Tôko faha 15

1 Ary re mpamory hetra jiaby sy ny mpanota sanany de tônga tamin'i Jesosy te, mbô hitandregny Ananjy. 2 Nifampimenimenigna zare Fariseo sy re mpanôra-dalàgna, nivolagna hoe: "I lalahy io de mandray mpanota, ary miara-hômagna aminjare mihintsy aza." 3 Jesosy nagnano zô fagnoharagna zô taminjare, nivolagna hoe: 4 " Zôvy aminare, kô managna ondry zato izy ary avake very ny raika aminjare, kay tsy hagnombaila ny sivy amby sivifôlo agny an-tany efitra, ary handaiha hizaha ilay raika very mandra-pahitàny ananjy? 5 Kôfa hitany zagny, de apaitrany eo agnavay ary mifaly izy. 6 Kôfa tônga an-dragno izy, de antsoviny aby re namany sy re mpiara-monigna aminanjy, mivolagna aminjare hoe: "Mifalia miaraka aminahy, fô hitako lay ondry ana very.' 7 Karanjagny koa, mivolagna aminare Zaho, fô hisy fifaliagna agny an-dagnitra nohon'ny mpanota raika zay mibaibaka, mihoatra noho reo ôlo-marigna sivy amby sivy fôlo zay tsy mila mibaibaka. 8 Na izôvy no viavy zay managna farantsa kely fôlo, kô very ny farantsa raika, no tsy hamelogna jiro, hamafa ny tragno, ary hizaha amim-pahazotoana mandra-pahitàny zagny? 9 Kôfa hitany zagny, de antsôviny aby re namany sy re mpiara-monigna aminanjy, kay hivolagnany hoe: 'Mifalia miaraka aminahy, fô hitako ilay farantsa kely raika zay very,' 10 Karanjagny koa, Zaho milaza aminare, misy fifaliagna eo agnatraihan'ny Anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota raika zay mibaibaka." 11 Avy te Jesosy nivolagna hoe: "Nisy lalahy raika nanan-janaka roa lahy, 12 ary ny faralahy taminjare nivolagna tamin'ny babany hoe: 'A baba a, amiavo anahy ny anjara hariagna zay tôkony ho anahy.' Ke nizarainy taminjare re ny fanagnany. 13 Tsy aila tafaran'zagny, lay faralahy nagnonkogna ny anjarany jiaby kay nandaiha tamin'ny firenegna raika lavitra te, ary tagny izy no nandany re haraignany jiaby tamin-ditra. 14 Ary kôfa lanigny aby jiaby, de nisy silôgna be nisahely tamin'io firenegna io, kay nanomboka tagnantin'ny fahasahiragnana izy. 15 Nandaiha izy nikarama tamin'raika tamin'ire mponigna tao amin'io firenegna io, zay nandaifa ananjy tagny an-tsabony mbô hamahan-dambo izy. 16 Te hihinagna mafy reo hanin-dambo re izy, satria tsisy ôlogna nagnomia ananjy na ino na ino. 17 Fô kôfa tônga saigna ilay faralahy, de nivolagna izy hoe: 'Firy amin're manompon'ny babako no managna hanigna mihoatra ny fanôka, ary zaho tô, matin-tsilôgna aketo! 18 Ialako aketo kay ho agny amin'ny babako zaho, ary zaho hivolagna aminanjy hoe: "A baba, aifa nanota tamin'ny lagnitra sy tamasonô zaho. 19 Tsy tôkony antsovigna hoe zanakanô aiky za; fô atôvy karaha raiky amin're mpanomponao zaho." 20 Noho zegny nandaiha ilay faralahy kay nankagny amin'ny babany. Kô mbôla lavitra izy, de hitan'ilay babany, ary tohigna nangoraka, kay nihazakazaka ary namihigna sy nagnôroka ananjy. 21 Ilay zanany lalahy nivolagna hoe: 'A baba a, aifa nanota tamin'ny lagnitra sy te amasonô zaho. Tsy tôkony antsôvina hoe zanakanô aiky.' 22 Ilay babany nivolagna tamin'ny mpanompony hoe: 'Indosy malaky re akanjo faran'ny tsara kay atôvy aminanjy, ary atôvo pairatra ny tagnany, sy kapa ny hongony. 23 Avake hindoso atô ilay zanak'aomby matavy, kay vony zagny. Andô antsika hagnana fety! 24 Satria zanakolahy de maty, ary avahizo i velogna ndraiky. Very izy, ary avahizo io hita ndraika.' Avy te de nanomboka nikoragna zare. 25 Ary ilay talagn'ôlo de tan-tsambo. Kôfa tônga nagnantogna lay tragno izy, de naharegny mozika sy dihy. 26 Nagnantso ny raika tamin'ny mpanompo izy ary nanontany ananjy hoe raha misy ino? 27 Ilay mpanompo nivolagna taminanjy hoe: 'Nôdy andragno ny ralahinô kay nivonin'i babanare ny zanak'aomby matavy satria tônga soa aman-tsara izy.' 28 Vignitra ilay talagn'ôlogna, ary tsy niditra, de niboaka ny babany, ary niangavy ananjy. 29 Naifa namaly ilay talagn'ôlogna ary nivolagna tamin'ny babany hoe: 'Zaha, aifa an-tôgnany maro no nanompoako anô, ary mbôla tsy nandika ny lalàgnanô zaho, ary anô tsy mbôla nagnomia na de zanak'osy nahafahako nikoragna niaraka tamin'ny kamaradiko aza, 30 kanaifa kôfa tônga zanakanô lahy, zay nandritra ny fanagnanô tamin'ny mpivaro-taigna, de nivoninô ho ananjy lay zanak'aomby nafahy.' 31 Aozin'ilay babany taminanjy hoe: 'Zanakô, anô de miaraka aminay foagna, ary zay raha jiaby anahy de aninô. 32 Kanaifa rarigny ho antsika ny mikoragna sy mifety, satria itô rahalahinô itô de maty, fô avahizo de velogna ndraiky; very izy, ary avahizo de hita ndraiky.'"