Tôko faha 13

1 Taminjany andro zagny, nisy ôlogna sasany take nivolagna taminanjy ny momba re Galiliana zay ny ràn'izy re no nafangaron'i Pilato tamin'ny sorony manôkàgna. 2 Namaly Jesosy ary nivolagna taminjare hoe: "Anare mô mieritreritra fô re Galiliana re de mpanota mihoatra noho re Galiliana hafa jiaby satria nijaly karaha zaigny? 3 Ahe, Zaho mivolagna aminare fô kô tsy mibaibaka anare, anare rehetra de ho foaty karanjegny. 4 Na regny ôlogna valo ambifôlo tao Siloama zay nilavoan'ny tikikambo kay nahafaty anjare, mievitra mô anare fa taigna mpanota ratsy mihoàtra noho re lalahy hafa tao Jerosalema regny? 5 Ahe, Hoa Za. Fa anare kô tsy mibaibaka, anare jiaby koa de ho foaty." 6 Jesosy nagnano zao fagnoharagna zao hoe: "Nisy ôlogna nanagna kakazon'aviavy raiky namboleny tan-tsabony ary tônga izy nizaha voankazo taminanjy take naifa tsy nahita na ino na ino. 7 Ilay lalahy de nivolagna tamin'ny mpagnano zaridaigna hoe: 'Indro, tônga taketo zaho aifa telo tôgna no niaizaka nizaha vihiny tamin'itô kakazo tô kanaifa tsy nahita mihintsy. Nagnino io avela handratra ny tany?' 8 Namaly lay mpagnano zaridaigna kay nivolagna hoe: 'Ambilay akea bôka izy amin'ny tôgna tô mandrapagnadiôvako manodidigna ananjy sy agnatôvako zezika aminanjy'. 9 Koa mamoà izy amin'ny tôgna magnaraka, tsara; fô kô tsy zegny, de firaiky izy!" 10 Ay Jesosy nampianatra tao amin'ny raika tamin'ny synagoga nandritra ny Sabata. 11 Indro, nisy viavy raika zay nanagna fagnahy ratsin'ny fahalimiagna nandritrin'ny valo ambin'ny fôlo tôgna te, ary izy de nivôkoka ary tsy nahavita nijoro tsara. 12 Kôfa nahita ananjy Jesosy, de nagnantso ananjy kay nivolagna hoe: "A viavy e, afaka aminô ny falimiagnanô." 13 Napaitrany taminanjy take ny tagnany, ary niaraka taminjay de nahivagna ilay viavy ary nihoby an"Andriamanitra. 14 Naifa ny mpanapaka ny synagoga de vinitra noho ny fahivagnana natôn'i Jesosy tamin'ilay viavy tamin'ny andro Sabata. Noho zegny de namaly ilay mpanapaka kay nivolagna tamin'ny vahoaka hoe: "Misy enin'andro zay tôkony iasagna. Tongava kay maivàgna, fô tsy amin'ny andro Sabata." 15 Ny Tompo namaly ananjy ka nivolagna hoe: "Ry mpiatsaravelatsihy! Tsy samy mamaha ny boriky na ny aombiny am-balananjy mô anare kay mitôndra ananjy hisotro rano amin'ny andro Sabata? 16 Ary karanjeny koa itô zanakavavin'i Abrahama tô, zay voafatotr'i Satana nandritran'ny valo ambin'ny folo tôgna tô, tsy tôkony mbô hovahagna mô ny fatotrananjy amin'ny andro Sabata?" 17 Ary kôfa nivolagna raha jiaby zegny Izy, de maignatra zare jiaby zay nanohitra Ananjy, fa ny vahoaka jiaby ndraika de faly noho ny raha jiaby malaza natôny. 18 Ary Jesosy nivolagna hoe: "Karakory ny fanjakan'Andriamanitra, ary karaha ino no afaka agnoharana ananjy?" 19 Zagny de karaha ny voatsinampy zay nalaigna sy nafifin'ny lalahy raika tan-jaridainany, kay nanjary kakazo maventy raiky, ary ny vôron'ny lanitra de nanamboatra ny tragnony te amin'ny rantsagnananjy re." 20 Mbôla nivolagna koa Izy hoe: "Ino no afaka hampitahaiky ny fanjakan'Andriamanitra? 21 Zaigny de karaha masirasira zay nalain'ny viavy raika kay nafangarony tamin'ny koba in-telon'ny famaragna mandra-piparitahany ao anatin'ny koba jiaby." 22 Jesosy de nandaiha nitety tanàgna sy ny vohitra tsirairay tagny an- àlagna mankany Jerosalema ary nampianatra ananjy zare. 23 Nisy raika nivôlagna taminanjy hoe: "Tompo, vitsy mô ny ôlogna vonjena?" Ary Aozy taminjare hoe: 24 "Miadiva ny hiditra ny tamiagna mahety anare, satria, Zaho mivolagna aminare, maro no te-hitsôfotra, fô tsy afaka ny hiditra." 25 Kôfa mitsangana ilay tompon-tragno ary mamody tamiagna, de hijoro ivelany ake anare kay hagnokogna ny tamiagna ary hivolagna hoe: 'Tompo, Tompo, ampidiro zahay.' 26 Izy hamaly kay hivolagna aminjare hoe: 'Tsy haiky anare na ny fiaviagnanare.' Ary hivolagna anare hoe: 'Nihinagna sy nisotro te alôhanô zahay, ary Anô aifa nampianatra tan-dalambenay.' 27 Fô Izy hamaly hoe: 'Mivolagna aminare Za, tsy haiky zay fiaviagnanare. Mialà amina ake, anare mpagnano ratsy!' 28 Hisy tagny sy fikitroha-nify kôfa mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminany jiaby ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra anare, naifa anare voàroaka agny ivelany. 29 Zare de avy agny antsignanana, andraifagna, avaratra, atsimo kay hipaitraka amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitra. 30 Fantàro zô, re zay tsy de manan-danja no ho vôlôhany, ary re zay taigna manan-danja no ho farany." 31 Tafara helinjagny, nisy Fariseo sanany tônga ary nivolagna taminanjy hoe: "Mandihàna laoso ny aketo satria Heroda de te-hamono Anô." 32 Jesosy nivolagna hoe: 'Mandihàna ary volagno zagny amboadia zagny hoe: 'Indro, Zaho mandroaka Demonia sy mampahivagna igniany sy amaraigna, ary amin'ny andro fahatelo de ho tratrako ny tanjoko.' 33 Na ino na ino mitranga, zava-dehibe aminahy ny manohy io, amaraigna, sy ny andro hafa, satria tsy azo ikegna ny famonoagna ny mpaminagny lavitra an'i Jerosalema. 34 "Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminagny sy mitora-bato re zay nasaigna tagny aminare. Impiry Zaho nagniry ny hagnokogna ny zanakare kara akoho vavy magnokogna ny zanany ambany ailany, naifa tsy magniry zagny anare. 35 Indro, nilaôsagna ny tragnonare. Zaho de mivolagna aminare, tsy ho hitanare Zaho ambaram-pivolagnanare hoe: "Sambatra zay avy amin'ny agnaran'ny Tompo."