Tôko faha 14

1 Ary indray Sabata, kôfa nandaiha antragnon'ny raika tamin'ire mpitarika ny Fariseo hihinagna môfo Izy de nagnara-maso Ananjy mariny zare. 2 Indro, talôhany nisy lalahy raiky zay nampijalen'ny Edema. 3 Jesosy nanontany re manam-pahaizagna amin'ny lalàgnan'ny Jiosy sy re Fariseo hoe: "Manjary atô mô ny mampahivagna amin'ny andro Sabata, sa tsy manjary?" 4 Fô zare de nangigna. Noho zagny de niraisin'i Jesosy izy, ary nampahivagniny, de nalaifagny handaiha. 5 Hoziny taminjare hoe: "Zôvy aminare manan-janaka lahy na aomby tafalatsaka agnaty lava-drano amin'ny andro Sabata no tsy hanjovy ananjy samiaraka?" 6 Zare de tsisy navita nagnomia valiny an're raha re. 7 kôfa arakan'i Jesosy ny fomba fisafidianan-jare zay nasaigna ny toeram-boninahitra, nagnano fagnoharagna Izy, nivolagna taminjare hoe: 8 "Kôfa asaigna amin'ny mariazy anare, aza mipaitraka amin'ny toeram-boninahitra, satria mety nisy ôlogna nasaigna mbola manam-boninahitra noho anare. 9 Kôfa tônga le ôlogna zay nagnasa anare, de hivolagna aminare izy hoe: 'Amia an'itô ôlon-kafa itô ny toeragnanô,' ary amin-kaignatra no andihananare hamonjy ny toeragna farany ambany." 10 Kôfa asaigna anare, mandiàna de mipitràha amin'ny toeragna farany ambany, amzay kôfa mandalo ake Ilay ôlo nagnasa anô, de mety hivolagna anô izy hoe: 'A kamarady, miakara ambônimbôny.' Ary avake de hamiam-boninahitra anare agnatraihan're miray latabatra aminare jiaby re. 11 Fa re zay manandra-taigna de hahahetry, ary zay magnetri-taigna de hasandratra." 12 Jesosy koa nivôlagna tamin'ilay lalahy nagnasa Ananjy hoe: "Kôfa magnomia hanigna na fagnasana anô, de aza magnasa ré kamaradinô na ré ralahinô na ré ankilanô na ré manjary magnodidigna anô, amin'ny mety agnasany anô de fagnaifan'izagny, de valiàny anô. 13 Kôfa magnano fagnasana anô, asaivo ny mahantra, ny managn'antsa, mandringa, ary ny jamba, 14 de ho sambatra anô, satria tsy afaka hamaly anô zare. Fa anô de ho voavaly amin'ny fitsanganan'ny marigna." 15 Kôfa naregny raha re ny raika taminjare niray latabatra tamin'i Jesosy, de nivolagna taminanjy izy hoe: "Sambatra zay hômagna ny môfo amin'ny fanjakan'Andriamanitra!" 16 Fô Jesosy nivolagna taminanjy hoe: "Nisy lalahy raika nikarakara hanim-be ary nagnasa ôlogna maro. 17 Kôfa voakarakara ny sakafo, de nagnasa ny mpanompony izy hivolagna amin're zay nasaigna hoe: 'Mandosoa, fô ny raha jiaby aifa vôgnona.' 18 Zare jiaby de nitovy saigna ary nanomboka nagnano fialan-tsigny. Lay vôlôhany nivolagna taminanjy hoe: Nividy tsabo za, kay tôkony hivoaka za hizaha zaigny. Miala tsigny za.' 19 Ary ny raika hafa nivôlagna hoe: 'Nividy aomby fôlo za ary andaiha hamantatra anjaigny. Miala tsigny za. 20 Avy take nisy lalahy raika hafa nivolagna hoe: "Vao avy nagnano mariazy za, kay noho zagny de tsy afaka ny ho avy zaho.' 21 De tônga lay mpanompo ary nivolagna tamin'ny tompony re raha re. Avy te lay tompon-tragno vignitra kay nivolagna tamin'ilay mpanompony hoe: "Mandihàna malaky amin're andalambe sy an-dalankely aketo an-tanàgna de hindôso atô ny mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny managn'antsa.' 22 Nivolagna ilay mpanompo hoe: "Tompo aifa vita zay nibokoenô, fô mbôla misy toairagna foàgna.' 23 Aozin'tô tompony tô tamin'ilay mpanompo tô hoe: "Mandihana agny an-dalambe sy sisim-boly ary tiré zare ho avy, amin'izay ho feno ny tragnoko. 24 Fô volagniko aminaré, tsisy hagnandragna ny hanignanahy re lalahy nasaigna ré." 25 Ary vahoaka maro no nandaiha niaraka taminanjy, ary nitodika Izy ary nivolagna anjare hoe: 26 "Kô misy aminare magnatogna Anahy ary tsy mankahala ny babany, sy mamany, ny vadiny, ny zanany, re rahalahiny sy re rahavaviny, ary na ny fihaignany aza, de tsy afaka ny ho mpianatranahy izy. 27 Na zôvy na zôvy tsy milanja ny kakazofijaliagny ary magnaraka Anahy de tsy afaka ny ho mpianatro. 28 Fô izôvy aminare, zay magniry ny hanangagna tilikambo, no tsy mipaitraka alôha ary mikajy ny fandaniana kô managna zay ilaigna hamitagna ananjy izy? 29 Kô tsy zegny, kôfa namaitraka ny fototra izy naifa tsy hahavita zegny aby, de hanomboka handatsa azy reo jiaby zay mahita anzagny, 30 magnano hoe: 'Io lalahy io nanomboka nanangagna kanaifa tsy nahavita aby.' 31 Na mpanjaka ino kô mandaiha hifanaitra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipaitraka alôha ary haka hevitra raha miaraka amin'ny lalahy ray aligna de afaka hiady amin'ny mpanjaka hafa zay tônga manohitra ananjy miaraka amin'ny lalahy ro aligna? 32 Kô tsy zagny, kô mbôla lavitra ny tafika hafa, de mandaifa antoko izy ary mangataka fepetra ho amin'ny fihavanagna. 33 Kay noho zegny, na zôvy na zôvy aminare tsy mahafoy zay raha jiaby hanagnany de tsy afaka ho mpianatro izy. 34 Tsara ny sira, fa kô very ny tsiron'ilay sira, ino no hiraignany mbô ho masigna ndraiky? 35 Tsy misy ilan'ny tany na de zezi-tany aza. Ariam-poagna zaigny. Zay manan-tadigny mitandrignaisa."