Tôko faha 6

1 Ary tamin'ny Sabata de nandaiha akagny ankôraka Jesosy ary mpianatra ny nalaka tôvary, nikôsoka izegny tamin'ny tagnan-jare ary nihinagna ny vihiny. 2 Fô ny sanagny tamin'ire Fariseo kôza nivôlagna hoe: "Nagnino anare no magnano ra tsy ara-dalàgna ny magnano ananjy amin'ny andro Sabata?" 3 Namaly ananjy, Jesosy kay nivôlagna hoe: "Mbôla tsy nivakinare mô ny natôn'i Davida kôfa tihinagna izy, sy ire lalahy zay niaraka taminanjy? 4 Nandaiha tan-dragnon'Andriamanitra izy, ary nalaka môfon'ny fahantairagna sy nihinagna ny ampahany tamin-jaigny, ary namiany ampahany kôa ny lalahy zay niaraka taminanjy mbô hihinagna, na de mpisorogna ihany aza ara-dalàgna kô hômagna zaigny." 5 Avake Izy nivôlagna taminjare hoe: "Ny Zanak'Ôlogna de Tômpon'ny Sabata." 6 Ary tamin'ny Sabata hafa de nandaiha tagny amin'ny Synagoga Izy de nampianatra ny vahoaka take. Nisy lalahy raika maty tagnana hakavanagna tao. 7 Nizaha mariny Ananjy tsara zare mpanora-dalàgna sy ré Fariseo mbô ahita kô agnasitragna ôlogna amin'ny Sabata Izy, mbô afahan-jare mahita antony hiapangagna Ananjy. 8 Kanaifa fantany ny raha tantsaignan-jare ary nivôlagna tamin'ilay lalahy zay maty tagnana Izy hoe: "Mitsangàna, ary mandihana alohan'ôlo jiaby akéto." Kay nitsangana ilay lalahy ary nitsangana také. 9 Jesosy nivôlagna tamin-jare hoe: "Magnontany anaré za, ara-dalàgna amin'ny andro Sabata ve ny fagnanôvagna ny tsara sa ny fagnanôvagna ny ratsy, ny magnatr'aigna sa ny mandratra ananjy?" 10 Ary nizaha ny magnodidigna ananjy Izy kay nivôlagna tamin'ny lalahy io hoe: "Hinjagno ny tagnanô." Nagnano zaigny izy, ary nahivagna ny tagnany. 11 Naifa feno havigniragna zare ary nifampivôlagna momba an'izay mety hatôn-jare amin'i Jesosy. 12 Taminjany andro zegny de nandaiha antanety Izy mbô hivavaka. Nitohizany bôrikiaka ny fivavahagna tamin'Andriamanitra. 13 Kôfa tônga ny andro, natsôviny ny mpianany ho aminanjy, ary nifidy roa ambin'ny folo taminjare Izy, zay natsôviny koa hoe Apostoly. 14 Ny agnaranjare Apostoly re de Simona (zay antsôvigna koa hoe Petera) ary ralahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15 Matio, Tomasy, Jakoba zanakalalahin'i Alfeo, Simona zay antsôvigna hoe Zelota, 16 Jodasy zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, zay tônga mpamadika. 17 Avy te Jesosy nirôrôgna tan-tanety niaraka taminjare de nitsangagna tamin'ny tany marigna niaraka tamin'ny mpianany maro sy vahoaka maro avy agny Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona. 18 Tônga ire mbô hitandregny Ananjy ary mbô hahivagna amin'ny aretigna zare. Nahivagna koa ny vahoaka zay nigodagnin'ny fagnahy maloto. 19 Ny olo jiaby tamin'ny vahoaka re de niaizaka mbô hisasika Ananjy hatrany satria nibôaka avy taminanjy ny hery mampahivagna, de nahivagna daholy zare jiaby. 20 De nizaha ny mpianany Izy, ary nivôlagna hoe: "Sambatra anare zay mahantra, fô anare ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Sambatra anare zay tihinagnana igniany, fô ho voky anare. Sambatra anare zay mitomagny igniany, fô hihomehy anare. 22 Sambatra anare kôfa tsy tiagn'ôlogna ary kôfa ahilikanjare sy haratsinjare, nohon'ny amin'ny Zanak'Ôlogna. 23 Mifalià aminjegny andro zegny ary mibitaha an-kafaliagna, satria azo antoka fô hahazo valisoa maventy be agny andagnitra anare, fô mitovy aminjegny no nitondrasan'ny razanare ire mpaminagny. 24 Fô lozanare zay manjary, fô aifa azonare zay mahafa-po anare. 25 Lozanare zay voky igniagny, fô mbôla ho tihinagna anare andro afa agny. Lozanare zay mihomehy igniany, fô andala sy hitomagny anare andro afa agny. 26 Lozanare, kôfa mivôlagna tsara mômba anare ny ôlo jiaby, fô karanjegny ny nataon'ny razanjare tamin'ny mpaminangny sandoka re. 27 Fô mivôlagna aminare zai mitandregny Zaho, tiavo ny fahavalonare ary magnanova tsara amin'izay tsy tia anare. 28 Tahio zay magnôzogna anare ary mivavaha ho an'ire magnano tsinontsinogna anare. 29 Kôfa misy manaifaka ny fifinô raiky, de amiazo ananjy koa ny ilany. Kôfa misy ôlogna malaka lambanô, aza mitagna na de ny akanjonô koa aza. 30 Amia zay ôlo jiaby mangataka aminô. Kôfa misy ôlona malaka raha anô, aza mangataka ny hamerenany izany aminô eky. 31 Karanzai tianô hataon'ôlogna aminô, de tôkony hataonô aminjare koa zegny. 32 Kô zai ôlogna tianô foagna no tiavinô, ino mô tsara azonô aminjany? Fô na ny mpanota aza mbô tia zegny koa. 33 Kô amin'ôlogna magnano tsara aminô foagna no agnanovanô tsara, ino mô tsara azonô aminjany? Fô na ny mpanota aza mbô magnano karanjegny. 34 Kô tsy mampindragna afa-tsy amizay ôlogna handrasagna fô hangerigny ananjy aminô foagna anô, ino mô tsara azonô aminjany? Fô na ny mpanota aza mbô mampindragna ny mpanota, mbô hazaogna karanjegny koa. 35 Fô tiavo ny fahavalonare ary magnanova ny tsara aminjare. Mampindrama kay aza madigny valiny ary ho maventy ny valisoanare ary zanaky ny Avo Indrindra anare, fô Izy tegnany de tsara fagnahy amizay tsy misôtra sy ny ôlogna ratsy fagnahy. 36 Manàgna famindram-po, karaha ny Babanare mpamindra fo. 37 Aza mitsara, mbô tsy ho tsaraigna anare. Aza magnameloka, ary tsy ho melohigna anare. Mamelà ny hafa, de mbô availa anare. 38 Magnomiaza, de amiagna anare zegny. Fahafoizagna be zay mitafotafo, miara-voahontsagna ary mitôbaka no hararaka am-pofoagnanare. Kara zay famatraragnare, no hamatraragna anare koa." 39 Avake Izy nagnano fagnoharagna taminjare koa. "Moa ve ny ôlogna jamba ho afaka mitarika ôlo-jamba hafa? Kô magnano zegny izy, de mety hivaringarigna antevagna zare roa, sa tsy zegny? 40 Ny mpianatra raika de tsy maventiventin'ny mpampianatrany, fô zay nahatantairaka ny fiofanagna jiaby de ho karan'ny mpampianatrany. 41 Fa nagnino mô anô no mizaha ny mpiti-kakazo hely zay agnatimason-drahalahinô, kanaifa tsy mahatsikaritra ny vatan-kakazo agnaty masonô? 42 Ino mô no ivolagnanô amin-dralahinô hoe: 'A Ralahiky, ambilay za hagnala ny mpiti-kakazo amin'ny masonô io, naifa tsy itanô aby ny vatan-kakazo agnaty masonô? Ry mpiatsaravelatsihy! Ala aminy masonô malôkany ny vatan-kakazo avake hainô tsara be hagnala ny mpiti-kakazo amin'ny masondralahinô. 43 Fô tsisy kakazo tsara hamoa voankazo lo, na hoe kakazo lo hamoa voankazo tsara. 44 Fô ny kakazo tsiraikiraiky de fantatra amin'ny karazam-boankazo zay vokariny. Fô tsy afaka hisangotra aviavy amin'ny fatsy ny ôlogna, na halaka voaloboka amin'ny kakazovoandroy. 45 Ny ôlona tsara mamoa zay tsara avy amin'ny hariagna soan'ny fony, ary ny ôlogna ratsy mamoa avy amin'ny haria-dratsin'ny fony. Fô zay avoakan'ny fony no volagnin'ny vavany. 46 Fô magnino anare no magnantso Anahy hoe: 'Tompo, Tompo', kanaifa tsy magneky raha koragniky? 47 Ny ôlo jiaby magnatogna Za sy mitandregny raha koragniky ary magneky zegny, de hovolagniky anare hoe kara ino izy. 48 Karaha ny ôlogna zay nanangagna tragno izy, zay nandavaka laligna tamin'ny tany nananganany fôtotrin'ny tragno tambôny vatolampy take. Kô fa tônga ny rano be, de nandriaka nanôhitra zagny tragno zagny, fô tsy nampietsiky ananjy, satria tsara origna izy. 49 Ary zay ôlogna naharegny koragnanay naifa tsy magneky zaigny, de mitovy amin'ôlagna zay nagnôrigna trano tambôn'ny tany kay tsy nagnatô fôtotra. Kôfa nandravagna tragno ny ranobe, de nirodagna avy atrany zaigny, ary ravagna tantairaka zaigny tragno zaigny."