Tôko faha 20

1 Ary andro raiky, kô nampianatra ny vahoaka tô amin'ny tempoly Jesosy ary nitory ny filazantsara, de nagnatogna Ananjy ré lohan'ny mpisorogna sy mpanôra-dalàgna niaraka taminjare lôhôlogna. 2 Nivôlagna zare, nagnano taminanjy hoe: "Volagno aminay hoe fahifagna inô no hagnanovanô ire raha ré? Na koà izôvy no nagnamia anô zô fahifagna zô?" 3 Namaly Izy ary nivôlagna hoe: "Izaho koà de hamaitraka fagnotaniagna aminaré. Volagno Aminahy ny mikasika 4 ny batisan'i Jaona. Zagny mô avy agny an-dagnitra sa avy amin'ôlombelogna?'' 5 Niady hevitra zare, nivôlagna hoe: ''Kô mamaly antsika hoe: 'Avy agny andagnitra' de hivôlagna Izy hoe: 'Kay magnino anaré no tsy mino Ananjy?' 6 Fô kô mivôlagna antsika hoe: ''Avy amin'ôlombelogna,' de hitôra-bato antsika ny vahoaka jiaby, satrià zare ré de resy lahatra fô i Jaona de mpaminagny.'' 7 Noho zaigny de namaly zare fô tsy fantanjare zay naviàny. 8 Jesosy nivôlagna taminjare hoe: ''Zaho koà tsy hivôlagna aminaré zay fahifagna hagnanovako zô raha jiaby zô.'' 9 Nivolagniny tamin'ny vahoaka zô fagnoaragna zô: "Nisy lalahy raika nagnano tanim-boaloboka, nampagnôfa zaigny tamin'ny mpambôly voaloboka, ary nandaiha tagny amin'ny firenegna hafa nandritra ny fotoagna maharitra. 10 Tamin'ny laira voatôndro de nandaifa mpanompo izy ho agny aminjare mpambôly voaloboka, fô tôkony hagnomia ananjy vokatr'ilay voaloboka zare. Nivilezin'ire mpambôly anaifa izy, ary nalaifany niherigna tagnam-pôlo. 11 Avy te de nandaifa mpanompo hafa ndraiky izy ary mbôla nivileziny koà, nalàny baraka, ary nalaifanjare tagnam-pôlo koà . 12 Mbôla nandaifa fagnintelony izy ary natônjaré naratra koà sady niroàsiny. 13 Noho zaigny de nivôlagna ny tômpon'ilay tanim- boaloboka hoe: 'Ino hatôko? Halaifako agny ny zanako lahy tsy foeky. Mety mbô hajainjare izy.'' 14 Fô kôfa tazanjare izy, de nifampi-vôlagna zare hoe: 'Iró lay mpandôva. Ndô hivonintsika izy, mbô ho lasantsika ny lôva.' 15 Niroahin-jare niala také izy ary nivoninjare. Ino Ary no hatôn'ilay tômpon'ilay tanim-boaloboka aminjaré? 16 Ho avy izy ary hamotika ire mpambôly voaloboka, ary hagnomia ilay tanim-boaloboka ho an'ny hafa.'' Kôfa naregny zagny zare, de nivôlagna hoe: "Sagnatria amin'Andriamanitra!'' 17 Fô nizahànjare Jesosy, nivôlagna hoe: "Ino ny hevitr'ilay voasôratra hoe: 'Ny vato zay nilavin'ny mpagnano tragno no tônga fehizoro?' 18 Ny tsiraikiraikia zay lavo tamin'ny vato io de harotidrotika. Fô na iza na iza hianjerany, dia ho potika.'' 19 De nitady hisambotra Ananjy tamin'io lera io reo mpanora-dalàgna sy reo mpisorogna, fô fantan-jaré fô nivolagniny io fagnoharagna io hanohitra anjare. Kanaifa natahotra ny vahoaka zare. 20 Tam-pandinihagna Ananjy tsara, de nandaifa mpitsikilo magnambara ho marigna zare, mbô hahafahan-jaré mahita tsigny amin'ny raha volagniny, kay hanolotra Ananjy eo amin'ny fanapahagna sy ny fahefan'ny governora. 21 Nagnontany Ananjy zare, nivôlagna hoe: "Mpampianatra ô, fantanay Anô fô mivôlagna sy mampianatra am-pahamarignana, ary tsy voasarikin'ny hevitr'izôvy na izôvy, fô anô de mampianatra ny fahamarignana mômban'ny lalagn'Andriamanitra. 22 Ara-dalàgna ho anay mô ny mandôà hetra amin'i Kaisara, sa tsia?" 23 Fô Jesosy de nahatakatra ny hafitsiagnan-jaré, ary nivôlagna tamin-jaré Izy hoe: 24 "Magnatoroà denaria raika Aminahy. Anjovy io sary io sy agnaragna aminanjy io?" Nivôlagna zare hoe: "An'i Kaisara." 25 Aoziny taminjaré hoe: "Noho zagny amiavo an'i Kaisara ny raha an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra, reo raha zay an'Andriamanitra." 26 Tsy nahita tsigny tamin'izay nivôlagniny te agnatraihan'ny vahoaka zare, fô de magnana tamin'ny valin-teniny kay nangigna. 27 Kôfa tônga taminanjy ny sanany taminjaré Sadoseo, re zay nivôlagna fô tsisy fitsanganagna amin'ny maty, 28 Nagnontany Ananjy zare hoe: "Mpampianatra ô, Mosesy de nanôratra ho antsika fô kô maty ny rahalahin'ny lalahy raika, manam-bady, ary tsy manan-janaka, de tôkony halaka vady an'ilay vadin-drahalahiny ilay lalahy, ary hanomia zanaka ho an'ny rahalahiny. 29 Nisy mpirahalahy fito ary ny vôlôhany nanam-bady, ary maty tsy nanan-janaka, 30 ary ny faharoa koa karanjegny. 31 Nampakatra ananjy ny fahatelo, ary karanjegny aby izy fito samy tsy nanan-janaka, ary maty. 32 Tafaran-jagny de maty koa lay viavy. 33 Amin'ny fitsanganagna amin'ny maty, ho vadinjôvy ary izy? Fô samy aifa vadin-jaré fito. " 34 Jesosy nivôlagna tamin-jaré hoe: "Reo zanak'izao tontolo izao de mampaka-bady sy ampakarina. 35 Fô reo zay hita amin'izao andro andro izao fô mendrika handray ny fitsanganagna amin'ny maty de tsy hampaka-bady na hampakarigna. 36 Tsy ho foaty eky zare, satria mitovy amin're anjely sy re zanak'Andriamanitra zay zanaky ny fitsanganagna amin'ny maty." 37 Fô ny maty de natsangagna, na Mosesy aza de nampiseho, teo amin'ilay toairagna zay nisy voaroy, zay nagnatsôvan'ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. 38 Ary Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fô ny velogna, satria ny velogna jiaby de Aminanjy." 39 Ny sanany taminjaré mpanôra-dalàgna namaly hoe: "Mpampianatra ô, namaly tsara Anô." 40 Satria tsy sahy namaitraka fagnontaniagna hafa taminanjy eky zare. 41 Jesosy nivôlagna an-jaré hoe: "Akory no ivôlagnan-jaré fô Kristy de zanaka lahin'i Davida? 42 Fô Davida taignany no nivôlagna tamin'ny Bokin'i Salamo hoe: Ny Tompo mivôlagna tamin'ny Tompoko hoe: 'Mipitraha eo an-tagnana ankavagnako, 43 mandra-pagnanovako ny fahavalonô ho fitoairan-tongonô.' 44 Noho zagny Davida de nagnatso an'i Kristy hoe: 'Tompo', kay akory no maha zanak'i Davida Ananjy?" 45 Tagnatraihan'ny ôlogna jiaby de nivôlagna taminjare mpianany Izy hoe: 46 "Mitandraima amin'ny mpanôra-dalàgna, zay magniry handaiha miaraka amin'ny akanjo lava, sy tià fiarahabagna manôkagna abazary, sy seza vôlôhany agnaty synagoga, ary toairagna vôlôhany agny amin'ny fagnasagna. 47 Zare koà de mandany ny tragnon're mpitondra-taigna, ary magnano vavaka lavareny ho fisehosehoàgna. Ny lalahy karanjegny de hahazo fagnamelohagna maventy be kokoà."