Tôko faha 5

1 Ary zô ny raha nitranga, kôfa nivorivory nagnodidign'i Jesosy zare nitandregny ny tenin'Andriamanitra, de nitsangagna tamôrony farihin'i Genesareta Izy. 2 Nahita Sambokely roa nidôko nariny farihy Izy. Efa nivoaka tao ire mpanjono ary nanasa ire aratony. 3 Niditra tamin'ny raika amin-jare antsambokely Jesosy, zay an'i Simona, ary nangaho ananjy mbô agnondaifa zaigny amin'ny rano lavidavitra tanety. Avy te nipaitraka Izy kay nampianatra ny ôlogna tivailan'ny sambokely. 4 Kôfa nidôko nivôlagna Izy, de nivôlagna tamin'i Simona Izy hoe: "Indôso amin'ny rano lalindaligna ny sambokely de halatsao ny haratonare mbô hazahoanare lôka." 5 Simona namaly kay nivôlagna hoe: "Tompo o, aifa niasa bôriky kiaka zaihay, fô tsisy raha hazo, fô noho Anô mivôlagna, de haheriky alatsaka ndreky ny harato." 6 Kôfa natôn-jare zaigny de nahazo lôka maro bé zare, ary triaka aby ny haraton-jare. 7 Kay nagnano fihetsika tamin'ny naman-jare tagnaty sambokely hafa raiky zare fô zare mbô tôkony ho avy agnampy zare. De avy zare kay nagnomia sambokely roa, kay nanomboka nilentika zare. 8 Fa Simona Petera, raha vô nahita zaigny, de niakohotra tan-tongon'i Jesosy, nivôlagna hoe: "Mialà aminahy fô lalahy mpanota za." 9 Fô gaga izy, sy zare jiaby niaraka taminanjy, nohon'ny abitsahan'ny lôko aozin-jaré. 10 Tagnatin'izaigny i Jakoba zanak'i Zebedio, zay mpiara-miasa amin'i Simona. Jesosy nivôlagna tamin'i Simona hoe: "Aza matahotra, fô manomboka zô de hagnarato ôlogna anô." 11 Kôfa nentinjare tan-tanety ny sombokelin-jare, de navailan-jare raha jiaby fô nagnaraka Ananjy zare. 12 De zô raha nisy taminjare mbola tan-tanàgna raiky, nisy lalahy feno habokagna také. Kôfa nahita an'i Jesosy Izy, de niakohotra taminanjy te sady nikorery nagnano hoe: "Tompo o, kô mety aminao, mbô hidiôvo zaho." 13 Ary de nahinjin'i Jesosy ny tagnany kay nikasika ananjy, nivôlagna hoe: "Mety aminahy. Madiôva." Samiarak'igny hafaka ny habokagna. 14 Tsy nikegna Izy mbô hilaza na amin-jôvy nô izôvy, fô nivolagnina taminanjy hoe: "Tohizo lalagnanao, misehoa amin'ny mpisorogna ary manolôra sôrogna ho fagnadiôvagna anô, arak'izai nandidian'i Mosesy, mbô ho fijoroagna vavolombelogna aminjaré." 15 Kanaifa ny tatitra momba Ananjy de nisahely lavitra kokoà aza, ary vahoaka maro be no niara-tônga mbô hitandregny Azy nampianatra ary mbô ho sitragna amin'ny aretin-jare zare. 16 Kanaifa matetika Izy de niala nankany amin'ny tany foagna ary nivavaka. 17 Ary tamin'ny andro raiky nampianarany anjaré, de nisy Fariseo sy mpampiana-dalàgna nipaitraka te zay avy tan-tanagna hafa ao amin'ny faritry Galilia sy Jodia, ary avy agny Jerosalema koa. Ny herin'ny Tompo no taminanjy mbô hagnasitranagna. 18 Ary nisy lalahy sanagny tônga, nitôndra lalahy raiky zay hazon'ny tasiôgna tambôn'ny fandriagna foagna, ary zare de nizaha fômba hitondragna ananjy agnatignatiny akagny mbô hamitrahagna ananjy alôhan'i Jesosy. 19 Tsy nahita fômba hampidiragna ananjy agnatignatiny zare nohon'ny hamaroan'ôlogna, kay nakatra ta tafon-tragno zare ary narôron-jare avy ta tafon-tragno io lalahy io miaraka amin'ny fandriagnanjy, tafôvôhan'ôlogna, talôhan'i Jesosy. 20 Kôfa nahita ny finoagnany zaré, de hoy Jesosy hoe: "Ralelahy, voavela heloka anô." 21 Nanomboka nagnontany iry mpanora-dàlagna sy Fariseo ré, kay nivôlagna: "Izôvy no hafaka mamaila fahotagna afa-tsy Andriamanitra raiky foagna?" 22 Fô fantan'i Jesosy raha nieritreretin-jare, kai nivaliany hoe: "Magnino anaré no magnontany zaigny am-ponare? 23 Ino no môramôra volagnina: voavaila ny helokanô sa ny mivôlagna hoe: 'Mitsangana ary Mandihana?' 24 Naifa mbô hafantaranare fô ny zanak'ôlogna de manam-pahefagna hamaila heloka akéto ambôny tany, de za mivôlagna aminô mitsangàna, indôso fandriagnanao ary mandihana an- dragnonao." 25 Te foagna de nitsangana talôhan-jare Izy ary nalaka ny fandriagnanjy zay nandriany. Avy te niala de nadaiha tan-dragnony izy, nagnomia voninahitra an' Andriamanitra. 26 Variagna ny ôlo jiaby ary nagnomia voninahitra an'Andriamanitra zare. Feno tahotra zare kay nivôlagna hoe: "Nahita raha maha-magnana antsika nigniany." 27 Tafaran'ny nitrangan're raha ré, de niala také Jesosy ka nahita mpamory hetra raiky zay antsôvigna hoe Levy nipaitraka tan-dragnon'ny mpamory hetra. Nivôlagna taminanjy Izy hoe: "Magnaraha Anahy." 28 De nitsangagna i Levy kai nagnaraka Ananjy, kay nambailany ny raha jiaby. 29 De nagnano fagnasagna maventibe tan-dragno ananjy i Levy. Baitsaka ire mpamory hetra sy ré ôlogna hafa zay nipaitraka te amin'ny latabatra ary hihinagna hiaraka taminjare. 30 Kanaifa ire Fariseo sy mpanora-dalàgna de nitaraigny taminjare mpaminagny, nivôlagna hoe: "Nagnino anô hômagna sy misotro miaraka amin'iré mpamory hetra sy mpanota hafa?" 31 Jesosy namaly anjaré hoe: "Tsy mila dôktaira ny ôlogna mahivagna; fô ny marary foagna. 32 Tsy tônga hagnantso ny ôlogna marigny hibaibaka za, fô hagnatso mpanota mbô hibaibaka." 33 De aozin-jare taminanjy hoe: "Ny mpianatr'i Jaona ré mifady hanigna matetika sy mivavaka, ary ny mpianatr'i Fariseo ré magnano zaigny koa. Kanaifa ny mpianatranô de hômagna sy misotro." 34 I Jesosy nivôlagna taminjare hoe: "Misy ôlogna mô mampifady hanigna ny havan'ny mpampakatra kô mbôla mipaitra aminjaré aké ny mpampakatra? 35 Fô ho avy andro raiky hangalagna ny mpampakatra aminjaré, ary amin' izagny andro zaigny de hifady hanigna zare." 36 De nagnano fagnoharagna tamin-jare kôa Jesosy. "Tsisy ôlo mandrôta tapa-damba avy amin'ny lamba vôvô ary mampiasa zaigny mbô hagnaboarana lamba kôro. Raha magnano zagny izy, de handratra ilai vôvô, ary ilay tapa-damba avy amin'ilay vovô de tsy hifagnaraka amin'ilay lamba kôro. 37 Tsisy ôlogna magnatô divaigna vôvô agnatin'ny siny oditra kôro. Kô hagnanon-jaigny izy de ho triaka ny hoditr'ilay divaigna vôvô, ary de raraka ny divaigna, kay haratra ilay siny hoditra. 38 Fô divaigny vôvô de tsy maintsy atô agnatin'ny siny hoditra vôvo. 39 Fô tsisy ôlo nisotro ny divaigny talôha kay hagniry ny vôvô, fô aozy hoe: 'Ilay talôha no tsara."'