Tôko faha 19

1 Niditra Jesosy ary nandalo an'i Jeriko. 2 Indro, nisy lalahy zay nantsôvigna hoe Zakaiosy te. Izy de sefon'ny mpamory hetra sady nanan-kariagna. 3 Nihaizaka ny hahita izy hoe zôvy Jesosy zegny, naifa tsy afaka nahita takô agnaty vahoaka, satrià fohy izy. 4 Koa niazakazaka izy nandaiha alôhan'ire ôlo de nagnanika kakazon'aviavy raika mbô hahita Ananjy, satrià handalo amin'izegny lalagna zegny Jesosy. 5 Nony tônga tamin'ilay toeragna Jesosy, de niandrà Izy kay nivôlagna taminy hoe: "Ry Zakaiosy, mirirôgna malaky fô handaiha andragnognô Za niany.'' 6 De nirôrogna malaky izy ary nandray Ananjy tamim-pifaliagna. 7 Kôfa nahita zegny ôlo jiaby, de nitaraigna dahôlo, de nivôlagna hoe: "Niditra hamangy lalahy zay mpanota Izy.'' 8 Nitsangagna Zakaiosy kay nivôlagna tamin'ny Tompo hoe: "Ny antsasaky ny fanagnako amiako ny mahantra, ary ra nisy rah'ôlo nalaiky tsy amin'ny rariny de hifaiky hinaifatranigny.'' 9 Jesosy nivôlagna taminy hoe: ''Igniany de tônga akato ny famonjiagna, satrià izy koà mbô Zanak'i Abrahama. 10 Fô ny Zanak'Ôlogna de tônga mbô hitady sy hamonjy ny very.'' 11 Ra naregny raha zegny zare, de nanohy nivôlagna Izy ary nagnano fagnoaragna raika, satrià aifa nariny Jerosalema Izy, ary zare nieritreritra fô hiseo tampoka ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Noho zegny Izy de nivôlagna hoe: ''Nisy tandapa raika nandaiha tagny an-tany lavitra mbô hahazo fanjakagna ho an'ny taignany ary hierigna avake. 13 Nagnantso fôlo lahy tamin'ire mpanompony izy, ary nagnamia farantsa fôlo azy ire, ary nivôlagna taminjare hoe: 'Magnanôva mivarôta mandra-piaviako.'' 14 Kanaifa ire vahoakany tsy tià ananjy ary nagnondaifa solontaigna nagnaraka ananjy, nivôlagna hoe: 'Tsy lainay ny hanjakan'io lalahy iaketo aminay.' 15 Ary kôfa niherigna ndraiky izy, avy nandray fanjakagna, de nandidy ire mpanompony zay namiany vôla mbô agnatogna ananjy izy, mbô hafantarany zay tômbony azonjare tamin'ny fivarôtagna. 16 Tônga tagnatraihany voalôhany, nivôlagna hoe: 'Tompo, ny farantsanô de nahazo tômbony farantsa fôlo mihoatra.' 17 Nivôlagna ananjy lay tandapa hoe: 'Tsara zegny, ry manômpo tsara. Noho anô natoky tamin'ny hely, de ho tendregnia ho mpanapaka amin'ny tanàgna fôlo anô. 18 Tônga lay faro, nivôlagna hoe: 'Ny farantsanô tompo, de nahazo dimy.' 19 Ary nivôlagna taminy ilay tandapa hoe: 'Hanapaka amina tanàgna dimy anô.' 20 Tônga ny raika hafa nivôlagna hoe: 'Tompo, indro ny farantsanô, zay namianô za nakajiky tsara tagnatilamba, 21 fô natahotra anô, za satrià lalahy masiaka anô. Kay malaka zay tsy napaitrakanô, ary misangotra zay tsy nambolenô.' 22 Nivôlagna lay tandapa hoe: 'Amin'ny teninô manôkagna no hitsarako anô, ry mpanompo ratsy fagnahy. Fantanô fô za de lalahy masiaka, malaka zay tsy napaitrako, ary misangotra zay tsy namboleky. 23 Kay nagnino tsy napaitrakanô tamin'ny banky ny vôlako, kay kôfa niherigna za de nalaka ananjy niaraka tamin'ny zanagny ?' 24 Lay tandapa nivôlagna tamin'ire zay nitsangagna tankilany hoe: 'Alà aminanjy ny farantsa, ary amià lay managna farantsa fôlo.' 25 Ary ahozy zare taminy hoe: "Tompo, managna farantsa fôlo izy.' 26 Izôvy mivôlagna aminare, fô zay managna de hamiagna mihoatra, fô zay tsisy, de zay anagnany de halaigna. 27 Fô ire favaloko, de ire zay tsy nagniry za hanjaka aminjare, indôso atô zare ary vony aketo agnatraihako.''' 28 Kôfa avy nivôlagna an'ire raha ire izy, de nandaiha talôha, niakatra ho agny Jerosalema. 29 Ary nony tônga nariny Betifaga sy Betania Izy, tamin'ny tanety antsôvigna hoe Oliva, de nagniraka ny ro tamin'ire mpianany Izy, 30 nivôlagna hoe: ''Mandiana agny amin'ny tanàgna magnaraka. Kôfa miditra anare, de hahita zana-boriky raika mbôla tsy nitikinagn'ôlo. Vaha zegny de indôso atoe. 31 Ra misy magnontany anare hoe: Nagnino vahanare io?de volagno hoe: 'Misy raha ilàn'ny Tompo ananjy.' 32 Ire zay nirahignia de nandaiha ary nahita lay zana-boriky araka ny nivôlagn'i Jesosy taminjare. 33 Kô také am-pamahagna ny zana-boriky zare, de ahozy tômpiny taminjare hoe: ''Nagnino vahanare ny zana-boriky?'' 34 Nivôlagna zare hoe: "Misy ra ilàn'ny Tompo ananjy.'' 35 Nindôsinjare tagny amin'i Jesosy zegny, ary napaitrakan-jare tambôn'ny zana-boriky ny lambany ary namaitraka an'i Jesosy tambôniny. 36 Ra nandaiha igny Izy, de nivilarinjare tan-dalagna ny lambanjare. 37 Ary kôfa narivo an'ilay toeragna firirôgnana amin'ny Tendrombohitr'Oliva Izy, de nanomboka nifaly ire mpianany maro be ary nidaira an'Andriamanitra tamin'ny feo mafy nohon'ny asa be zay hitanjare, 38 nivôlagna hoe: ''Deraigna anie ny mpanjaka zay avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Fiadanagna agny an-dagnitra ary voninahitra agny amin'ny avo indrindra!'' 39 Ny Fariseo sanagny tamin'ny vahoaka de nilaza taminy hoe: ''Mpampianatra ô, volagno mafy ire mpianatranô.'' 40 Namaly Jesosy ary nivôlagna hoe: ''Lazaiky aminare, marigna fô ra mangignia ire, de ny vato ndraiky hivôlagna.'' 41 Kôfa nagnatogna ny tanàgna Jesosy, de nitomoagny ananjy, 42 nivôlagna hoe: ''Ra mbô Fantako amin'izô andro izô, anô, ire raha zay mitôndra fiadanagna ho anô! Naifa avaizo iregny de miafigna amin'ny masonô. 43 Fô avy aminô ire andro, zay hananganan'ny favalonô fefy magnodidigna anô, ary hagnodidigna anô, ary hanery anô, amin'ny lafiny jiaby. 44 Zare de handavo anô amin'ny tany miaraka amin'ny zanakanô. Tsy hamaila na de vato raika mifampitikina aza zare, satrià anô tsy nafantatra izegny fony Andriamanitra nihaizaka ny hamonjy anô.'' 45 Nitsôfotra tan-tempoly Jesosy ary nanomboka nandroàka ire zay nivarotra, 46 nivôlagna taminjare hoe: 'Ny tragnoko de natô fivavahana,' fô anare kôza nagnano ananjy ho tragnon-dahalo.'' 47 Koà de nampianatra isan'andro tan-tempoly Jesosy. Ire lohan'ny mpisorogna sy ire mpanôra-dalagna ary ire mpitarika ny vahoaka de nitady hamono Ananjy, 48 fô tsy nahita fomba hagnanôvagna zegny zare, satrià nazoto nitandregny Ananjy dahôlo ny vahoaka jiaby.