Tôko faha 17

1 Jesosy nivôlagna tamin-jare mpianany hoe: "Azo antoka fô hisy raha hafa hanôsika antsika hanota, fô loza ho an'ny ôlogna zay hiaviany zagny! 2 Taigna tsara aminanjy kô agnatôvagna vatobe agnam-bôzony kay hatsipy agny an-andranomasigna, toy zay hatafitohigna ny raika amin're madinika ré. 3 Mitandraima anaré. Kô manota ny ralahinare, volagno mafy izy, ke mibaibaka izy, mamilà ananjy. 4 Kô manota aminô impito agnatin'ny andro raiky izy, kay impito miverigna aminô izy, mivôlagna hoe: 'Mibaibaka zaho,' de tsy maintsy mamaila ananjy anô!" 5 Ire apostoly nivôlagna tamin'ny Tompo hoe: "Ampitomboe ny finoagnay." 6 Ny Tompo nivolagna hoe: "Kô managna finoagna karaha voatsinampy anaré, de afaka mivôlagna amin'ny voaroihazo io hoe: 'Miavôta, ary magniria agny an-dranomasigna,' de hagneky anaré izy. 7 Fô zôvy aminaré, mô no managna mpanompo miasa tany na mpiambigna ondry, kay hivôlagna aminanjy kôfa tônga avy agny agnatiala izy hoe: 'Avia malaky kay mipitraha mbô hihinagna'? 8 Fô tsy hivôlagna aminanjy mô izy hoe: 'Karakaray raha hioaniky, kay atôvo saintiry magnodidigna ny lambanô de manompoà anahy mandrapahalanin'ny hanignànahy sy fisotroàgnanahy. De avaké anô hômagna sy misotro'? 9 Tsy misôtra lay mpanompo izy satrià nagnano ré zay nibokoeny ananjy izy, sa misôtra izy vô? 10 Na de anaré koà aza, kôfa nahavita ré raha jiaby zay nandidiany anaré ré, de tôkony hivôlagna hoe: 'Zaihay de mpanompo tsy manjary. Zay tôkony natônay foàgna no natônay.''' 11 Ary kôfa nandaiha tagny Jerosalema Izy, de nadaiha tamôron-tany tagnailagnailan'i Samaria sy Galilia. 12 Kôfa niditra tô amin'ny tanàgna raika izy, de nisy boka fôlo lahy nitrôtra taminanjy tô. Nitsangagna lavitra Ananjy zare 13 ary nanandratra ambôny ny feonjare zare, kay nivôlagna hoe: "Jesosy, Tompo o, mamindrà fo aminay.'' 14 Kôfa nahita anjare Izy, de nivôlagna tamin-jaré hoe: "Mandihana de ampizahà anjaré ny mpisorogna ny taignanaré.'' 15 Kôfa lasagna igny zare de nadi. Kôfa nahita ny raika tamin-jare zaré fô nahivagna izy, de niherigna, niaraka tamin'ny feo avo ary nankalaza an'Andriamanitra. 16 Niankôhotra tan-tongon'i Jesosy izy, nanôlotra fisôragna ho Ananjy. Izy de Samaritana. 17 Ary Jesosy nivôlagna hoe: "Tsy aifa nadi mô izy fôlo? Fô akaiza ny sivy? 18 Tsisy hafa niherigna hagnomià voninahitra an'Andriamanitra vô, afa- tsy tô vahiny tô? 19 Ary Aoziny taminy: "Mitsangàna, kay mandihana. Ny finoàgnanô no nampahivagna anô.'' 20 Kôfa nagnontanian-njaré Fariseo hoe raha oviàgna mô ny fanjakan'Andriamanitra no tônga, de namaly ananjare Jesosy kay nivôlagna hoe: "Tsy taza- maso ny fiaviàn'ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Tsy hivôlagna koà zare hoe: 'Irôko ilai izy!' Fô Indro, ny fanjakan'Andriamanitra de agnatinare.'' 22 Hoy izy tamin'ire mpianatra: "Avy ny andro hagniriànare ny ahita andro raika amin'ny andron'ny Zanak'Ôlogna, fô tsy ahita zaigny anaré. 23 Ary zare de hivôlagna aminjaré hoe: 'Zahà arô, zahà atô!' Fô aza miboàka na magnenjika aninjare, 24 fô karaha tselatra mangilatra mazava kôfa mitaratra avy agny amin'ny hilan'ny lagnitra kay zisika agny amin'ny ilany raika, de karanjany ny Zanak'Ôlogna amin'ny androny. 25 Fô vôlohany de tsy maintsy hijaly amin'ny raha maro Izy ary ilazin'ny taranaka tô. 26 Karaha zay nitranga tamin'ny andron'i Noa, no hiseho koà amin'ny andron'ny Zanak'Ôlogna. 27 Nihinagna zare, nisotro, nanambady, natôlotra ho ampakarigna, mandra- piaviàn'ny andro zay nidiran'i Noa tamin'ny sambofiara ary tônga ny Safo-drano kay nandringagn'ôlo jiaby. 28 Karaha izay nitranga tamin'ny andron'i Lota nihinagna sady nisotro izy ré, nividy sy nivarotra, namboly sy nagnano trano. 29 Fô tamin'ny andro zay nivoahan'i Lota avy tagny Sodoma, de afo sy solifara no nilatsaka avy tagny an-dagnitra kay nandringagna ananjy jiaby. 30 De karan-jagny koà ny amin'ny hisehoàn'ny Zanak'Ôlogna. 31 Amin'izaigny andro zaigny, aza availa hirôrogna halaka ire aitagnananjy ho ivailan'ny tragno zay agny amin'ny tômpon-tragno; ary aza availa hierigna zay agny an-tsabo. 32 Tsarôvo ny vadin'i Lota. 33 Na izôvy na izôvy zay mizaha hamonjy ny aignany de hahavery ananjy, fô na izôvy na izôvy hahavery ny aignany de hamonjy ananjy. 34 Milaza aminareo Aho, fa amin'izany alina izany dia hisy olona roa eo ambonin'ny fandriana iray. Ny iray dia horaisina, ary ny iray ho avela. 35 Ary hisy roa vavy miara-mitoto vary. Ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela." 36 [Fanamarihana: ireo fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny andininy faha 36 hoe: "Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela."] 37 Nanontany Azy izy ireo hoe: "Aiza, Tompo?" ary Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Izay hitoeran'ny faty, dia any koa no hisy votoro hiara-miangona."