Tôko faha 21

1 Jesosy nanopy maso ka nahita reo lalahy manan-kariagna zay nandrotsaka ny fanatitran-jaré tao amin'ny fandatsahan-drakitra. 2 Nahita mpitondra-taigna mahantra raika nandrotsaka farantsa roa tao Izy. 3 Ka oziny hoe: "Volagniko marigna aminare, itô mpitondran-taigna mahantra itô de nandrotsaka baitsaka noho zare jiaby. 4 Zaré jiaby re de nagnomià fanatitra araky ny haben'ny hariagnany. Fô itô mpitondran-taigna itô, tamin'ny fahantrany, de nandrotsaka ny fivilômany jiaby." 5 Kô nisy maro nikoragna mômban'ny tempoly, fô voaravaka vato tsara tarehy sy fanatitra zagny, de hoy Izy hoe: 6 "Fô amin'reo raha hitanare re, mbôla ho avy ny andro zay tsy hisy na vato raika aza hidôko amin'ny hafa ka tsy ho ravaigna." 7 Kay nagnatogna Ananjy zare, nagnano hoe: "A mpampianatra, oviagna reo raha reo no hitranga?" Ino mô hafantaragna kôfa hitranga re raha re? 8 Jesosy namaly hoe: "Mitandraima" mbô tsy ho voafitaka anaré. Fô maro no ho avy amin'ny Agnarako hagnano hoe: 'Zaho no Izy,' ary aifa mariny ny fotoagna'. Aza manaraka anjare. 9 Kôfa maharegny ady sy fikomiagna anaré, de aza mangôrohôro, fô re raha re de tsy maintsy hitranga alôha, fa ny farany de tsy hitranga eo noho eo." 10 Ary Aoziny taminjre hoe: "Ny firenegna de hitsangagna hanohitra firenegna, ary fanjakagna hanohitra fanjakagna. 11 Hisy hôrohôron-tany maventy be, ary mosary sy areti-mandringagna agny amin'ny toairagna samihafa. Hisy tranga mampatahotra ary famantaragna maventy avy agny an-dagnitra. 12 Fô mialôhan'ire raha jiaby re, de hisambotra anare Izy re ary hangnenjika anare, hanolotra anare ao amin'ny synagoga sy ny figadragna, hitôndra anaré eo anoloan're mpanjaka sy re mpanapaka nohon'ny agnarako. 13 Zany de hagnomià fahafahagna ho amin'ny fijoroanaré vavolombelogna. 14 Noho zegny de manapaha hevitra ao am-ponaré mbô tsy hagnomagna ny fiarovanaré mialôhan'ny fotoagna, 15 fô Zaho hagnomià teny sy fahindriagna anare, zay tsy afaka toherigna sy lavin'ire mpanohitra anaré. 16 Fô anare koa de ho atolotry ny Ray aman-dreny, reo rahalahy, reo havagna sy reo namagna, ary zaré de hamono ho faty ny sanany aminaré. 17 Ho halan'ny tsiraikiraiky noho ny agnarako anaré. 18 Fô tsy hisy ho very na de singam-bolo raika eo amin'ny lôhanaré aza. 19 Amin'ny faharaitanaré ny fagnahinaré. 20 Kôfa hitanaré voadidigna miaramila Jerosalema, de fantaro fô aifa mariny ny faharavany. 21 De aoka re zay agny Jodia handositra agny an-tendrombohitra, ary aoka reo zay agny agnivon-tanàgna hiala, ary aza availa hiditra ao reo zay agny ambanivôlo. 22 Fô ire no andron'ny valifaty, mbô ho tantairaka reo raha jiaby aifa voasôratra. 23 Loza ho anaré zay bikibo sy ho anaré mampinono aminjany andro zagny! Fô hisy fahoriagna maventy be ambôny tany, ary havigniragna amin'io vahoaka io. 24 Ho lavon'ny sabatra zare ary hindôsigna ho babo agny amin'ny firenaigna jiaby, ary Jerosalema de ho voahôsihôsin'ire Jentilisa, mandrapaha-tantairaky ny andron'ny Jentilisa. 25 Hisy famantaragna eny amin'ny masoandro, eny amin'ny volana, sy eny amin'ny kintana, ary eto an-tany. Ho tra-pahoriagna re firenegna, hitaintaigna nohon'ny eron-dranomasigna sy re onja. 26 Hisy lalahy ho toran'ny tahotra sy ny fiandrasagna re raha zay ho avy eto an-tany. Fô ho voahôzongôzogna ny herin'ny lagnitra. 27 Avake de ho hitanjare ny Zanak'Ôlogna tônga eny amin'ny rahogna miaraka amin'ny hery sy vogninahitra maventy be. 28 Fô kôfa manomboka mitranga re raha re, de mitsangàna ary hasandrato ny lôhanaré, satria aifa mariny ny fanafahagna anaré." 29 Nagnano fagnoharagna taminjaré Jesosy hoe: "Zahà ny kakazon'aviavy, sy reo kakazo jiaby. 30 Kôfa mamailagna re, de hitanaré manôkagna fô aifa mariny ny lôhatôgna. 31 Karanjany koa, kôfa hitanaré mitranga re raha re, de fantanaré fô aifa mariny ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Volagniko aminaré, marigna tikoàtra, itô taranaka tô de tsy ho foaty mandra-pisehon'Ire raha re. 33 Ny lagnitra sy ny tany de ho levogna, fô ra koragniko de tsy ho levogna mandrakizay. 34 Fô mitandraima amin'ny taignanaré, mbô tsy ho vesaran'ny vokatry ny fisotroagna sy ny fahamamoagna ny fonaré, sy re ahiahin'ny fiainagna, kaY avake de hihidy tampoka aminaré karan'ny fandrika zagny andro zagny. 35 Fô zagny de ho tônga amin'ny tsiraikiraiky zay miaigna magnairan-tany. 36 Fô mbô mailo amin'ny fotoagna jiaby, mivavaha mbô ho ampy hery anaré hilifasanaré re raha jiaby zay hiseho re, ary hitsangana eo anoloan'ny Zanak'Ôlogna." 37 Koa nandritry ny andro de nampianatra tao amin'ny tempoly Izy, ary ny aligna de nandaiha nivoaka Izy ary nidoka teo an-tendrombohitr'Oliva. 38 Re vahoaka jiaby de tonga mbôla maizignizigny mbô hitandregny Ananjy tao amin'ny tempoly.