Tôko faha 16

1 De aozin'i Jesosy tamin're mpianany hoe: "Nisy lalahy mpanan-kariagna raiky nanagna mpitantagna, ary notanterigna taminanjy fô io mpitantagna io no nandany ny fanagnany jiaby. 2 Kô nampagnatso ananjy ilay lalahy mpanan-kariagna ary nivolagna taminanjy hoe: 'Ino raha regniko momba anô zegny?Magnomiaza tatitra momban'ny asa fitantagnanô, fa anô tsy afaka ho mpitandri-panagnana aiky.' 3 Ary ilay mpitandrim-pagnanana nivolagna tan-tsaignany hoe: "Ino re no tôkony atôko, fô magnala anahy amin'ny asa tantaniko ny tompoko? Tsy manan-kery hiasagna tany zaho, ary mainatra ny hangataka zaho." 4 Fantako ny ho atôko, mbô kôfa alany amin'ny asa fitantagnako zaho, de hampandroso anahy an-tragnonjare ny ôlogna.' 5 Avy te lay mpitan-draharaha nanantso ny tsiraikiraiky tamin're mpitrôsan'ny tompony, de nanontany lay voalohany izy hoe: 'Otrino no anagnan'ny tompoko aminô?' 6 Nivolan'izy hoe: 'Mainaka oliva zato litatra.' Nivolagna taminanjy izy hoe: 'Raiso ny taratasinô, mipitraha malaky, ary dimampôlo soratagna.' 7 Ary avake ilay mpitantagna nivolagna tamin'ny raika hoe: 'Otrino ny trosanô?' Nivolagna izy hoe: 'Vary zato famaragna.' Nivolagna taminanjy izy hoe: 'Raiso ny taratasinô, ary soraty hoe valopôlo.' 8 Avy te lay tompo de nidaira lay mpitantagna tsy marigna satria niasa tamin-kafetsiagna izy. Fa taigna fetsy ny zanak'izao tontolo izao ny amin'ny fifagnarahagna amin'izy samy ôlogna noho ny zanaky ny fahazavagna. 9 Mivolagna aminare Zaho, mitadiava namagna amin'ny alalan'ny vola tsy marigna, amin'izay kôfa lany zagny, de ho raisin'izy re amin'ny fonegnana mandrakizay anare. 10 Zay mahatoky amin'ny faran'ny hely de mahatoky amin'ny be koa, ary zay tsy marigny amin'ny tena hely de tsy marigny amin'ny be koa. 11 Kô tsy mahatoky amin'ny fampiasagna vola tsy marigny anare, zôvy no hatoky anare amin'ny hariagna marigna? 12 Kô tsy mahatoky amin'ny fampiasagna ny vôlan'ny ôlo-kafa anare, zôvy no hagnomia vôla ho anare manokagna? 13 Tsisy mpanompo afaka manômpo tompo ro, fô na izy tsy tià andraika de tià ny raikia, na koà hanôlo- taigna ho andraika de hagnano tsisy dikany lay hafa. Tsy afaka manômpo an'Andriamanitra sy ny hariagna anare.'' 14 Ary ny Fariseo, zay tià vôla, kôfa naregny zegny raha zegny, de nagnamavo Ananjy zare. 15 Nivôlagna taminjare Izy hoe: "Anare de magnamarigna ny taignianare alôhan'ôlo, fô Andriamanitra mahay ny fônare. Fô zay hambonesigna agnatraihan'ôlo de ratsy agnatraihan'Andriamanitra. 16 Ny lalàgna sy ire mpaminany de nisy mandra- paviàn'i Jaona. Aifa hatramin'izegny fotoagna zegny, no aifa nitoriagna ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny tsiraikaraika de nihaizaka nagnitsy ny diàny ho amin'izegny. 17 Fô môramôra kokoà ny hahafoagna ny lagnitra sy ny tany noho ny sôratra hely be akô amin'ny lalàgna ho tônga tsy manan-kery. 18 Zay misaraka amin'ny vadiny kay mamokatra viavy hafa de mijangajanja, ary zay aifa nisara-bady de mijangajanga. 19 Ary panan-kariagna raika zay nagnatô vôloparasy sy rongony manify ary nankafy isan'andro ny harem-beny. 20 Nisy mpangataka raika antsôvigna hoe Lazarosy nipaitraka tamin'ny vavahadiny, vay foàgna, 21 ary nagniry mbô hihinagna zay latsaka avambôny latabatr'ilay lalahy ngetroka. Fô na ny kiva aza tônga milailatra ny vainy. 22 Ary de samy maty zare ro, de ilay mahantra nindôsin'anjely tankilan'i Abrahama. Naty foàgna koà lay mpanan-kariagna ké nariagna, 23 ary takô amin'ny fahaverezagna, de nanandratra ny masony izy ké nahita an'i Abrahama tegny alavitra sy Lazarosy také ankilany. 24 Kay niàka mafy izy sy nivôlagna hoe: 'Abrahama Baba, mamindrà fo aminahy ary asaivo Lazarosy, mbô handrobohany ny tendron'ny rantsan-tanany ao anaty rano hely ampangatsiatsiaka ny lailako, fô mijaly mafy za akato may. 25 Fô Abrahama nivôlagna hoe: 'Anaka, aza adignonô fô ana aifa nahazo zavatra tsara ianao, naifa ny an'i Lazarosy kosa zavatra ratsy. Fô avaizo ndraiky izy no voatambitamby, mbô anjaranô ndraiky mijaly. 26 Fô akoàtr'izégny jiaby izégny, de misy lavaka be, mbo tsy afaka hiampita izay te-hiampita avy ety mankeny aminareo, ary tsy misy afaka hiampita avy eny hankety aminay.' 27 Lay lalahy ngetroka nivôlagna hoe: 'Miangavy anô za, ry Abrahama Baba, mbô asaivo zalahy ho agny aminay _ 28 fô managna ralahy dimy za_ mba afahany mampitandrina anjare, nohon'ny tahotra ny hatongavagn'izy ireo ato amin'ito pilasin'ny fijaliana ito koa." 29 Fô nivôlagna Abrahama hoe: 'Managna an'i Mosesy sy ny mpaminany zare; ôka zare hitandregny azy ire.' 30 Ary namaly ilay lalahy ngetroka hoe: Tsia, ry Abrahama Baba, ra misy avy take amin'ny maty mankany aminjare, de hibaibaka ire. 31 Fô Abrahama kôza nivôlagna taminy hoe: 'Ra tsy mihaino an'i Mosesy sy ireo mpaminany zare re, de tsy ho resy lahatra mihitsy na misy ôlo mitsangagna amin'ny maty aza.'''