 nagnano hoe: Ny Zanak'Ôlogna de tsy maintsy hijaly amin'ny raha maro ho lavin'ire lôh'ôlogna sy lohan'ny mpisorogna ary ire mpanôra-dalàgna, hivonigny Izy ary amin'ny andro fahatelo de hatsangana." 23 Ary Aoziny tamin-jare jiaby hoe: "Kô misy tiagnaraka Anahy, de tsy maintsy mandà ny taignany izy ary hitôndra ny kakazofijaliagna kay hagnaraka Anahy. 24 Na zôvy na zôvy te hagnavotr'aignananjy de hagnary zaigny, fô na izôvy na izôvy magnary ny aignany noho ny fitiavany Anahy de hagnavotra zany. 25 Ino mô tsara azon'ôlogna amin'ny fanagnan'izô tontolo zô naifa magnary na mamotika ny aignany? 26 Fa na izôvy na izôvy maignatra ny Aminahy sy fivolagnako, de maignatra ananjy koa ny Zanak'Ôlogna kôfa tônga amin'ny voninahiny, sy ny Papa sy ré anjely masigna Izy. 27 Fô lazaiky aminaré, fô ny sasany aminaré zai mitsangagna akéto de tsy ahita fafataisagna mialôhan'ny ahitany ny fanjakan'Andriamanitra." 28 Ary valo andro tafaran'ny nilazan'i Jesosy ire teny re, de nidôsiny niaraka taminanjy Petera sy Jaona ary Jakoba kay niakatra tanety hivavaka. 29 Kôfa nivavaka Izy, de niôva endrika ny tarehiny, ary nanjary fotsy mangilangilatra ny ankanjony. 30 Indro, Nisy roa lahy nikoragna taminanjy, Mosesy sy Elia, zay nipoitra tamim-boninahitra mamirapiratra. Nikoragna momba ny fialàny Izy, 31 zay nindôsiny hotantairahigna agny Jerosalema. 32 Ary Petera sy zay niaraka taminanjy de tihoahandry mafy, kôfa tegna taitra tanteraka zare, de nahita voninahiny sy lalahy roa lahy nitsangana niaraka taminanjy. 33 Kôfa niala nagnalavitra an'i Jesosy zare, de aozin'i Petera taminanjy hoe: "Tompo, tsara amintsika midôko aketo. Ambilay zahay hagnamboatra fialôfagna telo, raika Aninao, raika an'i Mosesy, ary raika an'i Elia." (Tsy hainy raha koragniny.) 34 Tampivolagnan'zegny izy, de nisy rahogna tônga, nisarogna taminjare, natahotra zare kôfa niditra tamin'ilay rahogna. 35 Nisy feo niboaka avy tamin'ilay rahogna, nagnano hoe: "Itô ny Zanako zay voafidy; tandrignaiso Izy." 36 Kôfa nivolagna ilay feo, de Jesosy raika no hita take. Nitagnanjare foagna ny fahanginany ary tsy nivolagninjare tamin'ôlogna na zôvy na zôvy ny momba izay rehetra hitan'izy ireo. 37 Ary tamin'ny andro magnaraky io, kôfa nirôrôgna avy tan-tanety zare, de vahoaka maro nitrôtro taminjare. 38 Nisy, lalahy raika avy tamin'ny vahoaka no nihafatrafatra mafy, nagnano hoe: "A Ramose o, mikorery aminô zaho mbô zaha koa zanako tô, fô zanakolahy tôkana izy tô. 39 Hitanô, misy fanahy mibeko ananjy de mihiakiaka tampoka izy; ary mahatônga fanintogna aminanjy zegny kay mamôaka ranivy ny vavany. Tsy miala aminanjy zegny ary mandrairaka ananjy. 40 Nikorery tamin'ny mpianatranô re za, fô tsy afanjare ilay raha." 41 Namaly Jesosy ka nagnano hoe: "Anare tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-taigna, oviagna mô no tsy maintsy hidôkoako miaraka aminare sy hiaraitako miaraka aminare? Indôsy atô ny zanagnô lalahy zegny." 42 Kôfa nagnatogna ilay zaza lalahy, de natsipin'ny demonia tamin'ny tany izy ary nampihinjitsinjitra ananjy. Fô Jesosy nivolagna mafy ilay fagnahy maloto ary nampahivagniny ilay zaza lalahy, de namiany an'ny babany. 43 Ary avy take de variagna daholy zare nahita ny halibiazan'Andriamanitra. Kôfa magnana tamin'ny raha jiaby natôny iny zare, de aoziny tamin'ny mpianany hoe: 44 "Ambilao reto teny reto ho tônga laligny an-tandigninare: ny Zanak'Olona de hivadihan'ny ôlogna ka hatolotra eo antagnan'ôlogna." 45 Fô tsy azonjare raha tiany volagnina. Zegny de navony taminjare, de tsy azonjare raha nivolagniny, ary mbôla natahotra zare ny hagnontany mômba zegny fagnambaragna zegny. 46 Ary nanomboka te de niady pilasy zare ny amin'ilay hitôndra anjare. 47 Fa Jesosy, nahafantatra raha tam-ponjare, de nalaka zaza hely raika kay napaitrany tankilany 48 ary nivolagna taminjare hoe: "Fa izôvy na izôvy mandray itô zaza itô amin'ny Agnarako, de mandray Anahy; ary na izôvy na izôvy mandray Anahy, de mandray zay nagnasa Anahy. Fô zay faran'ny hely no faran'ny maventy." 49 Jaona namaly hoe: "Tompo o, nahita ôlogna raika zahay nagnala demonia tamin'ny agnaranô de nisakananay izy, satria tsy magnara-dia anay." 50 "Aza raràgna izy," aozin'i Jesosy, "Satria zay tsy manohitra anare de mômba anare." 51 Kôfa nariny ny andro ampiakaragna Ananjy, de niatrika ho agny Jerosalema Izy. 52 Nandaifa mpitôndra hafatra mialôha ananjy Izy, Ary nandaiha zare ka niditra tan-tanàgnan'ny Samaritana raika mbô hagnomagna raha jiaby ho Ananjy. 53 Fô ny vahoaka tô tsy nandray Ananjy, satria nitodika ho any Jerosalema Izy. 54 Kôfa nahita zegny Jakoba sy Jaona mpianatra, de Aozinjare: "Tompoko, tianô mô zaihay kô handaifa afo milatsaka avan-dagnitra mbô hamotika anjare?" 55 Fô nitodika Izy ary nivolagna mafy taminjare, 56 ary lasana tagny an-tanàgna hafa zare. 57 Ary kôfa nandaiha tan-dalagna zare, de nisy ôlogna raika nagnano taminanjy hoe: "Hagnaraka Anô zaho na andaiha aiza na andaiha aiza andihananô." 58 Jesosy nivolagna taminanjy hoe: "Ny ambodia managna lavakananjy, ary ny vôrogna an-dagnitra de managna akaniny, fô ny Zanak'ôlogna tsy manana pilasy agnatôvagna ny lôhany." 59 Ary Aoziny tamin'ôlon-kafa hoe: "Andô hagnaraka Anahy." Fa aozin-jaré hoe: "Tompoko, avilao bôka zaho handevigny babako." 60 Fa Aoziny taminanjy hoe: "Avilao ny maty handevigna ny maty aminanjy. Fô anô, mandihana ka mitorià agny lavidavitra akagny hagnitatra ny fanjakan'Andriamanitra." 61 Ary nisy ôlon-kafa nagnano hoe: "Tompo, hagnaraka anô zaho, fô avilao bôka za andaiha agnano viloma lay andragnoko agny." 62 Jesosy namaly ananjy hoe: "Tsisy ôlogna mitagna angady kay mitodika kay mbôla ho ananjy ny fanjakan'Andriamanitra."