Tôko faha 8

1 Ary tavafara helin'izegny de nanomboka nandaiha nitety tanàgna sy tanety samihafa Jesosy, nitory sy nagnambara ny filazantsara mikasika ny fanjakan'Andriamanitra. Niaraka taminy ire roa ambin'ny fôlo lahy, 2 karaha ire viavy sanagny zay sitragna tamin'ny fagnahy ratsy sy ny aretigna: Maria zay nantsôvigna hoe Magdalena, zay aifa namoahagna devoly fito; 3 Johana, vadin'i Koza, zay mpitan-drarahan'i Heroda ary Sosana; sy ire maro afa koà, zay, tamin'ny fagnagnanjare, de nagnamia zay nilainjare. 4 Ra mbôla nisy vahoàka maro niangogna, de nagnatogna Ananjy ire ôlo avy tamin'ny isan-tanàgna, de nagnano fagnoharagna izy hoe: 5 "Nisy pambôly nivoàka mbô hamafy ny vihiny. Ra izy namafy igny, de voafafy tamôron-dalagna ny sanagny ary de voadiàdià zegny, ary lanin'ny vôron'ny lagnitra. 6 Ny sanagny kôza vaofafy tamin'ny vatolampy, de nalazo zegny, satrià tsy nisy hamandoagna. 7 Ary ny sanagny de voafafy tamin-dramaragnitra, ary ny tsilo niaraka naniry kay voagaija zegny. 8 Ny sanagny voafafy tamin'ny tany lonaka kay namoà vokatra tsara lavitra be."Tavafaran'i Jesosy nivôlagna ire raha ire, de nagnantso mafy Izy hoe: "Zay manantadigny hitandrignaisagna, ôka izy nitandregny". 9 Nagnontany Ananjy ire pianany ny amin'ny tiàn'izegny fagnoharagna zegny hivolagnina. 10 Ahoziny hoe: "Ny falalagna ramivon'ny fanjakan'Andriamanitra de namiagna anare, fô ho an'ny afa de miraisaka amin'ny fagnoharagna Za, mbô tsy ahita zare na de mahita aza, ary tsy hahay na de maregny aza." 11 Ary zao no dikany fagnoharagna: ny vihy de ny tenin'Andriamanitra. 12 Ire voafafy tantsisin-dalagna de ire zay naregny naifa avitake de tônga ny devoly de nalakananjy tam-pôny, mbô tsy hino sy ho voavonjy zare. 13 Ary ire tamin'ny vatolampy kôza de ire zay naregny ny teny, de mandray zegny amin-kafaliagna. Naifa tsy nisy fôtony ire; malaky foagna ny finoagnanjare, ary amin'ny fotoagna fitsapagna de lavo zare. 14 Ire vihy voafafy tamin'ny tsilo de ire ôlo maregny ny teny, fô kôfa mandaiha amin'ny diàny zare, de voagaijan'ny fitadiavagna sy hariagna ary ny fafinaraitagna amin'izô fiainagna zao, kay tsy matoy ny vihiny. 15 Fô ny vihiny voafafy tamin'ny tany tsara, de ire naregny ny teny tamin'ny fo marigna sy tsara, ary izy ire zay mitagna tsara ary namokatra am-paraitagna. 16 Ary, tsisy ôlo, kôfa namelogna jiro, de manarogna ananjy amin'ny rakony na mamaitrakananjy akô ambany fandriagna. Fô mamaitrakananjy amin'ny fagnatôvan-jiro, mbô ho hitan'ôlo jiaby zay mitsôfotra ny hazavagna. 17 Satrià tsisy takogna zay tsy ampafantarigna, na raha miafigna zay tsy hay ary hiseo amin'ny hazavagna. 18 Kay tandrignaiso tsara, zay managna, de mbôla hamiagna baitsabaitsaka kokoà, fô zay tsisy kôza, na zay heritreretiny hanagnany aza de halagna aminanjy.'' 19 Avake ny mamany sy ralahiny nagnatogna Ananjy, naifa tsy afaka nagnakaiky Ananjy nohon'ny vahoàka. 20 Nisy novôlagna taminy hoe: "Ny mamanô sy ralahinô de mijaridigna ivailany, te hahita anô.'' 21 Fô Jesosy namaly sy nivôlagna taminjare hoe: "Ny mamako sy ralahiky de ire zay mitandregny tenin'Andriamanitra sy magnano zegny.'' 22 Ary indraik'andro de nandaiha an-dakana Izy niaraka tamin'ire pianany, ary Izy nilaza taminjare hoe: "Andaiha antsika arô ampitan-drano irô.'' De lasagna zare. 23 Fô ra nandaiha igny zare de tafandry Jesosy. Ary nisy rivotra tônga tamin'ny farihy, kay feno rano lakagna, ary notandindoni-doza zare. 24 Avy te nandaiha taminanjy namôha Ananjy ré mpianatr'i Jesosy, nagnano hoe: "Tompo o! Tompo o! ho foaty antsika!" Ary nifôha Izy kay nivôlagna mafy ny rivotra sy ny rano magnonja, de nidôka, de tony avy te. 25 Ary nivôlagna taminjare Izy hoe: Aiza mô ny finoagnanare?" ary natahotra mafy zare. Tsy vitany natahotra fô magnana koa zare, ary nifampagnontany hoe: "Izôvy mô izy, no mandidy na ny rivotra sy ny rano aza, magnaiky Ananjy?" 26 Zare de nahazon'ny faritr'i Gerasena, zay narindrin'ny farihin'i Galilea. 27 Ary kôfa niakatra tan- tanety Jesosy, de nitrôtra tamin'ny lalahy raiky avy tan- tanàgna zay nisy demonia. Kôfa aila izy tsisy lamba, ary tsy nipaitraka tan dragno fô tam-pasagna. 28 Kôfa nahita an'i Jesosy izy, noafatra mafy sady niakôhotra talôhany kay nivôlagna mafy hoe: "Ino mô iraisanô aminahy ry Jesosy, zanak'Andriamanitra o? Miangavy anô za, aza ampijaligna." 29 Fô Jesosy nandidy ny fagnahy maloto hiala tagnatin'io lalahy io. Fô aifa nandritry ny fotoagna maro no nigijain'izagny izy, kay nifatôrany tamin'ny rôjo sy gadra vy no noambaisany ananjy, de narateny ire rôjoananjy ary nindôsin'ny demonia tagny agnefitra izy. 30 Jesosy nagnontany ananjy hoe: "Izôvy agnaranao? Ary hoy izy hoe: "Legiona," fô aifa maro ny demoniaka zayaifa niditra taminanjy. 31 Izy ré niangavy ananjy foagna mbô tsy handaifa ananjy an- davaka tsy hita noanoa. 32 Ary nisy kisoa maro nihinagna tankilan'ny havoagna. Kay niangavy Ananjy ilay demonia mbô hamaila anjaré, handaiha hifindra akagny kay navailany zegny. 33 Kô nivoàka tamin'io lalahy io ny demonia de nifindra tamin'ny kisoà, ary nitantraivatraiva tagny an-taivagna kay nandaiha amin'ny farihy ilay kisoà kay maty. 34 Ary kôfa hitan'ny mpiabin-kisoà ny raha nitranga, de niazakazaka ka nivôlagna anjagny tan-tanàgna sy tagnaty ala zare. 35 Kay niboaka aby ny fokon'ôlogna tan-tanàgna mbô hizaha ny raha nitranga, ary nagnatogna an'i Jesosy zare kay nahita an'ilay lalahy nivoahan'ny demonia. Ary nipaitraka tan-tongon'i Jesosy izy, nagnatô lamba izy sady vory saigny; de natahotra zare. 36 Avy te zare nahita zay nivôlagna zay fômba nahivagnan'ny lalahy nanjakan'ny demonia. 37 Ary ny vahoaka jiaby tamin'ny faritr'i Gerasena de nangataka an'i Jesosy mbô hiala aminjare aké, satrià natahotra mafy zare. Noho zegny de nadaiha an-tsambo kely Izy mbô afahan-jare miherigna. 38 Lay lalahy nivoahan'ny demonia ndreky de niangavy Ananjy mbô indôsiny hagnaraka Ananjy, fô Jesosy nagnasa ananjy niherigna de nivolagniny hoe: 39 " Mihiraigna agny an-dragnonô anô kay magnanôva tatitra feno momba zay natôn'Andriamanitra taminô." Ary ilay lalahy nandaiha tamin'ny lalany, de nagnambara magnairan-tany ny raha natôn'i Jesosy taminanjy. 40 Ary kôfa niherigna Jesosy de nandray ananjy ny vahoàka, fô zare de aifa nandigny Ananjy. 41 Ary nisy lalahy atô hoe Jairo, zay raiky tamin'ire mpitarika tako amin'ny Synagoga, nagnatogna niakôhotra tan- tongon'iJesosy, kay niangavy Ananjy mbô Andaiha an- dragnony, 42 satria ny zanany vavy tôkagna za roambiny fôlo tôgna te marary mafy ho foaty. Kô nandaiha tan-dalàgna Jesosy, de maro ny ôlogna nifanisitsisika magnodidy Aminanjy aké. 43 Ary nisy viavy araiky také zay nandaiha rà nandritry ny roabin'ny fôlo tôgno ary nandany ny vôlany jiaby, [Fanamarihagna: iré mpanam-pahaizagna de aifa nizarazara hevitra raha tôkony ampidirigna akéto ny fehezanteny hoe: "Nandany ny vôlany jiaby (izy)] ary tsisy nampahivagna ananjy na izôvy na izôvy. 44 Ary izy tafaran'ny nikitiany ny poetin-damban'i Jesosy, de nidôko ny rànanjy. 45 Jesosy nivôlagna hoe: "Izôvy nitagna anahy te?" Kôfa nandà ny ôlo jiaby de aozy i Petera hoe: "Tompo, magnodidigna anô indre ôlogna jiaby ary magnery Anao." 46 Fa Jesosy nivôlagna hoe: "Nisy nitagna za te, fô fantako fô nisy hery niala avy taminahy." 47 Kôfa hitan'ilay viavy fô tsy takotra izy, de nangitakitaka izy, ary niakôhotra taminanjy te izy. Nivolagniny tamason'ôlogna ny antony nikasihany Ananjy, sy ny fômba nahivagnany takéke. 48 Ary Izy nivôlagna taminanjy hoe: "Ry zanako vavy, ny finoagnanô no nampahivagnanô. Mandihana am- piadanagna." 49 Avy te kô mbôla nivôlagna izy, de nisy ôlogna raiky avy an-dragnon'ny mpitarika synagoga, nagnano hoe: "Maty ny zanagnô viavy. Aza sahiragninao eky ny mpampianatra." 50 Kôfa naregny zagny Jesosy, de namaly an'i Jairo Izy hoe: "Aza matahotra; minoà foagna de ahivagna izy." 51 Kôfa nandaiha an-dragno Izy, de tsisy ôlon-tôkagna nanjary niditra tao ankoatran'i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy ny baba sy maman'ilay zaza. 52 Ary zare nandàla sy nitomoagny ananjy, 53 Fô Izy nivôlagna hoe: "Aza mitomoagny; tsy maty izy fô mandry." De nihomehy ananjy zare, satrià fantatra fô maty ilay zaza viavy. 54 Fô niraisiny tamin'ny tagnany izy kay nagnantso mafy, nivôlagna hoe: "Zanako, mitsangàna!" 55 Ary niherigna ny fagnahiny, kay niharigny avy hatrany izy. Ary nibéko ananjy ré Izy mbô hagnamia habigna ananjy. 56 Ary magnana ny Ray aman-dreniny, fô Izy ndraiky nandrara anjaré mbô tsy hivôlagna na aminjôvy nô izôvy ny raha nitranga.