Tôko faha 18

1 Avake Izy nilaza fagnoaragna taminjare ny momba ny tôkony hivavahanjare isanan'andro, ary tsy ho kaitraka, 2 nivôlagna hoe: "Tamin'ny tanàgna raika de nisy mpitsara zay tsy natahotra an'Andriamanitra ary tsy nagnaja ôlo. 3 Nisy mpitôvo raika tamin'io tanàgna io, ary izy nandaiha aminanjy matetika, kay nivôlagna hoe: 'Ampià za mbô hazahoako rariny manoloagna ny favaloko. 4 Fô aifa haila izy no tsy vôgnona hagnampy ananjy, fô tavafarahelin'izegny de nivôlagna izy hoe: 'Na de tsy matahotra an'Andriamanitra aza za na tsy magnaja ôlo, 5 fô satrià mandrairaka za itô viavy mitôvo itô, de hagnampy ananjy za mbô hazahoany rariny, mbô tsy hiraignany lava atô. 6 Avake nivôlagna ny Tompo hoe: "Tandrignaiso zay ambaran'ilay mpitsara tsy marigna. 7 Ary tsy hitôndra rariny ho an'izay voafidiny zay magnantso mafy Ananjy andro aman'aligna koa ve Andriamanitra ? Hangatak'andro lava aminjare ve izy? 8 Volagniky aminare fô hitôndra rariny malaky aminjare izy. Karanjegny koà, kôfa tônga ny Zanak'Ôlogna, hahita finoagna ambônitany ve izy ?'' 9 Avake koà Izy nivôlagna zô fagnoaragna zô tamin'ny sanagny zay natoky ny taignanjare fô hoe marigna sy zay manaivataiva ire ôlo hafa: 10 "Nisy rolahy niaraka tan-tempoly mbô hivavaka _ ny raika de Fariseo ary ny raika mpamory hetra.'' 11 Lay fariseo nitsangagna ary nivavaka ireto raha momban'ny taignany ireto hoe: 'Andriamanitra ô, misôtra Anô za fô tsy mitovy amin'ôlon-kafa _ mpangalatra, ôlo tsy marigna, mpijangajanga _ na karaha itô aza. 12 Mifady hanigna indro isan-kerinandro za. Magnamià apafôlokarena za.' 13 Fô lay mpamory hetra, nitsangagna lavitra, kay nizaha lagnitra de nivôlagna hoe: "Andriamanitra ô, mamindrà fo aminahy, mpanota.' 14 Mivôlagna aminare Za, io lalahy io de niherigna nitsôfotra tandragnony voamarigna noho lay raika, satrià zay mandra-taigna de hahetra, fô zay magnetri-taigna no hasandratra.'' 15 Ny ôlo koà de nitôndra ny zanagny hely taminy mbô hitahany zegny ire mpianatra, de nivôlagna mafy azy ire. 16 Fô Jesosy nagnantso azy ire hagnatogna Ananjy, nivôlagna hoe: "Avilay ny zaza hagnatogna Za, ary aza raragna zare. Fô karananjy ire ny fanjakan'Andriamanitra. 17 Volagniky marigna aminare, na zôvy na zôvy tsy kara io zaza tô de tsy hahazo zegny fanjakan'Andriamanitra zegny mihitsy.'' 18 Ary nisy mpanapaka raika nagnontany Ananjy hoe: "Mpampianatra tsara ô, ino no tsy maintsy hatôko mbô handovako ny fiainagna mandrakizay?'' 19 Jesosy nivôlagna taminy hoe: "Nagnino Za antsôvinô hoe tsara? Tsisy ôlo tsara, afa-tsy Andriamanitra raika ihany. 20 Hainô ire didy_Aza mijangajanga, aza momono ôlo, aza miditra vavolambelogna mandaingia, magnaja babanô sy mamanô.'' 21 Nivôlagna lay mpanapaka hoe: "Ra jiaby zegny de aifa nitandraimako nanômboka za tanora.'' 22 Kôfa naregny zegny Jesosy, de nivôlagna taminy hoe: "Ra raika no tsy ampy aminô. Ambidy ny fanagnanô zaray amin'ny mahantra ary hanagna hariagna agny an-dagnitra anô_ ary avià, agnaraka Za.'' 23 Fô kôfa naregny zegny lay mpanapaka, de nanjary nalahelo mafy, fô nanan-draha be izy. 24 Ary Jesosy, nahita ananjy nalahelo mafy [Fagnamarihagna: Ire manam-pahaizagna de misara-kevitra ra tôkony ampidirigna aketo hoe :[Izy] de nanjary nalahelo mafy. Ampitovio ny And 23] ary nivôlagna hoe: "Magnakôry ny fasarôtan'ny fidiragna akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'ire zay mpanambôla! 25 Fô môramôra kokoà ho an'ny ramaiva ny hitsôfotra amin'ny vodim-pilo, noho ny hidiran'ny mpanambôla akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra.'' 26 Ire zay naregny de nivôlagna hoe: "Izôvy ariky no afaka vonjegna?'' 27 Jesosy namaly hoe: "Ire raha zay hain'ôlogna de hain'Andriamanitra.'' 28 Petera nivôlagna hoe: 'Indro, nagnombaila ny raha jiaby zaihay ary nagnaraka anô.'' 29 Ary Jesosy nivôlagna hoe: "Volagniky marigna aminare, fô tsisy ôlo zay nafoe tragno, na vady, na ralahy, na ray aman-dreny, na zanaka, nohon'ny fanjakan'Andriamanitra, 30 zay tsy hahazo be kokoà amin'itô, tontolo itô ary amin'ny andro ho avy, de fiainagna mandrakizay.'' 31 Kôfa avy nagnangogna ny rombifôlo lahy te Aminy Izy, de ahoziny taminjare hoe: "Indro, miakatra ho agny Jerosalema antsika, kay ra jiaby ire zay voasôratr'ire mpaminany momban'ny Zanak'Ôlogna de ho tantairaka. 32 Fô hatôlotra amin'ire Jentilisa Izy, kay himohaizagna, sy halagna baraka, ary androragna. 33 Afaran'ny hamilaizagna Ananjy, de voninjare Izy ary amin'ny andro fatelo de nitsangagna ndraiky Izy.'' 34 Tsy hainjare na ino na ino tamin'ire raha ire, ary nafeniny taminjare ire volagna zegny, ke tsisy azonjare ire raha izay novolagnina. 35 Ary ra narivo an'i Jeriko i Jesosy, de nisy lalahy jamba raika nipaitraka tan-tsisin-dalagna, nagnatogna, 36 ary ra naregny ny vahoaka nandalo, de nagnontany zay ra nitranga izy. 37 Nilaza taminy zare hoe nandalo take Jesosy avy agny Nazareta. 38 Koa nagnantso mafy ilay lalahy jamba, nagnano hoe: ''Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminahy.'' 39 Fô ire zay nandaiha talôha de nivôlagna mafy i lalahy jamba io, kay nivôlagna taminy mbô hangignia. Fô izy vô maika nagnantso mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida, mamindra fo aminahy.'' 40 Jesosy nijanogna ary nagnasa mbô hitondragna ilay lalahy aminanjy. Ary kôfa tankilany ilay jamba, de nagnontany ananjy Jesosy hoe: 41 "Ino no tiànô hotôko ho anô?'' Nivôlagna izy hoe: ''Tompo, tiàhita za.'' 42 Jesosy nivôlagna taminy hoe: ''Mahirata. Ny finoagnanô no nasitragna anô.'' 43 De nahita tampoka te izy ary nagnaraka Ananjy, nagnamia voninahitra an'Andriamanitra. Ny ôlo jiaby, kôfa nahita zegny, de nanôlotra fideragna ho an'Andriamanitra.