Tôko faha 4

1 Tafaran'izégny Jesosy, réhéfa feno ny Fagnahy Masigna, de niherigna avy tagny amin'ny reniranon'i Jordana, ké nandesin'ny Fagnahy Masigna tagny agn'efitra 2 zay nangalan'ny devoly fagnahy Azy nandritry ny éfapôlo andro. Tsy nihinagna na ino na ino izy nandritry iré andro iré, ké tamin'ny fotoàgnà farany de vôsolôgna izy. 3 Ny devoly nivôlagna taminanjy hoe: "Kô zanak'Andriamanitra Anô, de hivoà môfo io vato io.'' 4 Namaly ananjy Jesosy hoe: ''Tsy môfo foagna hivilôman'ôlo.''' 5 Avake nindôsiny devoly tamin'ny toeragna ambony Jesosy ary natorony Ananjy dohôlo ny fanjakana jiaby tambôn'ny tany. 6 Ny devoly nivôlagna taminanjy hoe: "Hamiako anô ny fahifagna jiaby sy ny famifapiratany satrià aifa namiagna za ire, ary amiako ny ôlo zay tiàko amiagnananjy. 7 Noho izegny, ra miakôhitra sy manompo za Anô, de azonô zegny." 8 Kanaifa Jesosy namaly kay nivôlagna ananjy hoe: "Voasôratra fa hoe: 'Hidaira ny Tompo Andriamanitranô anô, ary Izy raika ihany no hitompoinô.''' 9 Avake nitôndra ananjy tagny Jerosalema ny devoly ary natôny tagny antilintilin'ny tempoly Jesosy ary nivôlagna taminanjy hoe: "Ra zanak'Andriamanitra Anô, de milatsaha avatoè. 10 Satrià aifa voasôratra hoe: 'Hibeko ny anjeliny ny aminô Izy, mbô hiaro anô,' 11 ary, Izy ire nanandratra anô amin'ny tagnany, mbô tsy ho voatsitohigna amin'ny vato ny tongonô.'" 12 Namaly ananjy, Jesosy kay nivôlagna hoe: "Aifa nambara hoe: 'Aza malaka fagnahy ny Tompo Andriamanitranô.''' 13 Kôfa vita ny fangalany fagnahy an'iJesosy, de lasagna izy ary niala Ananjy mandrapatongavan'ny fotoagna hafa. 14 Avake Jesosy niherigna tagny Galilia tamin'ny herin'ny Fagnahy, ary ny vôvô momba Ananjy de aifa niparaitaka tamin-tany jiaby. 15 De nanômboka nampianatra takô amin'ny Synagogan-jare Izy ary niirain'ôlo jiaby Izy. 16 Nandaiha tagny Nazareta Izy, lay tanàgna nankavety ananjy, ary araka ny fomba fatôny, de nitsôfotra takô amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Izy kay nitsangagna mbô hamaky teny mafy. 17 Natôlotra ananjy ny hôron-taratasin'Isaia mpaminany. Nisokafiny ilay boky ary hitany ny toeragna nanoratagna ananjy, 18 "Ny Fagnahin'ny Tompo de akato aminahy, satrià Izy nagnôsotra za hivôlagna ny vôvô mafaly ho an'ny mahantra. Izy no hagnondaifa za hagnambara fagnafahagna ho an'ire babo, ary hamerigna ny fahifagna ho an'ny Jamba, hagnafaka ire zay ampijaligna, 19 hagnambara ny tôm-pankasitrahan'Andriamanitra.'' 20 Avake de nahôriny ny taratasy, naheriny tagny amin'ny mpitadrigna, ary nipaitraka Izy. Nizaha Ananjy mason'ôlogna jiaby takô amin'ny Synagoga. 21 Nanomboka niraisaka taminjare Izy hoe: ''Igniany itô Sôratra Masigna itô de tantairaka aketo.'' 22 Ny jiaby de nivôlagna tsara ny momba Ananjy ary gaga tamin'ny tenim-pasoavagna zay navoakany vavany zare, ary nagnontany zare hoe: "Fô tsy ilay zanak'i Josefa ve itô?'' 23 Izy nivôlagna taminjare hoe: "Azo antoka fô hivôlagna itô hôbôlagna itô aminahy anaré hoe: 'Dokotaira, tahà ny taignanô. Na ino na ino regninay fô natônô takô Kapernaomy, de magnanôva karanjagny agny amin'ny taninô.''' 24 Naifa nivôlagna Izy hoe: ''Volagniko marigna aminare, tsisy mpaminagny masigna amin'ny taniny. 25 Kanaifa volagniky marigna aminare fô maro ny viavy mitôvo tagny Israely tamin'ny andron'i Elia, ra nihidy ny lagnitra tagnatin'ny telo tôgna sy enimbôlagna, ary nisy silôgna be tônga tamin'ny tany jiaby. 26 Naifa Elia tsy nalaifa na tamin'ny raika taminjare aza, fô takô Zerapata any Sidona ihany, tagny amin'ny ilay mpitondra tena izay nipaitraka tagny. 27 Fô maro ire boka takô amin'Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, naifa tsy nisy na de raika taminjare aza sitragna afa-tsy Namàna lay Syriana.'' 28 Ny ôlo jiaby tagnaty Synagoga de vignitra mafy kôfa naregny raha jiaby ire. 29 Nitsangagna zare, nahery Ananjy hiala ny tanàgna, ary hagnondaifa Ananjy tan-tampon'ny havoagna zay nipitrahan'ny tanàgnan-jare, mbô hanjeragna Ananjy amin'ny hantsagna. 30 Naifa nandaiha namakivaky tantaignantaignan-jare Izy de lasa nandaiha tagny amin'ny toeran-kafa. 31 Avake Izy de nirôrogna tagny Kapernaomy, tanàgna raika agny Galilia, ary nanomboka nampianatra azy ire tamin'ny Sabata Izy. 32 Izy ire de gaga be tamin'ny fampianaragna natôny, satrià nivôlagna tamin'ny fahifagna Izy. 33 Ary takô amin'ny Synagoga de nisy lalahy zay nisy devoly, ary izy de niafatrafatra mafy hoe: 34 "Ah! Ino hifandraisanay aminô, ry Jesosy avy agny Nazareta?Tônga mbô hamotika zaihay ve Anô? Fantako hoe izôvy Anô- ilay Iraika Masin'Andriamanitra!''' 35 Jesosy nivôlagna mafy ilay demony, ké nagnano hoe: "Aza mivôlagna ary mialà aminanjy!'' Kôfa nanipy lay lalahy ho lavo také agnivonjaré ré ny demony, de niala takô aminanjy, ary tsy nandratra ananjy aby. 36 De gaga dahôlo ny ôlogna jiaby, ary nanony koragna momba izegny. Nivôlagna zare hoe: "Fô teny karakôry zegny?'' Bekony amin'ny fahifagna sy hery ny devoly de mivoàka.'' 37 Noho zegny de nanomboka niparaitaka nagnairan'ny faritra magnodidigna ny lazany. 38 De niala ny synagoga Jesosy ary nitsôfotra tandragnon'i Simona. Ary nampijalin'ny tazogna mahery ny rafôzany vavy, ary niangavy taminy ho azy izy ire. 39 Kay nitsangagna talôha Izy ary nivôlagna mafy ny tazogna, de niala taminy zegny. De nahivagna tampoka izy de nitsangagna ary nanomboka nanompo azy ire. 40 Kôfa nilentika ny masoandro, de nitôndra ny ôlo- jiaby nararin'ny aretigna maro samihafa tamin'i Jesosy ny ôlo. Kay namaitra-tagnana tamin'ny tsiraikiraikia avy aminjare Izy kay nagnasitragna azy ire. 41 Ire devoly ihany koà de niala takô amin'ny maro tamin'izy ire , niafatrafatra mafy sy nivôlagna hoe: ''Anô no zanak'Andriamanitra!''Jesosy nivôlagna mafy ire devoly kay tsy namaila zare hivôlagna, satrià hain-jare fô Izy no Kristy. 42 Mandraindray Izy de nandaiha tagny amin'ny toeragna mangingigna. Ôlo maro be nizaha Ananjy ary nandaiha amin'ny toeragna nisy Ananjy. Izy ire de nihaizaka ny nitagna Ananjy mbô tsy hiala aminjare. 43 Fô Izy nivôlagna taminjare hoe: "Tsy maintsy mitory ny vôvô mafaly momba ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàgna maro hafa ihany koà za, satrià zegny no antony nagnirahagna za . 44 Avake Izy de nanony nitory takô amin'ire Synagoga magnairagna an'i Jodia.