Tôko faha 2

1 Ary tamin'ny andro zagny, nandaifa didy mibéko ny hagnisagna ny ôlogna jiaby miaigny eto amin'izao tontolo izao Aogosto Kaisara. 2 Zagny no fagnisam- bahoaka natô volôhany tamin'i Kyrenio no mpanapaka takagny Syria. 3 Noho zagny ny ôlo jiaby de nandaiha tagny amin'ny tanàgna niaviany aby mbô hisôratra agnaragna amin'ny fagnisam-bahoaka. 4 De nandeha niakatra avy tagny Galilia kôa Josefa, avy tagny an-tanàgnan'i Davida zai antsôvigna hoe Betlehema, satria izy avy amin'ny tragno sy fianakavian'i Davida. 5 Nadaiha tagny izy mbô hisôratra agnaragna tamin'i Maria, zai fôfom-badiny ary bikibo. 6 Ary kô mbôla tagny zare, de tônga ny fotoagna hitirahany ny zanany. 7 Nitairaka zaza lalahy izy, zanany vôlôhany, ary Izy nandrakotra lamban-jaza Ananjy sy nampandry ananjy te ampinanam-bilogna, satria tsisy toeragna ho anjareo ta lôtely. 8 Nisy mpiambigna ondry amin-jegny farira zegny zay nijanogna tagny agnatiala, niambigna ny andian'ondry tandroaligna. 9 Nisy anjelin'ny tompo niseho tamin-jare, ary ny voninahitra ny Tompo namirapiratra magnodidigna ananjy, ary feno tahotra be zare. 10 De nivôlagna tamin-jare ny anjely nagnano hoe: "Aza matahotra, fô hitôndra vôvô tsara zai hitôndra hafaliagna maventibe ho an'ny ôlogna jiaby zaho. 11 Igniany de mpagnavotra izay tairaka ho anaré agny an- tanàgnan'i Davida! 12 Izy no Kristy Tompo! Zô no famantaragna zay hamiagna anaré: Hahita zaza hely mirakotra lamban-jaza ary mandry ampinanam-bilogna anaré." 13 Tampoka te niaraka tamin'ilay anjely, de nisy tafiky ny lanitra maventy nidaira an'Andriamanitra nagnano hoe: 14 "Voninahitra agny amin'ny avo indrindra, ary fiadanagna anie akéto an-tany eo amin'ôlogna zay ankasitrahany." 15 Ary kôfa niala také aminjare nandeha an dagnitra ré anjely ré, nyy mpiandry ondry nifampivôlagna hoe: "Andô antsika zô andaiha agny Betlehema, ary hizaha raha mitranga akagny, zay nampafantarin'ny Tompo antsika zégny." 16 Nandaiha nalady tagny zare ary nahita an'i Maria sy Josefa, ary nahita ny zaza hely nandry tam-pinanambilogna te. 17 Tafaran'ny nahitan-jare Ananjy, de nampafantarign'zare ny raha jiaby nivolagnina taminjare mikasika an'io zaza io. 18 Izay jiaby naharegny izégny de hariàgna ny amin'ny nivolagnin'ny mpiandry ondry taminjaré ré. 19 Fô Maria ndraiky nanohy nieritreritra mômba ny raha jiaby regny, ary nikajy zégny tam-pôny. 20 Niherigna ire mpiandry ondry, nagnamia voninahitra sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny raha jiaby zai regninarè, karaha zai nivolagnina taminjare. 21 Kôfa tapitra ny andro fahavalo, kai niforaigna Izy, de namiagna agnaragna hoe Jesosy, lai agnaragna namian'ny anjely Ananjy talôhan'ny namitrahagna ananjy tan-kibo. 22 Ary kôfa dila ny isan'ny andro nitakigna hidiôvany, araka ny lalàgnan'i Mosesy, de nitôndra Ananjy niakatra ho an-tempoly tô Jerosalema i Maria sy Josefa mbô hanolotra ananjy eo amin'ny Tompo. 23 Araka zay voasôratra aka amin'ny lalàgna ny Tompo hoe: " Ny lahy jiaby izay volôn-tairaka de hatôkagna ho an'ny Tompo." 24 Noho zaigny de nanolotra sorogna araka zay nivolagnina amin'ny lalàgnan'ny Tompo izy re," domoina na zana-bôromailala roa." 25 Ary indro, nisy lalahy tagny Jerosalema, Simona no agnarany, ary zegny de marigna sy mafana fô. Nitady ny fampiononagna an'Israely izy, ary taminanjy ny Fagnahy Masigna. 26 Nivolagnin'ny Fagnahy Masigna taminanjy fô tsy hifoaty izy halôan'ny ahitany ny Kristin'ny Tompo izy. 27 Nidôsin'ny Fagnahy nandaiha an-tempoly Simona. Kôfa nitôndra an'i Jesosy zazahely nitsôfotra ny ray aman-dreniny, mbô agnano Ananjy araka ny fomba akô amin'ny lalàgna, 28 de nalainy tan-tagnany Izy sady nidera an'Andriamanitra ary nagnano hoe: 29 "Avaizo avilay za handaiha am-piadanagna ny mpanomponô, ry Tompo, araka ny teninô avaizo. 30 Fa ny masoko nahita ny famonjiagnanao, 31 zay nomagninao tamin'ny fagnatraihan'ôlo jiaby: 32 De fazavagna ho fanambaragna ho an'ny Jentilisa ary voninahitra ho an'Israely ôlognanao." 33 Ny baba sy maman'ilay zaza de gaga tamin-draha nivolagniny mikasika Ananjy. 34 Nitso-drano anjare Simona ary nivôlagna tamin'i Maria mamany hoe: "Indro, itô zaza itô de vôtendry ho amin'ny fagnifagna sy fandratagna ny ôlon'Israely maro ary ho famantaragna zay nolavigna- 35 ary hisy lefogna handavaka ny fagnahinao - ke ho voambara ny hevitry ny fo maro." 36 Nisy mpaminany viavy raika antsôvigna hoe Ana te. Zanakaviavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera izy. Taigna antitra izy. Nipaitraka niaraka tamin'ny vadiny fito tôgna tavafaran'ny naverijiny ananjy izy, 37 ary nitôndrategna tagnatin'ny aifatra amby valopôlo tôgna.Tsy nagnadigno ny tempoly mihitsy izy fô nanompo tamin'ny fifadian-kanigna sy vavaka, andro aman'aligna. 38 Tamin'izegny laira zegny izy ary nanomboka nagnamia fisoragna an'Andriamanitra sy nivolagna ny momban'ilay zaza tamin'olo jiaby zay nandigny ny fagnavotagna an'i Jerosalema. 39 Kôfa nahita ny raha jiaby nasaigna natôny araka ny lalàn'ny Tompo zare, de niherigna tagny Galilia, agny amin'ny tanàgnan-jare agny Nazareta. 40 Naventy ny zaza ary natanjaka, nitômbo fahindriagna, Ary ny fasoavan'Andriamanitra de taminanjy zégny. 41 Ny Ray aman-dreniny de nakagny Jerosalema isan-tôgna hamonjy ny firavoravoan'ny paska. 42 Kôfa roa ambin'ny fôlo tôgno Izy ,de nandeha tagny zare karaha raha fanon-jare zare. 43 Ary kôfa nipetreka tagny nandritry ny andron'ny fety manontolo zare, de nanomboka niherigna nôdy zare. Fa Jesosy zaza lahy nidôko tagny Jerosalema naifa tsy fantan- dray aman-dreniny zaigny. 44 Natônjare fô dia raiky tamin'ôlogna niara-dia tamin-jare Izy, de nandaiha nandritra ny andro raiky zare. Ary avy te de nanomboka nizaha Ananjy tamindry havany sy kamaradiny zare. 45 Kôfa tsy hitanjare Izy, de niherigna tagny Jerosalema Zareo kai nanômboka nizaha Ananjy tagny. 46 Kôfa afaka telo andro, de hitanjare tan- tempoly Izy, nipètraka tagnivon'ire mpampianatra, nitandregny anjaré sy namétraka fagnotaniagna taminjare. 47 Izay jiaby naharegny ananjy de magnana tamin'ny fahalalagnany sy ire valinteny ananjy. 48 Kôfa nahita Ananjy zare de variagna. Ny mamany nivôlagna taminanjy hoe: "Zanako magnino anao magnany aminay karaha zegny? Tandrigneso, za sy babanô nizaha anô tamin-tebiteby." 49 Izy nivolagna taminjare hoe: "Nagnigno anaré no mizaha anahy? Tsy fantanare mô fô tsy maintsy an-dragnon'ny babako Za?" 50 Fô tsy azon-jare ny raha tiany koragnina tamin-jany. 51 Dia nôdy niaraka tamin-jare takagny Nazareta Izy sady nagneky anin-jareo. Ny mamany de nikajy raha jiaby zagny tam-ponanjy tô. 52 Fô i Jesosy nahai- nitômbo fahedriagna sy nitômbo tegna, ary nitombo fitia tamin'Andriamanitra sy ny ôlogna.