Tôko faha 7

1 Kôfa navita nivolagna raha jiaby zegny tagnatrehan'ny vahoaka Jesosy, de niditra tagny Kapernaomy Izy. 2 Ary nisy kapiteny raika nanagna mpanompo zay tegna najaigny, ary narary sy aifa nariny ho foaty izy. 3 Kô fa naregny mômban'i Jesosy ilay kapiteny, de naniraka lohôlognan'ny Jiosy handaiha aminanjy izy, angaho ananjy mbô ho avy hampahivagna ny mpanompony. 4 Ary kôfa tônga tamin'i Jesosy zare, de nangaho mafy taminanjy hoe: "Tegna tôkony hatô aminanjy raha zegny, 5 Satria tiany ny firenegnanay, ary lay nagnamboatra ny Synagoga ho anay." 6 Kay nanohy ny diany niaraka taminjare Jesosy. Fô mbola tsy lavitra ny tragnony aby Izy, de nandaifa namagna lay kapiteny nivolagna taminanjy hoe: "Tompo o, aza manahiran-tegna Anô, satria tsy tôkony hidiranô andragno aby zaho. 7 Noho zegny de tsy nihevitra ny tegnako ho tôkony handaiha aminô aby za, fô teny tôkagna foagna volagninô de mahivagna ny mpanompoko. 8 Koa satria zaho koa mbô lalahy manampahefagna, managna miaramila ambanimbaniky koa. Hoy zaho amin'ny raika: 'Andô,' de mandaiha izy, ary amin'ny raika hafa koa hoe: Avia,' de avy izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: 'Atôvo tô,' de atôny zegny." 9 Kôfa naharegny zegny Jesosy, de variagna taminanjy Izy, ary nitodika tamin'ire vahoaka zay nagnaraka Ananjy de nagnano hoe: "Volagniko aminare, fô na tagny Israely aza tsy nahitako finoagna karanjô." 10 Kôfa nierigna tandragno zare nasaigna, de nahita fô nahivagna tsara lay mpanompo. 11 Tafarahelinjany, de nandaiha tagny amin'ny tanàgna atao hoe Naina i Jesosy, ary niaraka taminanjy zare mpianany sy re vahoaka maro be. 12 Kôfa nariny ny vavahadin'ny tanàgna Izy, indro, nisy fatin-dalahy raiky nindôsigna niboaka, zanaka lahy tôkan-dreniny (zay mpitondrataigna), ary vahoaka maro be avy ao amin'ny tanàgna no niaraka taminanjy. 13 Nony nahita ananjy ny Tompo, de nalahelo tantairaka ananjy kay nagnano taminanjy hoe: "Aza mitomoagny." 14 Avy te de niakatra Izy ary nikasika an'ilay serké zay nitondrasanjare lay razagna, ary nidôko zare nitôndra zegny. Aozin'ny hoe: "Ry tôvolahy, hoa zaho aminô, miaraima." 15 De niarigna ilay maty kay nanomboka nivôlagna, ary Jesosy nanolotra ananjy tamin-dreniny. 16 Nangôrohôro aby zare jiaby, ka nitohy nidaira an'Andriamanitra zare nivôlagna hoe: "Mpaminagny maventy no natsagagna aketo amintsika" ary "Andriamanitra nitsinjo ny ôlognany." 17 Itô vôvô momban'i Jesosy tô de nisahely magnairagna an'i Jodia sy ireo faritra magnodidigna jiaby. 18 Ire mpianatr'i Jaona nivôlagna taminanjy ny momba ire raha ire. 19 De nagnantso roa tamin'ny mpianatra ananjy i Jaona kay nagnasa ananjy re ho agny amin'ny Tompo mbô hivôlagna hoe: "Anô mô lay ho avy, sa tôkony mbola hizaha hafa zahay?" 20 Ary kôfa nagnatogna mariny an'i Jesosy zare, de aozin'ny lalahy re hoe: "Jaona mpagnano batisa no nagnasa anay andai aminô atô hagnontany hoe: 'Anô mô lay ho avy, sa tôkony mbola hizaha hafa zahay?'" 21 Ary tamin'ny laira zagny de nampahivagna ôlogna baitsaka tamin'ny aretigna sy fahoriagna ary fanaintaignana avy amin're fagnahy ratsy Izy, ary ôlogna Jamba baitsaka no napahiratiny. 22 Jesosy namaly ka nivôlagna taminjare hoe: "Kôfa avy nandaiha tamin'ny lalagnanare anare, tatero amin'i Jaona zay hitanare sy regninare. Nahiratra ny jamba, nandaiha ny malemy, ny boka nadio, naregny ny maregnina, nitsangan-kovelogna ny maty, ary ny mahantra nitoriagna filazantsara. 23 Sambatra ny ôlogna zay tsy mitsahatra ny mino Anahy nohon'ny atôko." 24 Ary kôfa lasagna re ôlogna nasain'i Jaona, de nanomboka nivôlagna tamin'ny vahoaka Jesosy ny momban'i Jaona hoe: "Hizaha ino mô no nivoahanare tagny an'efitra? Vôlomaigna nahozongozonin'ny rivotra mô? 25 Fô hizaha ino nivohanare tagny? Lalahy miakanjo tsara?Zahavo, fô zare magnatô akanjo lafo vidy sy re mihaigna amin'ny fiainagna tsara de amin'ny lapan'ny mpanjaka. 26 Fô hizaha ino nivohanare takagny?Mpaminagny sa? Ia, Hoa zaho aminare, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminagny. 27 Izy no ilay voasôratra hoe: Indro, alaifako mialôha anô ny mpitôndra hafatranahy, zay hagnomagna ny lalagnanô mialôha anô. 28 Lazaiky aminaré, fô aminaré zay nataira-biavy de tsy misy maventy karahan'i Jaona. Naifa ilay faran'ny hely de maventy amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy." 29 (Kôfa naregny zaigny ny ôlo jiaby, agnisan'izany ny mpamory hetra, de nagnambara fô marigna Andriamanitra, satrià natô batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy ré. 30 Fa ré Fariseo sy ré mpahay lalàgna Jiosy kosa nandà tanjon'Andriamanitra ho an'ny taignanjaré, satrià tsy natôn'i Jaona batisa.) 31 "Amin'ino mô, no afahako mampitaha ny ôlogna amin'ito taranaka tô? Karaha ino mô zare? 32 Karaha zaza midôla ny bazary izy ré, zay mipaitraka sy mifagnantso ary mivôlagna hoe: 'Nitsatra sodigna ho anaré zaihay, de tsy nandihy anaré. Nagnano hira mandàla ho anare zaihay, de tsy nitomoagny anaré.' 33 Fô i Jaona mpagnano batisa tônga tsy nihinagna môfo ary tsy nisotro divaigna, de ozinare hoe: 'Misy demonia izy.' 34 Ny Zanak'Ôlogna tônga nihinagna sy nisotro, de aozinare: 'Zahô, angoaignana sy mpisotro Izy, naman'ire mpamory hetra sy mpanota!" 35 Fô ny fahindriagna de amin'ny zanany jiaby." 36 Ary ny raika tamin're Fariseo nagnasa an'i Jesosy hiaraka hihinagna taminanjy. Kôfa avy nitsôfôtra tandragnon'ilay Fariseo Jesosy, de nipaitraka hihinagna tambôn'ny latabatra. 37 Indro, nisy viavy tan-tanàgna zay mpanota. Kôfa natsikaritra izy fô nipaitraka tamin'ny latabatra tandragnon'ilay Fariseo Izy, de nitôndra boatin'Alabastara feno menaka magnitra izy. 38 Kôfa nitsangana tankilan'ny tongony izy, de nitomoagny, kay nanomboka nandegny ny hongony tamin'ny ranomasony, de nifafany tamin'ny voron-dôhany re sady nirôhiny ny hongony ary nosôrany menaka magnitra. 39 Kôfa nahita izegny ilay Fariseo nagnasa an'i Jesosy, de nieritreritra, nivôlagna hoe: "Ra mpaminagny itô lalahy tô, de tôkony fantany hoe karazam-biavy magnakôry io mikasika Ananjy io, fô panota io.'' 40 Jesosy namaly kay nivôlagna taminanjy hoe: "Simona, misy ra koragniky aminô. Ahozy hoe: "Volagno zegny, Mpampianatra o!'' 41 Jesosy nivôlagna hoe: "Nisy mpampindram-bôla nanagna mpitrôsa rolahy. Ny raika tôkony agnaifa diman-jato denaria, raika dimam-pôlo. 42 Kôfa tsy afaka nagnaifa zegny taminanjy izy ire, de sômby navailany an'izy rolahy. Noho zegny, izôvy aminjare rolahy taigna tiànanjy ? 43 Simona namaly Ananjy kay nivôlagna hoe: "Lay nagnombaila be." De ahozy Jesosy taminanjy hoe: "Marigna fitsaragnanô." 44 Ary Jesosy nitodika tagny amin'ilay viavy kay nivôlagna tamin'i Simona hoe: "Hitanô io viavy io. Nitsôfotra tandragnonô Za. Tsy namianô rano hanasan-tongotra, fô io viavy io de ranomasony no nandaimany tongoko ary voron-dôhany no namôrany ananjy. 45 Tsy nagnôroka Za anô, fô izy de tsinidôka nagnôroka ny tongoko. 46 Tsy nisôranô diloilo ny lôhako, fô izy de nagnôsitra zegny tamin'ny tongoko. 47 Noho zegny de milaza aminô Za fô, ire fahotany zay maro, de voavaila - satrià izy be fitiavagna. Fô zay navaila hely, de tià hely''. 48 De ahoziny taminy hoe: "Voavaila ire faotanô.'' 49 Ire niara-nipaitraka nihinagna te de nanomboka nifampikoragna te aminjare hoe: 'Izôvy moà itô vô de mamaila heloka? 50 Avake ahozy taminiviavy hoe: "Ny finoagnanô no navonjy anô. Madiana am-piadanagna."