Tôko faha 22

1 Ary aifa antomotra ny Firavoravoana amin'ny Môfo tsisy masirasira, zay antsovigna hoe Paska. 2 Niady hevitra re lôhan'ny mpisorona sy re mpanôra-dalàgna ny amin'ny fomba afahanjaré mamono an'i Jesosy, satria natahotra ny ôlogna zaré. 3 Avy te Satana niditra tamin'i Jodasy Iskariota, zay raiky tamin're roa ambin'ny fôlo. 4 Jodasy nandaiha tagny amin're lôhan'ny mpisorona sy re kapiteny ary niady hevitra taminjaré ny amin'ny fomba hamadihany an'i Jesosy eo aminjaré. 5 Faly zaré, ary nagneky ny hagnomià vola ananjy. 6 Nagneky izy, ary nitady kendry tohigna mbô hanolôrany Ananjy aminjaré kôfa lavitry ny vahoaka. 7 Tônga ny andron'ny môfo tsisy masirasira, zay tsy maintsy hagnanovagna sorogna ny zanak'ondrin'ny Paska. 8 Jesosy nagnasa an'i Petera sy Jaona, nagnano hoe: "Mandaihana ary homagno ho antsika ny sakafon'ny Paska, mbô afahantsika hômagna zagny." 9 Zaré nanontagny Ananjy hoe: "Aiza no tianô hanagnôvanay ny fanomagnana? " 10 Namaly anjare Izy hoe: "Tandrignaiso, kôfa miditra ny tanàgna anaré, de hisy lalahy raika mitondra sinin-drano mitrôtro aminaré. Magnaraha ananjy amin'izay tragno idirany. 11 De volagno ny tômpon-tragno hoe: 'Ny mpampianatra mivolagna aminô hoe: "Aiza ny efi-tragno fandraisam-bahiny, zay hihinanako ny sakafon'ny Paska miaraka amin'ire mpianatro?'" 12 Izy hagnatoro anaré efitragno ambôny etazy maventy be misy fanaka. Atôvy akô ny fagnomanagna." 13 Koa de nandaiha zaré, ary nahita ny raha jiaby araka zay nivolagniny taminjaré. Ary nagnomagna ny sakafon'ny Paska zare. 14 Kôfa tônga ny fotoagna, de nipaitraka niaraka tamin'ire apostoly Izy. 15 De nivolagna taminjaré Izy hoe: "Nagniry mafy ny hihignana itô Paska itô miaraka aminaré Zaho mialôhan'ny hijaliako. 16 Fô volagniko aminaré, tsy hihinagna itô eky Zaho, mandra-pahatantairak'izagny agny amin'ny fanjakan'Andriamanitra." 17 De nandray kapoaka Jesosy, ary kôfa nisôtra Izy, de nagnano hoe: "Raiso itô, ary rasay aminaré. 18 Fô volagniko aminaré, tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka eky Zaho, mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra." 19 De nandray ny môfo Izy, ary kôfa nisotra, de notapahiny zagny, ary namiàny anjaré, de nivolagna hoe: "Itô ny vatako zay amiagna anaré. Atôvy zao ho fahatsiarôvagna Anahy." 20 Noraisiny karanjagny koa ny kapoàka kôfa vita ny sakafo, de Aoziny hoe: "Itô kapoàka itô de ilay fanekena vaovao amin'ny ràko, zay narotsaka ho anaré. 21 Fô mitandraima. Ilay raika zay hamadika Anahy de miaraka Aminahy aketo an-databatra. 22 Fô ny Zanak'Ôlogna de mandaiha tikoàtra araka zay voatendry. Fô loza ho an'izay lalahy zay hamadika Ananjy zagny!" 23 Nanomboka nifapagnontany zaré ny amin'iraika izay mety hagnano anjany. 24 De nisy fifandiragna niseho koa taminjare momba zay heverigna ho lehibe indrindra aminjaré. 25 Nivôlagna taminjare Izy hoe: ''Iré mpanjakan'ny Jentilisa de tompn'izy irè, ary irè zay managna fahifagna aminjaré de atô ho karaha zay magnano tsara ho an'ny vahoakany. 26 Fô tsy karanjegny mihitsy ny aminire. Mifanôhitra amin'izegny, ôka zay te lehibe indrindra aminare ho lasa toy ny hely indrindra, ary ôka zay manan-danja indrindra ho tônga kara zay manômpo. 27 Fô zôvy no lehibe kokoà, zay mipaitraka amin'ny latabatra, sa zay manômpo? Tsy zay mipaitraka eo amin'ny latabatra ve? Kanaifa Za akéto aminare mitovy ny raika zay manômpo. 28 Fô anare no ôlo zay nanohy niaraka taminahy takô amin'ny fakam-pagnahy niàtra taminahy. 29 Amiako fanjakagna anare, kara Babako koa zay nagnamia fanjakagna ho Anahy, 30 mbô ho afaka hihinagna sy hisotro eo an-databatranahy agny amin'ny amin'ny fanjakako anare, ary hipaitraka eo amin'ny sezy fiandrianagna hitsara ny fokon'ny Israely roambinifôlo anare. 31 Simona, Simona, mitandraima, mitady ny hahazo anare Satana, mbô afahany manivagna anare kara vary. 32 Fô nivavaka ho anô Za, mbô tsy ho foàty ny finoagnanô.Tavafaran'ny hiraignanô ndraika, de ampaherezo iré ralahinô.'' 33 Petera nivôlagna taminy hoe: "Tompo, vôgnona hiaraka Aminô za na agny angadrà na ho agny amin'ny fafataisagna.'' 34 Jesosy namaly hoe: "Volagniky aminô, ry Petera, mbôla tsy hagneno ny akôho amin'izegny andro zegny, alôhan'ny handavanô Za intelo hoe tsy mahay Za anô.'' 35 De nivôlagna taminjare Jesosy hoe: "Kôfa nandaiha anare tsy niaraka tamin'ny fitoeram-bôla, fitoeram-basy, na kiraro, nisy raha tsiampy anare ve?'' Namaly zare hoe: "Tsisy. '' 36 De nivôlagna taminjare Izy hoe: "Fô zao, zay managna fitoeram-bôla, ôka izy hialaka zegny, na fitoeram-basy ihany koà. Zay tsy managna lefogna de tôkony hivarotra ny lambany ary hividy raika. 37 Fô Za mivôlagna aminare, zay voasôratra momba Za de tsy maintsy tantairaka: 'Izy de niraisignia kara raika amin'ire tsy managnara-dalagna.' Fô zay nivôlagna miàlôha momba Za de aifa ho tantairaka'' 38 de nivôlagna zare hoe: "Tompo, zahà! Ireto misy lefogna roa.'' Izy nivôlagna taminjare hoe: ''Ampy Zay.'' 39 Tafaran'ny sakafo, de nandaiha Jesosy, kara fatôny matetika, tagny an-tendrombôhitr'Oliva, ary nagnaraka Azy irè mpianatra. 40 Kôfa tônga zare, de ahozy taminjare: ''Mivavaha mbô tsy hidiranare amin'ny fakam-pagnahy.'' 41 Niala taminjare aviatrany amin'ny indray mitôra-bato Izy, de nandongalitra Izy ary nivavaka, 42 nagnano hoe: "Baba ô, ra sitrakanô, de alà aminahy itô kapoàka itô. Na zegny aza tsy zay tiàko, fô zay tiànô hatôko.'' 43 De nisy anjely avy agny an-dagnitra niseho taminy nampahery Ananjy. 44 Takô agnatin'ny harariagna, nivavaka tamin-kafanam-pô mafy kokoà Izy, ary ny dignitrany de nanjary kara rà nitete tamin'ny tany. 45 Ary kôfa nitsangagna avy nivavaka Izy, de nanday agny amin'ny mpianatra, ary nahita azy ire nandry nohon'ny alahelonjare, 46 kay nagnontany azy irè hoe: "Nagnino anare mandry? Mitsangàna ary mivavaha, mbô tsy hidiranare amin'ny fakam-pagnahy.'' 47 Ra mbôla nivôlagna Izy, indro, nisy vahoaka niseho, niaraka tamin'i Jodasy, raika amin'iré rombifôlo lahy, nitarika azy irè. Nagnankaiky an'i Jesosy izy mbô hiôroka Ananjy, 48 fô Jesosy nivôlagna taminy hoe: "Jodasy, mamadika ny Zanak'Ôlogna amin'ny ôroka ve anô?" 49 Kôfa nahita ra-niseho irè zay nagnodidigna an'i Jesosy, de nivôlagna zare hoe: "Tompo, tôkony rantsangninay amin'ny lefogna ve zare? 50 Avake ny raika tamin'iré mpianatra nampijagna ny tadignin'ny mpanompon'ny mpisôrogna be, ary tapaka ny hilany ankavanagna. 51 Jesosy nivôlagna hoe: "Ampy zay!'' Nitanany ny tadigny, de nitahany izy. 52 Jesosy nivôlagna tamin'ny lohan'ny mpisorona, tamin'ire kapitenin'ny tempoly, ary tamin'ire lôh'ôlogna zay tônga nanôhitra Ananjy hoe: "Tônga karaha hanambotra mpangalatra mô anaré, miaraka min'ny sabatra sy langilangy? 53 Tamin'Zaho niaraka taminaré tan tempoly, tsy nisambôrinaré Za. Fô zô no lairanaré, sy ny fahifan'ny hizigna." 54 Take am-pisambôragna Ananjy, de notarihin-jare Izy, Ary nindôsinjaré tagny an-tragnon'ny mpisoronabe. Fô Petera nagnaraka avy lavidavitra. 55 Kôfa nampirehitra afo teo agnivon'ny tôkotany ary niara-nipaitraka zaré, de nipaitraka tagnivon-jaré Petera. 56 Nisy mpanompo viavy raika nahita ananjy nipaitraka te amin'ny fahazavan'ny afo, ary nizaha mahitsy ananjy sy nivôlagna hoe: "Itô lalahy itô koa niaraka taminanjy." 57 Fô Petera nandà zegny, nivôlagna hoe: "A viavy e, tsy fantako Izy." 58 Afaka kelikely de nisy ôlogn-kafa nahita ananjy, ary nivôlagna hoe: "Anô koa raika amin-jaré." Fô Petera nivôlagna hoe: "A lalahy e, zaho tsy izy." 59 Nony afaka adiny raika te ho eo de nisy lalahy hafa nagnizingizina sy nivôlagna hoe: "Marigna fô niaraka taminanjy koa itô lalahy itô, fô izy de Galiliana." 60 Fô Petera nivôlagna hoe: "A lalahy ro, tsy haiky raha volagninô." Te no ho eo, kô mbôla nivôlagna izy, de nisy akôho nagneno. 61 Nitodika, ny Tompo nizaha an'i Petera, ary Petera nahatsiaro raha nikoragnin'ny Tompo, tamin'ny nivolagnany taminanjy hoe: "Alôhan'ny hagninoan'ny akôho igniany de handà Anahy intelo anô." 62 Niboaka tagny ivailany Petera ary nitomoàgny mafy. 63 Ary lalahy re niambigna an'i Jesosy de nagnadala ary namely Ananjy. 64 Natôvan-jaré sarin-dôha Izy ary nanontagny Ananjy zaré, nivôlagna hoe: "Maminanià! Zôvy lay ôlogna namely anô?" 65 Nivôlagna raha hafa maro hanôhitra an'i Jesosy zaré, nagnasàha Ananjy. 66 Kôfa nazava ny andro, de niara-nivory re lôh'ôlogna, ny lôhan'ny mpisorona sy ny mpanôra-dalàgna. Nidôsin-jaré tagny amin'ny Synedriona Izy 67 ary nivôlagna hoe: "Koa Anô no Kristy, de volagno aminay."Fô izy nivôlagna tamin-jaré hoe: "Kô volagniko aminaré, de tsy hino anare," 68 ary kô hagnontany anaré Zaho, de tsy hamaly anaré. 69 Fô manomboka zo, ny Zanak'Ôlogna de hipaitraka eo an-tagnana akavagnan'ny herin'Andriamanitra." 70 Zare jiaby nivôlagna hoe: "De Zanak'Andriamanitra zagny Anô?" Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: "Voalazanare fô Zaho no Izy." 71 Zaré nivôlagna hoe: "Nagnino no mbôla mila vavolombelogna antsika?" Fô antsika mitsy no maharegny avy tamin'ny vavany."