Tôko faha 12

1 Tamin'izegny, kôfa niara-niangogna ny vahoaka andrivony maro, baitsaka loàtra kay nifandià zare, vôlôhany indrindra de nanomboka nivôlagna tamin'ire mpianany Izy hoe: "Tandremo ny anign'ire Fariseo, zay fitsarambailatsihy. 2 Fô tsisy takogna zay tsivoaka, ary tsisy miafigna zay tsy ho hay. 3 Kay na ino na ino volagninare akô amin'ny haizigna de regny agnatin'ny fazavagna, ary zay volagninare mangigigna de hambara ampaibemaso. 4 Milaza aminare Za ry kamaradiky, aza matahotra ire zay mamono ny taigna, ary avafaran'izegny de tsisy na ino na ino azony atô aikia. 5 Fô hampitandrigna anare Za ny amin'izay hatahôragna. Matahôra ilay raika kôfa avy mamono, de managna fahifagna ny hagnary anare agny amin'ny helo. Ia, mivôlagna aminare Za, matahôra Ananjy. 6 Tsy ambidy farantsa hely ro ve ny tsitsina dimy? Kanaifa tsisy raika amin'iregny zay adigno agnatraihan'Andriamanitra. 7 Fô na ny voron-dôhanare asa de voaisa dahôlo. Aza matahotra. Fô lômbolômbony tsitsina maro anare. 8 Ahozy Za aminare, izay jiaby magneky Za agnatraihan'ny ôlo, ny Zanak'Ôlogna ihany koà de hagneky ananjy agnatraihan'ire anjelin'Adriamanitra, 9 fô zay mandà Za agnatraihan'ôlogna de ho lavigna agnatraihan'ire anjelin'Adriamanitra. 10 Zay jiaby mivôlagna manôhitra ny Zanak'Ôlogna, de havaila aminy zegny, fô zay jiaby mivôlagna ratsy manôhitra ny Fagnahy Masigna kôza, de tsy voavaila zegny. 11 Kôfa mitôndra anare agnatraihan'ny Synagoga, ire panapaka, sy ire manam-pahifagna zare, de aza magnahy ny amin'izay ho fomba fivôlagnare, ho fiarôvan-taignanare, na izay hilazainare, 12 satrià ny Fagnahy Masigna no hampianatra anare zay tôkony hilazainare amin'izegny laira zegny.'' 13 Avake nisy ôlogna raika avy takô amin'ire vahoaka nivôlagna taminy hoe: ''Ry papianatra, volagno ny ralahiky mbô hirasa lôva aminahy.'' 14 Jesosy nivôlagna taminy hoe: "Alalahitô, zôvy namaitraka Za ho mpitsara na pagnailagnailagna anare''? 15 Ahozy Izy taminjare hoe: ''Miambaina mbô hitananare ny taignanare lavitra ire fagnirian-dratsy jiaby, satrià ny fiainagn'ôlo raika de tsy miankigna amin'ny fabaitsaky ny fanagnany.'' 16 Avake Jesosy nagnano fagnoharagna raika taminjare, nivôlagna hoe: "Namoà be ny raha tan- tsabon'ny lalahy mpanadraha raika, 17 zay nagnontany taigna izy, kay nivôlagna hoe: 'Ino mô ny atôko, fô tsy managna toairagna hikajiagna vokatranahy reto zaho? 18 Ary aozy hoe: 'Zô raha atôko. Hirobaiko ny tragno fitoaira-vokatranahy de hagnaboatra maventiventy noho ty zaho ary aminaré no hikajianako ny vokatranay sanany. 19 De hivôlagna amin'ny fagnahiko za hoe: "Ry fagnahiko, anô de managna vokatra baitsaka mikajy an-dragno maro. Mitsahara tsara, de momoàna, misotroa, mifalia." 20 Fô Andriamanitra nivôlagna taminanjy hoe: 'Ry lalahy adala, igniany ariva foàgna ny fagnahinô de halaiky aminao, ho anin-jôvy raha ré? 21 Zaigny ny ôlogna zaigny mikajy hariagna ho an'ny taignany Ary tsy manan-kariagna manoloagna an'Andriamanitra." 22 Jesosy nivôlagna tamin'ny mpianany hoe: "Noho zagny de volagniko aminare, aza magnahy ny amin'ny aignanare sy zay hohaninare, na ny mômban'ny tenanare zay tafinare. 23 Fô ny aigna de mihoatra noho ny raha hohanigna, ary ny taigna de mihoatra noho ny raha tafigny. 24 Hivero ny goaika, tsy mamafy zare na mijinja. Tsy magnana tohitra zay hikajianagna, kanaifa amian'Andriamanitra hanigna zare regny. Karanjeny karakory ny fihoaragnare noho re vôrogna! 25 Zôvy aminare no afaka magnampy zehy raika amin'ny andro iaignany aminy fanahigna? 26 Ke zegny raha hely be zegny aza tsy ainare atô, kay akôry anare miahiahy ny amin'ilay tavaila? 27 Hivero re lilia - magnano akory ny faniriny. Tsy miasa zare regny, na mamboly. Kanaifa lazaiky aminare, fô na i Solomoma tamin'ny voninahitrananjy jiaby tsambôla nagnatô regny. 28 Kôfa tafin'Andriamanitra karanjany re ahitra an-tsabo, zay aké igniany, ary amaraigna de arian'Andriamanita agnaty fatagna, mihoatra lavitra noho zagny ny hampitafian'Andriamanitra anare ry hely finoagna! 29 Aza mizaha zay ho haninare sy zay ho sotroinare, ary aza magnahy. 30 Fô reo firenegna jiaby ambon'ny tany aketo re de mizaha regny raha regny, ary fantatry Babanare fa mila anjagny anare. 31 Fô zaha malôka ny fanjakagny, de hamiagna ho fagnampiny ho anare ny raha jiaby. 32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, satria ny Babanare de taigna faly hagnomia anare ny fanjakagnany. 33 Ambidì re fanagnare ary amiazo ny mahantra. Magnanova kajiam-bôla ho an'ny taignanare zay tsy mety kôro hariagna agny andagnitra zay tsy mety lany, zay tsy tsisy mpangalatra ankilany, ary tsisy kadradraka mandratra. 34 Fô agny amizay hipitrahan'ny hariagnanare, de ankagny koa fonare. 35 Ôka ny lamba lavanare hatônare angnadilagnare, ary ôka ny jironare hirehitra hatrany, 36 ary magnanova karahan're ôlogna zay mandigny re tompony hierigna avy namonjy mariazy, mbô kôfa tônga izy kay handondogno, de hanôkatra tamiagna ananjy zare. 37 Sambatra ny mpanompo, zay hitan'ny tompony fô miambigny kôfa tônga izy. Volagniko marigna aminare, fo hisikigna ny lamba lavany agnandilany izy, ary hampipetraka anjare an-databatra, kay ho avy izy ary hanompo anjare. 38 Kô avy aminy laira faharoa androaligny ny Tompo, na amin'ny laira fahatelo aza, kay mahita anjare vognona, de ho sambatra re mpanompo re. 39 Ho fagnampiny zegny de fantako zô, kô fantan'ny tômpon-tragno ny laira hatongavagn'ny mpangalatra, de tsy havailan'ny tragnony ho vakigna. 40 Mivognòna koa, fa tsy fantanare ny laira hatongavan'ny Zanak'Ôlogna." 41 Petera nivolagna hoe: "Topmpo ô, aminay foagna no ivolagnanô zegny fagnoharagna zegny, sa amin'ôlo jiaby?" 42 Nivolagna ny Tompo hoe: "Izôvy araiky no mpitantagna mahatoky sy hendry zay hitindren'ny tômpony ho ambônin're mpanompony hafa mbô hagnomia anjare ny anjara sakafonjare amin'ny fotoagna mety? 43 Sambatra zagny mpanompo zagny, zay hitan'ny tômpony magnano zagny kôfa tônga izy. 44 Koragniko aminare fa hi tindreny hanapaka ny fanagnany jiaby izy." 45 Fô kô mivôlagna ao am-pony zaigny mpanompo zaigny hoe: 'Nahisony ny tompoko ny fihiraignany,' kay manomboka mamono re mpanompo lalahy sy viavy, ary hômagna sy misotro, kay nanjary mamo, 46 Ny tompon'zagny mpanompo zagny de ho avy amin'ny andro tsy ampoizigny, amin'ny laira tsy fantany, ary hanapatapaka ananjy kay hanomagnan'ny toairagna ho ananjy miarakamin're tsy mahatoky. 47 Zagny mpanompo zagny, nahafantatra ny sitrapon'ny tompony, kanaifa tsy niomagna na nagnano araka ny sitrapony, de hivilezigna amin'ny familaizagna maro. 48 Fa zay tsy nahafantatra ary magnano zay manjary azahoagna vely ndraika, de vilezigna amin'ny familezagna hely. Fô re jiaby zay namiagna be de bebe koa no takiagna aminanjy, ary reo zay nagnankignana be, de taigna be no angahoegna aminanjy. 49 Tônga zaho hanipy afo ambonin'ny tany, ary karakory ny fagnirianako mbô hirihaitan-jagny malaky. 50 Fô managna fagnanovam-batisa mbô hagnanovana batisa zaho, ary karakory ny fahoriako mandra-pahatantairak'izagny! 51 Mihevitra mô anare fô tônga Zaho mbô hitôndra fiadanagna aketo an-tany? Ahe, mivolagna aminare Za, fô fisarahagna aza. 52 Manomboka zao de hisy dimy an-dragno raika hisaratsaraka, ôlogna telo manohitry ny roa, ary ôlogna roa manohitra ny telo. 53 Hisaratsaraka zare, ny babany hanohitra ny zanany lahy, ary ny zanaka lalahy hanohitra ny babany; ny reny hanohitra ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy hanohitra ny reniny; ny rafôzam-bavy hanohitra ny vinanto vavy ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafôzam-bavy." 54 Nivolagna tamin're vahoaka koa Jesosy hoe: "Kôfa mahita rahogna mifôrogna eny andraifagna anare, de avy hatrany anare de mivolagna hoe: 'Hisy oragn'andro ho avy,' ary de mitranga zagny. 55 Kôfa misy rivotra mitsoka avy agny atsimo, de aozinare hoe: 'Hisy hafanagna be ho avy,' ary mitranga zagny. 56 Ry mpiahatsaravelatsihy, haignare ny mandika ny toetoetry ny tany sy ny lagnitra, fô karakory tsy ahaizanare mamantatra zô andro avahizo zô?" 57 Karakory anare tsy mitsara marigna ho an'ny taignanare? 58 Fô kôfa mandaiha miaraka amin'ny mpifagnandrina aminare agnantraihan'ny mpitsara ambôny anare, mbôla an-dalagna de miezahà handamina ny olagna miaraka aminanjy mbô tsy handihanany handrirotra anare amin'ny mpitsara, ary mbô tsy hanolôran'ny mpitsara anare agny amin'ny mpamatotra, ary mbô tsy handifasany anare agny am-ponja. 59 Hoa zaho aminare tsy ho tafambôka akô mihitsy anare mandrapa agnifanare ny vola farany zay madinika indrindra."