Tôko faha 10

1 Ary tafaran'iregny raha regny, de nifidy fitopôlo lahy [Fagnamarihagna: Maro amin'ire fandikagna talôha taigna tsara no milaza hoe: "fitopôlo", fô ny sasany milaza hoe: "roa ambi-fitopôlo." ] hafa ny Tompo, ary nandaifa anjare tsiroaroa nialôha Ananjy tagny amin'ny tanàgna jiaby sy toeragna zay fandihanany. 2 Aoziny taminjare hoe: "Be ny vokatra, fô vitsy ny mpiasa. Noho zaigny hangataho ny Tompon'ny vokatra mbô handaifa mpiasa mbô ho eny amin'ny vokatra." 3 Mandaihana amin'ny lalagnare. Jere, alaifako karan'ny zanak'ondry ampôvoan'ny ambodia anare. 4 Aza mitôndra kajiam-bôla, na fitoeragn'entagna, na kapa, ary aza magnotsafa na izôvy na izôvy an-dalagna. 5 Zay tragno hidiranare, volagno mialôha hoe: 'Fiadanagna anie ho amin'itô tragno itô!' 6 Kôfa misy ôlognan'ny fiadanagna akô, de hipaitraka akô ny fiadanagna volagninare, kôfa tsisy, de hiherigna aminare zaigny. Mipitraha andragno akô malôkany, mimoàna sy misotroà zay amianjare akô, fô ny mpiasa de taigna tôkony hahazo karamany. 7 Aza mifindrafindra tragno. 8 Fô amin'izay tanàgna zay idiranare, kay mandray anaré, hoano zay atolony anaré, 9 ary ampahivagno ny marariny. Volagno zare hoe: 'Aifa mariny anaré ny fanjakan'Andriamanitra.' 10 Na oviagna na oviagna anare no miditra an-tanàgna kay tsy mandray anare zare, de miboaha an-dalambe ary volagno hoe: 11 'Na de ny fasigna ny tanàgnanare zay mipaitaka amin'ny tongonay aza de hifafanay hanôhitra anare! Fantaro anaifa zô: Aifa mariny ny fanjakan'Andriamanitra.' 12 Volagniko aminare fô amin'ny andro fitsaragna de ho azo liferigna kokoà ny an'i Sodoma noho ny amin'izegny tanàgna zegny. 13 Loza ho anô, ry Korazina! Loza ho anô, ry Betsaida! Fô kô ny asa maventibe zay natô taminô no natô tagny Tyro sy Sidona, de aifa aila zare no nibaibaka, nipaitraka tamina lamba mandala sy jôfo. 14 Fô azo liferigna kokoà ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsaragna toy zay nenare. 15 Anô, ry Kapernaomy, mievitra mô anô fô andaiha an-dagnitra? Ahe, hindôsigna arorogna any amin'ny Afo be anô. 16 Zay mitandregny anaré de mitandregny Anahy, ary zay mandà anaré de mandà Anahy de mandà ilay nagnasa Anahy." 17 Nierigna am-pifaliagna reo fito-pôlo, kay nivolagna hoe: "Tompo, na de ny demonia aza de magneky anay tamin'ny agnaranô." 18 Jesosy nivolagna taminjare hoe: "Nahita an'i Satana nilatsaka avy tagny an-dagnitra karaha varatra Zaho." 19 Zahà, fô efa namiako anare ny fahefagna handià menaragna, ny ala, ary ambonin'ny hery jiaby ny fahavalo, ary na ino na ino de tsy hisy handratra anare amin'ny fômba jiaby. 20 Na de zaigny aza mifaly foagna aminjany, hoe: nagneky anare ny fagnahy, fô mifalià fô voasôratra agny an-dagnitra ny agnaranare." 21 Tamin'io fotoagna io foagna de nifaly tokôa tao amin'ny Fagnahy Masigna Izy, ary nivolagna hoe: "Midaira Anô Zaho, a Baba, Tômpon'ny lagnitra sy ny tany, fô efa navoninô ny raha regny tamin'ny hendry sy ny manan-tsaigna, ary nivolagninô tamin'ire tsy manam-pahalalagna, karaha zaza hely. Ia, Babako, fô zaigny no ankasitrahagna amasonô." 22 Ny Raha jiaby de nankinin'ny Babako taminahy, ary tsisy mahafantatra Anahy kô tsy Babako foagna, ary tsisy mahafantatra hoe: izôvy ny Babako afa-tsy ny Zanaka sy zay nisafidianan'ny Zanaka haseho Azy." 23 Avy take de niodigna tamin'ny mpianatra Izy kay nivolagna mangingigna hoe: "Sambatra zay mahita ny raha hitanare. 24 Volagniko aminare, mpaminagny sy mpanjaka maro no nagniry ahita zay raha itanare, fô tsy hitanjare zagny ary haregny raha regninare, fô tsy reninjare zaigny." 25 Indro, nisy mpampiagnatra ny lalànan'ny Jiosy raiky nitsangagna mbô hitsapa Ananjy, ka nivolagna hoe: "A ramose o, ino mô no tsy maintsy hatôko mbô handôvako ny fiainagna mandrakizay?" 26 Jesosy nivolagna hoe: "Ino mô no voasôratra amin'ny lalàgna?Karakory famakianô ananjy?" 27 Nagnomia valinteny izy de nivolagna hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fognao jiaby, amin'ny fagnahinao jiaby, amin'ny herinao jiaby, amin'ny fisainagnanô jiaby, ary tiavo ny namanô karan'ny taignanao." 28 Jesosy nivolagna taminanjy hoe: "Marigna ny valinteninô. Ataovy zaigny de ho velogna anô." 29 Fô ny mpampianatra, nagniry hagnamarigna ny tegnany, de nivolagna tamin'i Jesosy hoe: "Izôvy mô namako?" 30 Jesosy namaly ka nivolagna hoe: "Nisy lalahy raiky nirôrôgna avy tagny Jerosalema ho agny Jeriko. Izy de nindahin'ny mpagnaindaka, de nalainy fanagnana jiaby taminanjy sady nivileziny izy de navailany kôfa ho foaty izy. " 31 Ary sendra nisy mpisorogna nandalo taminjany lalagna zagny, kôfa nahita ananjy izy, de nandaiha tampitany. 32 Karanjagny koa nisy Levita raika, kôfa nandalo tamin'ilay toeragna kay nahita ananjy, de nandaiha tampitany. 33 Fô nisy Samaritana raiky, kôfa nandaiha tamin'ny tany nandaihanany izy, de tônga tamin'ny tany nisy ananjy. Kôfa nahita ananjy izy, de nitsetra ananjy. 34 De nagnatogna ananjy izy kaY nifognôsiny ny fery ananjy, ary nandraràhany mainaka sy divaigna taminanjy. Nampitikininy ny biby ananjy izy, kay nindôsiny talôtely, ary nikarakarainy. 35 Amaraignaniny de nalaka denaria roa izy, ary natôlony ny tompon'ny hôtely zaigny, ary nivolagna izy hoe: 'Karakarao izy, ary na otrino na otrino laninô mihoàtra, kôfa mierigna zaho magnaifa ananjy. ' 36 Izôvy aminjare telo nieritreretinô, mbô kamaradin'ilay naindahina mpagnaidaka?" 37 Namaly ilay mpampianatra hoe: "Ilay raiky zay naneho fiantragna ananjy. "Jesosy nivolagna taminanjy hoe: "Mandihana ary magnanova karanjagny koa." 38 Ary kôfa niara-nandaiha taminjare Izy, de niditra tan-tanàgna raiky, ary nisy viavy raika nantsôvigna hoe Marta nampandroso Ananjy tandragnony. 39 Nanagna rahavavy atao hoe: Maria izy, zay nipaitraka tan-tongon'ny Tompo ary nitandregny raha nivolagniny. 40 Fô Marta sahiragna be tamin'ny fikarakaragna ny sakafo ho arôso. Nandaiha tamin'i Jesosy izy, de nagnano hoe: "Tompo, tsy mampagnino Anô ny agnombailan'ny rahavaviky anahy hiasa raika? Kay volagno izy mbô hagnampy anahy." 41 Fô namaly ny Tompo ka nagnano hoe: "Marta, Marta, magnahy amin'ny raha maro be anô, 42 kanaifa raha raiky foagna no taigna ilaigna. Maria de aifa nifidy zay taigna tsara, zay tsy alagna aminanjy."