Tôko faha 23

1 Nitsangagna ny ôlo jiaby taminjaré, ary nitôndra an'i Jesosy te anoloan'i Pilato. 2 Nanomboka niampanga Ananjy zaré, nivôlagna hoe: "Hitanay itô lalahy tô namaitavaita ny firenegnanay, nandrara ny hagnomiàzagna ny hetra ho an'i Kaisara, ary nivolagna fa Izy taignany mitsy no Kristy, mpanjaka." 3 Pilato nagnontany Ananjy, nivôlagna hoe: "Anô mô no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesosy namaly ananjy ary nivôlagna hoe: "Voalazanô." 4 Pilato nivôlagna taminjaré lôhan'ny mpisorogna sy zaré vahoaka hoe: "Tsy mahita fahadisoagna amin'itô lalahy to zaho." 5 Fô mbôla nagnizingizigna zaré, nivôlagna hoe: "Magnakorontagna ny vahoaka io, mampianatra eran'ny Jodia manontolo, manomboka avy agny Galilia na hatrety amin'itô toeragna itô aza." 6 Kôfa regnin'i Pilato zagny, de nagnontany izy kô raha Galiliana lay lalahy. 7 Kôfa hitany fô ambany fahefan'i Heroda Izy, de nalaifany Jesosy nankagny amin'i Heroda, zay tagny Jerosalema koa taminjany andro zagny. 8 Kôfa hitan'i Heroda Jesosy, de taigna ravoravo izy, satria aifa te-hahita Ananjy aifa ela. Naharegny ny momba Ananjy izy ary nagnantaigna ny hahita fahagagagna maro natôny. 9 Heroda namaitra-panontaniagna an'i Jesosy tamin'ny koragna maro, naifa Jesosy tsy namaly na ino na ino ananjy. 10 Re lôhan'ny mpisorogna sy re mpanôra-dalàgna nitsangagna, niampanga Ananjy mafy. 11 Heroda sy re miaramilany nanaivataiva an'i Jesosy sady nanesoeso Ananjy. Avy te de nampiakanjo Ananjy lamba tsara tarehy zaré ary nalaifan-jaré nierigna tagny amin'i Pilato Izy. 12 Fô i Heroda sy Pilato de lasa mpinamana tamin'ny androtr'io (talôhan'zaigny de mpifahavalo zaré). 13 Avy te Pilato nagnantso re lôhan'ny mpisorogna sy re mpanapaka ary re vahoaka maro niaraka, 14 ary nivôlagna taminjaré hoe: "Nindosinare taminahy takéto tô lalahy tô karaha ny lalahy zay mitarika ny ôlogna hagnano ratsy, ary zahao, zaho, kô nametra-pagnotaniagna taminanjy teo anoloanaré, de tsy mahita fahadisoagna amin'itô lalahy itô mahakasika re raha zay hiampanganaré Ananjy. 15 Ahe, na de Heroda aza, satria nalaifany nierigna tatô amintsika Izy, ary zahao, tsy misy na ino na ino zay mendrika fahafatesagna vitany. 16 Noho zagny de ho faiziko Izy, ary ho havôtsotro Izy.'' 17 [Fanamarihagna: re fandikagna taigna tsara de tsy manisy ny and 17 hoe: Ary Pilato de voatery namôtsotra gadra raika ho anjaré Jiosy tamin'ny andro firavoravoagna.] 18 Fô niara-niàfatra mafy zare, nagnano hoe: "Ndôso agny io lalahy io, ary avotsôry ho anay Barabasy!" 19 Barabasy de lalahy raika zay nampiditra am-ponja nohon'ny fikomiagna maro tao an-tanàgna sy famonoagna ôlogna. 20 Ary nivôlagna tamjaré ndraiky i Pilato, nagniry ny hamôtsotra an'i Jesosy. 21 Saingy nitabataba mafy zaré, nivôlagna hoe: "Homboy Izy, homboy Izy." 22 Nivôlagna taminjaré fagnintelony izy hoe: "Nagnino, fô no ratsy vitan'itô lalahy itô? Tsy nahita na ino na ino zay tôkony hanaziagna Ananjy ho foaty za. Noho zagny kôfa avy manafay Ananjy, de hamôtsotra Ananjy zaho." 23 Fô izy nanizingizigna tamin'ny feo avo, nangataka Ananjy mbô hombogna. Ny feonjaré de nandresy lahatra an'i Pilato. 24 Kô de nanapa-kevitra ny hagneky ny fangatahan-jaré Pilato. 25 Navôtsony ilay raiky nangatahin-jaré zay nalaifa tagny am-ponja nohon'ny fikomiagna sy famognoana ôlogna. Fô natologny ho amin'ny sitrapon-jaré Jesosy. 26 Ary te am-pitondragna Ananjy zaré, de nitàgna an'i Simona avy agny Syrenia, zay avy agny ambanivôlo, ary napaitrakan-jarè tamin'ny kakazofijaliagna mbô hindesiny, nagnaraka an'i Jesosy. 27 Maro tamin'ire vahoaka, sy re viavy zay nalahelo mafy sy nisaona Ananjy, no nagnaraka Ananjy. 28 Fô kôfa nitodika tagny amin-jaré, de nivôlagna Jesosy hoe: "Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomagny Anahy, fô mitomagnia ho an'ny taignanaré sy ny zanakaré. 29 Fô indro, ho avy ny andro zay hivôlagnan-jaré hoe: 'Sambatra re momba sy re kibo zay tsy nitairaka, ary ny nono zay tsy nampinono zaza.' 30 Ary de hanomboka hivôlagna amin'ire tendrombohitra zaré hoe: 'Milavoà aminay,' ary amin'ny havoagna hoe: ''Mandrakôfa anay.'' 31 Fô raha magnano zagny raha zagny zaré raha mbôla maitso ny kakazo, ino no hitranga kôfa maigna zagny?'' 32 Nisy lalahy hafa, ôlon-dratsy roa, nindôsigna niaraka taminanjy mbô hivonigna. 33 Kôfa tônga te amin'ny toairagna raika zay antsôvigna hoe: "Ikarandôha" zaré, de te no nanomboan-jaré Ananjy, sy re ôlon-dratsy - ny raika tamin'ankavanany ary ny raika te amin'ny ankaviany. 34 Jesosy nivôlagny hoe: ''Ray ô, mamelà anjaré, fô tsy fantanjaré zay atôny.'' Avy te de niloka zaré, nizarazara re fitafiany. 35 De nijoro nizaha te re ôlogna re raha mbôla nagnadala Ananjy koa re mpanapaka, nivôlagna hoe: "Namonjy re hafa Izy. Avilay Izy hamonjy ny taignany, kô Izy no Kristin'Andriamanitra, ilay raika voafidy." 36 Re miaramila ihany koà de nagnalabaraka Ananjy, nagnomià Ananjy vinaingitra, 37 ary nivôlagna hoe: "Raha Anô no mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny taignanao." 38 Nisy famantaragna koa te amboniny hoe: ''Itô no mpanjakan'i Jiosy.'' 39 Ny raika tamin're ôlon-dratsy zay nihantogna te no namingavinga Ananjy tamin'ny nivôlagnany hoe: ''Tsy anô ve no Kristy? Vonjeo ny taignanô sy zaihay.'' 40 Fô ny raika nivôlagna mafy ananjy, nagnano hoe: ''Tsy mbô matahotra an'Andriamanitra mô anô, kô samy ambônin'ny fagnamelôhana mitovy foàgna? 41 Antsika de akéto ara-drariny tokoàtra, satrià mandray zay tôkony valin'ny asantsika. Fô tô lalahy tô tsy nagnano raha ratsy.'' 42 Avy te izy nivôlagna hoe: ''Jesosy ô, tsarovy aho kôfa tônga agny amin'ny fanjakanô Anô.'' 43 Jesosy nivôlagna taminanjy hoe: ''Volagniko marigna aminô, fô niagny anô de hiaraka amiko agny Paradisa.'' 44 Ary laira faha-enigna te ho eo taminjany, ary ny aizina avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin'ny laira fahasivy 45 kôfa niha maizigna ny hazavan'ny masoandro. Avy eo ny lamban'ny tempoly de nizara avy te antaignataignany. 46 Niàfatra tamin'ny feo mafy, Jesosy nivôlagna hoe: "Ray ô, eo an-tagnanô no amaitrahako ny fagnahiko." Kôfa avy nivôlagna zagny, de maty Izy. 47 Kôfa hitan'ilay kapiteny ny raha nitranga, de nagnomia voninahitra an'Andriamanitra izy, nivôlagna hoe: "Azo antoka tokoatra fô ôlo-marigny itô lalahy tô." 48 Kôfa hitan're vahoaka jiaby zay niara-tônga ho vavolombelogna nagnatri-maso re raha nitranga re, de nierigna niteha-tratra zaré. 49 Fô zaré jiaby zay nahafantatra Ananjy, sy re viavy zay nagnaraka Ananjy avy agny Galilia, de nitsangagna teny alavidavitra, nizaha zagny raha zagny. 50 Ary indro, nisy lalahy raika antsoina hoe Josefa, zay mpikambagna tao amin'ny Synedriona. Ôlogna tsara sady marigna izy. 51 Io lalahy io de tsy nagneky ny fanapahan-kevitry ny Synedriona sy ny asanjaré. Avy agny amin'ny tanàgnan'ny Jodiana tagny Armatia izy; ary izy de nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra. 52 Io lalahy io, raha nagnatogna an'i Pilato, de nangataka ny vatan'i Jesosy. 53 Nalainy nirôrôgna zegny, norakôfany hariry madinika, ary napaitrany tagnaty fasagna raiky zay novakiagna tamin'ny vatolampy, zay tsy mbôla nisy ôlogna nalevigna mihitsy. 54 Andron'ny Fiomanagna taminjany, ary mbôla naizignizigna ny Sabata. 55 Ire viavy, zay niaraka tamin'i Jesosy niala tao Galilia, de nagnaraka avy ao afara ary nahita ny fasagna sy ny fomba nametrahagna ny fatiny. 56 Nierigna zare, ary nagnomana zava-magnitra sy mainaka magnitra. Ary tamin'ny Sabata de nitsahatra zaré araka ny didy.