Tôko faha 11

1 De zao raha nitranga refa nivavaka tamin'ny toeragna raiky Jesosy, nisy raika tamin'ny mpianany nivolagna taminanjy hoe: "Tompo, mbô hampianaro mivavaka zaihay karan'ny nampianaran'i Jaona reo mpianany." 2 Aozin'i Jesosy taminjare hoe: "Kôfa mivavaka anare de volagno hoe: 'Ray o, ho hamasinigna anie ny agnaragnô. Ho tônga anie ny fanjakagnanô. 3 Amiavo anay ny hanignanay igniany. 4 Ambilao ny fahotagnanay, karaha ny nambilanay zay meloka taminay. Aza mitôndra anay handaiha amin'ny fakam-pagnahy." 5 Jesosy nivolagna taminjare hoe: "Izôvy aminare no hanagna namagna, ary handaiha aminanjy amin'ny sasakaligna, ary agnano aminanjy hoe: 'Ry namagna, mbô ampindramo môfo telo edy zaho, 6 fô misy namako raiky vô tônga avy lavitry, ary tsy managna na ino na ino harôso aminanjy zaho.' 7 Ary hamaly ananjy donko raiky tatragno kay nivolagna hoe: 'Aza mifagnelingeligna.' Aifa mifody tamiagna, ary ny zanako, aifa mandry am-pandriagna, miaraka aminahy. Tsy afaka mitsangagna zaho hagnomia môfo anô.' 8 Mivolagna aminare Zaho, fô na de tsy mitsangagna sy magnomia mofo ananjy aza izy satria mpikamarady zare, de hagnomia fô izy nohon'ny fikirizany tsy misy haignatra, de hitsangagna izy ary hagnomia môfo jiaby zay ilainy. 9 Mbô milaza aminare koa aho, Mangataha, de amiagna anare; mitadiava, de hahita anare; konkogno, de hisokafigna anare. 10 Fô ny ôlogna jiaby zay mangataka de mahazo, ary zay mitady de mahita; ary zay ôlogna magnonkogna, de hisokafigna. 11 Izôvy aminare raim-pianakaviagna re mô, kôfa angatahan'ny zanany lôko, de hagnomia ananjy bibilava fô tsy lôko? [Fagnamarihagna: re fandikagna tegna tsara de misy vaki-teny fohy kokoà, zay arahintsika aketo. Ny fandikagna talôha sanany de misy vaki-teny lavalava kokoà, zay hita akô amin'ny Matio7:9 koa: "Raim-pianakaviagna izôvy aminare, mô mangao môfo ny zanakare, no hagnomia ananjy vato? Na lôko, de hagnomia ananjy bibilava?" ] 12 Na kô mangao atody izy, de hamiagnare ala izy vô? 13 Noho zagny, kô anare ratsy fagnahy aza mahay magnomia fagnomaizagna tsara ho an'ny zanakare, de karakôry ny habaizan'ny Fagnahy Masigna hamian'ny Ray anare izay any an-danitra ho an'ireo izay mangao Aminy?" 14 Ary Jesosy nandroàka demonia moà. Kôfa niboika lay demonia, de nahay nivolagna lay lalahy moà, ary magnana ny vahoaka. 15 Fô ny ôlogna sanany nivolagna fô: "Amin'ny alalan'i Belzeboba, zay mpitarika ny demonia, no androasany demonia." 16 Ny sanany nitsapa Ananjy ary nizaha famantaragna avy tagny an-dagnitra taminanjy. 17 Naifa fantatr'i Jesosy zay tagnaty lôhanjare ka nivolagna taminjare Izy hoe: "Re fanjakagna jiaby zay mirasarasa de rava, ary ny tragno zay mirasarasa de hirodagna." 18 Kô miady an-tragno Satana, agnano akory hampaharitra ny fanjakagnany? Fa ozinare hoe mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Zaho. 19 Kô mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Zaho, amin'ny alalanjôvy ndraiky no androahan'ny mpagnara-dia anare ananjy? Donko, de zare no hitsara anare. 20 Kô mandroaka ny demonia amin'ny alalan'ny ratsan-tagnan'Andriamanitra Zaho, de tônga aminare ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Kôfa ampy fitôvagna tsara ny lalahy mantajaka raika miamby tragnony, de voahambigna ny hariagnany, 22 Naifa kô raha mahery noho izy ny lalahy raika ka mandresy ananjy, de alain'ilay lalahy mahery kokoa amin'ilay lalahy ny fiadiana, ary ho robainy ny fanagnan'ilay lalahy. 23 Zay tsy miaraka Aminahy de mpanôhitra Anahy, ary zay tsy mionkogna aminay de misaraka aminahy. 24 Kôfa miala amin'ôlogna raika ny fagnahy ratsy, de lasagna izy mamakivaky toairagna tsisy rano ary mizaha fitsaharagna. Ary kôfa tsy mahita, de aozy hoe: "Andaiha ierigna an-dragno niaviako zaho.' 25 Kôfa tafaerigna, izy dia mahita zagny tragno zagny mady sy milamigna. 26 Avake de lasagna izy malaka fagnahy hafa ratsy lavitra ny te miisa fito miaraka aminanjy ary de miditra mbô hipaitraka akô zare jiaby. Kay ratsiratsy lavitra ny te ny iafaran'izagny ôlogna zagny." 27 Kôfa nivolagna raha re Izy, de nisy viavy raika nanandratra ny feony tagnaty vahoaka ary nagnano taminanjy hoe: "Sambatra ny kibo zay nitairaka Anô sy ny nono zay ninonoanô." 28 Fa Aoziny hoe: "Zay mitandregny ny Tenin'Andriamanitra sy mitagna anjany, no Sambatra lavitra noho zegny." 29 Kô mbôla nitômbo ny vahoaka, de nanomboka nivolagna Jesosy hoe: "Itô taranaka tô de taranaka ratsy. Mizaha famantaragna izy, naifa tsisy famantaragna hatoro ananjy afa-tsy ny famantaragnan'i Jona. 30 Fô karaha ny nahatônga an'i Jona ho famantaragna tamin'ire Ninivita, karanjegny koa de ho famantaragna ny Zanak'Ôlogna amin'ity taranaka itô" 31 Ny Mpanjaka vavin'ny Atsimo de hitsangagna amin'ny fitsaragna miaraka amin'ireo lalahy amin'itô taranaka itô kay hanameloka anjare, fa tônga avy tagny amin'ny faran'ny tany izy mbô hitandregny ny fahidriagnan'i Solomona, ary indro, aketo misy Ôlo- maventy noho i Solomona. 32 Ny lalahin'ny Ninive de hiara hitsangana amin'itô taranaka itô amin'ny fitsaragna ary hagnameloka ananjy, satria nibaibaka tamin'ny toritenin'i Jona zare, ary indro, misy Ôlogna maventy noho Jona aketo. 33 Tsisy ôlogna raiky, kôfa mamelogna jiro, de apaitraka ambandraha na agnaty bazary, fô atô ambôny pilasinjiro, mbô ho hitan'izay miditra ny hazavagnany. 34 Ny masonô no jiron'ny vatagnanô. Kôfa tsara ny masonô, de rakotra hazavagna ny taignanô jiaby. Fa kô ratsy ndraiky ny masonô, de ahizigna ny taignanô. 35 Noho zagny, mitandrema anare mbô tsy ho maizigna ny hazavagna aminare. 36 Ary, kôfa feno hazavagna ny taignanô jiaby, kay tsisy ampahan'zagny maizigna, de ho karanjeny ny jiro zay mampamiratra ny hazavagna amin'ny taignanô jiaby. 37 Kôfa vita raha nikoragniny, de nisy Fariseo nagnasa ananjy hiaraka-hihinagna aminanjy an-dragnony, de niditra Jesosy kay nipaitraka. 38 Magnana ilay Fariseo fô tsy nagnasa alôhan'ny hihinagna Jesosy. 39 Fa aozin'ny Tompo taminanjy hoe: "Avahizo, anare Fariseo, de magnady ny ivailan'ny tasy sy ny lasety, naifa ny agnatinare de feno rombaka sy faharatsiagna." 40 Anare hely saigna! Tsy nagnano zay ao agnatiny mô no nagnano ny ivailany? 41 Amiavo ny mahantra zay ao agnatiny, de ho mady ho anare aby ny raha jiaby. 42 Fa loza ho anare ry Fariseo, satria mandoa ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny kakazo hafa agnaty ala anare, naifa tsy nahoanare ny fahamarinagna sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaigna ny magnano ny marigna sy ny mitia an'Andriamanitra, no sady tsy magnadino ny raha hafa koa. 43 Loza ho anare ry Fariseo, fô tianare ny pilasy vôlôhany amin'ny synagoga sy ny fiarahabagna feno fagnajana anare a bazary. 44 Loza ho anare, fô anare de karan'ny fasagna tsisy famantaragna zay hidiavin'Ôlogna fa tsy fantany zagny. 45 Ny raika taminjare mpampianatra lalàgna nivôlagna taminanjy hoe: "Mpampianatra o, zegny lazainô zegny de manaivataiva anay koa.'' 46 Jesosy nivôlagna hoe: 'Ho anare, ry papiana-dalàgna ! Fô mampitôndra ainta-mavaisatra tsy zakan'ôlo anare, naifa tsy mikasika zegny ainta-mavaisatra zegny na de ny ratsan-tagnanare raika aza. 47 Loza ho anare, satrià magnôrigna fasagna ho an'ire paminany anare, naifa ny razambenare no namono azy ire. 48 Koa vavolOmbelogna ary magneky ny asan'ny razagnare anare, fô namono azy ire tokoàtra zare ary anare no magnôrigna ny fasagny. 49 Karanjeny koa, no anambaran'ny fahindriagnan'Andriamanitra hoe: 'Handaifa mpaminagny sy apostoly aminjare Zaho, ary zare hamono sy hagnenjika ny sanany amin'izy re.' 50 Itô taranaka itô, zany, no ho tômpon'andraikitra amin'ny ràn'ire mpaminagny jiaby nilatsaka hatramin'ny hiforôgnan'izao tontolo izao, 51 nanomboka te amin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, zay nivonigna tagnivon'ny alitara sy ny fitoeragna masigna. Ia, volagniko marigna aminare, fa itô taranaka itô no ho tompon'antoka. 52 Loza ho anare ry mpampianatra lalàgnan'ny Jiosy, satrià nalainare ny fagnalahidin'ny falalagna; tsy mitsôfotra akô ny taignanare, ary sakananare, ire zay miditra.'' 53 Tavafaran'ny nialan'i Jesosy také, de nanôhitra Ananjy ny panôra-dalàgna sy ny Fariseo ary niady hevitra taminy mikasika ny raha maro, 54 sady nihaizaka ny hamandrika Ananjy tamin'ny teniny ihany.