Toko faha 24

1 Vao mandraigna tamin'ny andro voalôhan'ny herignandro, de nankagny amin'ny fasagna zaré, nitôndra ré zava-magnitra zay nokarakarain-jaré. 2 Hitanjaré nikodia lavitry ny fasagna ilay vato. 3 Niditra taka zaré, kanaifa tsy nahita ny vatan'ny Tompo Jesosy. 4 Ary, koa mbôla sahiran-tsaigna momba zagny zaré, tampoka take, de nisy lalahy roa nagnano fitafiagna mamirapiratra nitsangagna te ankilanjaré. 5 Ary kôfa feno tahotra re viavy re de niankôhotra tamin'ny tany, nivôlagna tamin're viavy re zaré hoe: "Nagnino anaré no mizaha ny velogna atô amin'ny maty? 6 Tsy akato Izy, fô aifa natsangagna! Tsarôvo ny nivôlagniny anaré fony Izy mbôla tagny Galilia, 7 nagnambara fô ny Zanak'Ôlogna de tsy maintsy hatôlotra ho eo an-tagnan'ny mpanota kay hofantsihigna eo amin'ny hazo fijaliagna, ary amin'ny andro fahatelo de hitsangagna indray.'' 8 Re viavy re de nahatsiaro re raha nivolagniny, 9 kay nierigna avy tagny amin'ny fasagna ary nivôlagna zegny raha jiaby zegny tamin'ire raika amin'ny fôlo lahy sy ny ambiny jiaby. 10 Ary Mary Magdalena, Johana, Mara maman'i Jakoba, ary re viavy hafa niaraka taminanjy de nitatitra zagny raha zagny tamin'reo apostoly. 11 Fô zagny hafatra zagny de karaha tsisy dikany tamin're apostoly, kay tsy nino re viavy zaré. 12 Kanaifa nitsangana Petera, de nihazakazaka nankeny amin'ny fasagna, ary niondrika sy nizaha take, de nahita re lambam-paty nitokana. Ary Petera nody tagny an-tragnony, nagnontagny taigna ny amin'izay raha nitranga. 13 Indreo, ny roa taminjaré re nandaiha tamin'io andro io ho agny amin'ny tanàgna atao hoe Emaosy, zay enimpolo stadio miala an'i Jerosalema. 14 Izy re de nifampiresaka momba re raha jiaby zay nitranga. 15 Ary, kôfa nikoragna sy niara- nametra-panontaniagna zaré, de nagnatogna sy nandaiha niaraka tamin-jaré Jesosy. 16 Fô ny mason-jaré de nosakagnana mbô tsy hahafantatra Ananjy. 17 Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: "Ino raha koragninare roa atô an-dalambe?" De nidoko zare sady nalahelo endrika. 18 Ny raika tamin-jaré, nantsoina hoe Kleopasy, namaly Ananjy hoe: "Anô raika mô no ôlagna tao Jerosalema tsy nahafantatra reo zava-nitranga tagny tamin'zagny andro zagny? 19 Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: "Raha ino?" Zare namaly Ananjy hoe: "Reo raha mikasika an'i Jesosy ilay Nazarena, zay mpaminagny, nahery tamin'ny asa sy ny teny te anatrehan'Andriamanitra sy ny ôlogna jiaby, 20 ary ny fomba nanoloran're lôhan'ny mpisorogna sy re mpanapaka Ananjy mbô ho melôhagna ho foaty sy ny nanomboagna Ananjy te amin'ny kakazofijaliagna." 21 Kanaifa zay nagnantaigna fô Izy no ilay hagnafaka an'Israely. Ia, ary ankoatra zagny raha jiaby zagny, telo andro niagny zô no nitrangan'zagny raha jiaby zagny. 22 Naifa koa, ny viavy sanany tamin'ny namanay de nahavariagna anay, zay tagny amin'ny fasagna vao mandraigna. 23 Kôfa tsy nahita ny vatany zaré, de avy nivôlagna fô zaré koa de nahita fahitagna anjely zay nivôlagna fô velogna Izy. 24 Ny lalahy sanany zay niaraka taminay de nandaiha tagny amin'ny fasagna, ary nahita zagny araka zay nivolagnin'ny viavy re. Saingy tsy nahita Ananjy zaré." 25 Jesosy nivôlagna taminjaré hoe: "A lalahy adala sy votsa saigna vao mino re raha jiaby voalazan'ny mpaminagny! 26 Moa ve tsy nilaigna ho an'i kristy ny nijaly tamin'regny raha regny, kay hiditra agny amin'ny voninahiny?" 27 Ary nanomboka tamin'i Mosesy ka hatramin're mpaminany jiaby, de nadikan'i Jesosy taminjaré ao amin'ny Sôratra Masigna ny momba ny taignany. 28 Nony nariny lay tanàgna zay nalaihany zaré, de naneho fihetsika karaha hoe handaiha lavidavitra Jesosy. 29 Fô nanery Ananjy zaré, nivôlagna hoe: "Midokoa aminay aketo, fô aifa ho hariva zao ary hifaragna ny andro." Kay niditra mbô hidoka niaraka taminjaré Jesosy. 30 Ary, kôfa nipaitraka mbô hiaraka hihinagna taminjaré Izy, de naka ny môfo, nisaotra anjagny, sy namaky anjagny, ary nagnomia anjagny anjaré. 31 Avy eo nisôkatra ny mason-jaré, kay nahafantatra Ananjy, ary nanjavogna te imason-jaré Izy. 32 Izy re nifampiteny hoe: "Moa ve ny fontsika tsy niredareda tao agnatitsika, kôfa nivôlagna tamintsika teny an-dalagna Izy, kôfa nanôkatra ny Sôratra Masigna tamintsika Izy?" 33 Nitsangana zaré tamin'io laira io, kay nierigna tagny Jerosalema. Nahita re raika ambin'ny fôlo niara-nivory zare, sy re zay niaraka taminjaré, 34 nivôlagna hoe: "Ny Tompo de nitsangagna tikoatra, ary niseho tamin'i Simona." 35 Kay nivolagnin-jaré zay raha nitranga tagny an-dalagna, sy ny fomba nisehoan'i Jesosy tamin-jaré tamin'ny fanapahagna lay môfo. 36 Kôfa nivolagna zagny raha zagny zaré, de nijoro tanivon-jaré Jesosy taignany, ary nivolagna tamin-jaré hoe: "Fiadanagna anie ho anaré." 37 Saingy taitra sy raiki-tahotra zaré, ary nihevitra fô nahita fagnahy. 38 Jesosy nivolagna taminjaré hoe: "Nagnino anare no matahotra? Nagnino no misy fagnontaniagna ao am-ponaré? 39 Zahà ny tagnako sy ny hongoko, fô Zaho taignako itô. Kasiho Zaho kay zahà. Fô ny fagnahy tsy managna nôfo sy tôlagna, karan'ny ahitanaré Anahy hoe managna." 40 Kôfa nivôlagna zagny Izy, de nasehony taminjare ny tagnany sy ny tongony. 41 Mbôla tsy nino zagny zaré nohon'ny hafaliagna, ary magnana zaré. Jesosy nivôlagna anjaré hoe: "Managna raha hihonigna mô anaré?" 42 Namian-jaré lôko voatono izy, 43 kay nalainy zagny ary nihoaniny te anoloàn-jaré. 44 Izy nivolagna taminjaré hoe: "Tamin'Izaho niaraka taminaré, de nivôlagna taminaré fô zay raha voasôratra tao amin'ny lalàgnan'i Mosesy sy re mpaminagny ary re Salamo de tsy maintsy ho tantairaka." 45 Ary nisokafiny ny saignan-jaré, mbô hazahoan-jaré ny Sôratra Masigna. 46 Nivôlagna tamin-jaré Izy hoe: "Zô ny voasôratra, fô ilay Kristy de hijaly, ary hitsangagna amin'ny maty ndraika amin'ny andro fahatelo. 47 Fibaibahagna sy famelan-keloka no tôkony ho torigna amin'ny Agnarany agny amin'ny firenegna Jiaby manomboka ao Jerosalema." 48 Anaré no vavolombelon'regny raha regny. 49 Indro, halaifako aminaré zay nampanantenain'ny Raiko. Kanaifa mitoaira an-tanàgna mandra-pitafianaré ny hery avy agny ambony." 50 Ary Jesosy nitarika anjaré mandra-pahatônganjaré tany Betania. Nasandrany ny tagnany, ary notahiany zaré. 51 Ary, kôfa nitso-drano anjaré Izy, de nandao anjaré Izy ary lasa nakarigna tagny an-dagnitra. 52 De nidaira Ananjy zaré, ary nierigna tagny Jerosalema tamin'ny fifaliagna maventy be. 53 Nitohy nankao amin'ny tempoly zaré, nankalaza an'Andriamanitra.