Tôko faha 3

1 Tamin'ny tôgno faha dimy ambin'ny fôlo nanjakan'i Tiberie Kaisara- fony Pontio Pilato no governoran'i Jodia, Heroda de mpanjaka tao Galilia, Filipo ralahiny de nanapaka takô amin'ny faritra Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania de mpanapak'i Abilena, 2 nandritry ny fisoranam-ben'i Aniasy sy Kaiafa- de tônga tamin'i Jaona zanaka lalahin'i Zakaria tagn'efitra ny tenin'Andriamanitra. 3 Nandaiha tagny amin'iré faritra jiaby magnodidigna ny Jordana Izy, nitory ny batisan'ny fibebahagna ho famelagna ire heloka. 4 Araka ny voasôratra agnatin'i bokin'Isaia mpaminagny hoe: "Nisy feo raiky nagnantso mafy avy agny agnefitra hoe: "Atôvo vognona ny lalan'ny Tompo, atôvo mahitsy ny lalan-kalaihany. 5 Ny lôhasaha jiaby ho totôfagna, ary ny tanety sy ny havoagna ahegna, ary ny lala-miôlaka de amboarigna ahitsy, ary ny toairagna misy lavadavaka de hatô lalagna, 6 ary ny nôfo jiaby de ahita ny famonjiagnan' Andriamanitra." 7 Kai nivôlagna tamin'ire vahoaka zai tônga hatô batisa i Jaona hoe: "Anaré ry taranaka ny mainaragna! Izovy nampitandrigna anaré mbô hilaifa ny havigniragna zay ho avy? 8 Noho zaigny, mamokatra voa manjary fibaibahagna, ary aza manomboka mivolagna agnatinare hoe: "Zaihay managna an'i Abrahama ho babanay," fô mivôlagna anaré za fô Andriamanitra de afaka manangagna zanaka avy amin'iré vato ré. 9 Avahizo aza ny famaky de mipaitraka amin'ny fôto- kakazo. Kay ny kakazo jiaby zay tsy mamoa voa tsara de firaigna ary hatsipy agnaty afo." 10 Ary ire vahoaka de nagnontany ananjy tamin'ny raha nikoragniny hoe: "Ino ariky raha atônay?" 11 Namaly Izy kay nivolagna taminjare hoe: "Izy kô misy ôlogna managna rôby lava roa, tôkony mizara zaigny amin'ôlogna raiky zay tsisy izy, ary zay misy raha hoanigna de tôkony hagnano karahan-jaigny koa." 12 Ire mpamory hetra kôa de mbô tônga mbô hatô batisa, ary nivolagna taminanjy hoe: "Mpampianatra o, ino no tsy maintsy hatônay?" 13 Izy nivôlagna hoe: "Aza magnokom-bola mihoatran'izay nasaigna halainare." 14 Miaramila maromaro koa nagnotany ananjy, nivôlagna hoe: "Karakory monba anay? Ino raha tsy maintsy hatônay?" Izy nivôlagna tamin-jare fô: "Aza mangala-bôla amin'ôlogna an-keriny, ary aza miampanga lainga ôlogna. Mifalia amin'ny karamanare." 15 Ary kôfa taigna nandigny ny fahatongavan'i Kristy ny vahoaka, de nagnontany tam-pony mikasika an'i Jaona ny tsiraikiraiky, na mety izy na tsy izy no Kristy. 16 Jaona namaly tamin'ny fivolagnana ananjy jiaby hoe: "Kô aminahy, de magnano anaré batisa amin'ny rano za, fô misy ôlogna raiky zay mahery mihoatra anahy, ary na za tsy mendrika hagnala tadin-kapananjy. Izy hagnano batisa anaré amin'ny Fagnahy Masigna sy ny afo. 17 Aké an-tagnany ny fikororohany mbô hagnadiôvana tsara ny ao am-pamoloany sy agnokonagna ny vary sy sompiny. Fô idorany amin'ny afo tsy mety vonigna ny angafony." 18 Niaraka tamin'ny fagnanaragna maro koa Jaona nitory vôvô tsara ho an'ny vahoaka. 19 Heroda mpanjaka kôfa nanarigna nony fanambadiagna ny vadin-dralahiny Herodiasy, sy nony raha ratsy hafa jiaby zay vitany, 20 de ho fagnampin'izagny jiaby zagny, de nahidiny tangadra Jaona. 21 Ary, kôfa vita batisa daholo ny ologna jiaby, de natao batisa kôa Jesosy, ary raha mbola nivavaka Izy, de nisôkatra ny lagnitra, 22 ary ny Fagnahy Masigna nalaka endrika ka nandrorogna taminanjy karaha ny voromailala, ary nisy feo avy agny an-dagnitra nagnano hoe: "Anao no Zanako, tiako. Faly zaho nohon'ny aminao." 23 Kôfa nanômboka ny asa fanompoagnany Jesosy, de te amin'ny telopolo tôgna te Izy. Izy no zanaka lalahin'i Josefa (araky ny fihaivairagna), zanak'i Hely, 24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Josefa. 25 Josefa de zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata, 26 zanak'i Matatia, zanak'i Semey , zanak'i Joseka, zanak'i Joda. 27 Joda de zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery, 28 zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era, 29 zanak'i Josoa, zanak'i Eliezara, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy. 30 Levy de zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, zanak'i Melea, 31 zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida, 32 zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona. 33 Nahasona de zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda, 34 zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora, 35 zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela. 36 Sela de zanak'i Kenana, zanak'i Arparksada, zanak'i Sema zanak'i Noa, zanak'i 37 Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.