Tôko faha 9

1 Ary kôfa nandalo Jesosy, de nahita lalahy jamba letry vao tairaka. 2 Nagnontany Ananjy ré mpianatra hoe: "Raby, zôvy nanota, io lalahy io sa lay ray aman- dreniny, no de tairaka jamba karanjô izy?" 3 Jesosy namaly hoe: "Tsy io lalahy io nanota, na ny ray aman- dreniny, fô natô zô mbô hanihoagna aminajy ny asan'Andriamanitra. 4 Tsy maintsy magnano asan'zay nagnasa Anahy antsika kô mbôla mazava. Fô ho avy ny aligna zay tsy ahafahan'na izôvy na izôvy miasa eky. 5 Kô mbôla akéto amin'izao tontolo zao Zaho, de Zaho no fahazavan'izao tontolo zao.'' 6 Kôfa avy nivôlagna zagny Jesosy, de nandrôra tamin'ny tany, ary nagnano feta tamin'lay rôra, kai nagnôsotra ny fôtaka tamin'ny mason'lay lalahy. 7 Aoziny taminanjy hoe: ''Mandihana ary sasa agnaty ranon'ny Siloama (zay adika hoe: nirahina) ny masonô.'' Kai lasagna i lalahy io, nanasa zagny, ary niherigna nahita. 8 Ary nifampagnotany ré ôlogna mpiray vody rindrigna tamin'ny lalahy io sy ré nahita ananjy nangataka talôha nagnano hoe: "Tsy tô mô lalahy nipaitraka nangataka taketo?'' 9 Ny sanany nagnano hoe: "Ahay, tsy izy fô karaha ananjy foàgna izy.'' Fô izy ndraiky nagnano hoe: ''Zaho tô.'' 10 Aozinjaré taminanjy hoe: ''Karakôry ariky no ahitan'ny masonô?'' 11 Namaly izy hoe: "Lay lalahy antsôvigna hoe Jesosy no nagnano feta ary nagnôsotra zaigny tamin'ny masoko kai nivôlagna taminahy hoe: 'Mandihana agny Siloama ary sasao ny masonao.' De nandaiha zaho ary nanasa zagny kai nahita.'' 12 Aozinjaré taminanjy hoe: "Aiza Izy?'' De nivaliany hoe: "Tsy fantako." 13 Nindôsinjaré tamin'ny Fariseo lay lalahy zay jamba talôha. 14 Tamin'ny andro Sabata mô nagnanôvan'i Jesosy ny feta sy nampahitany ny masony. 15 Ary nagnontany ananjy ndraiky iré Fariseo ny amin'ny fomba nahitàny. Aoziny taminjaré hoe: ''Natôvany feta ny masoko, nisasako, kai mahita za zô.'' 16 Ny sanany taminjaré fariseo nivôlagna hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitra tô lalahy tô satrià tsy mbô magnaja ny andro Sabata.'' Ny hafa nagnano hoe: "Akôry no ahafahan'ny ôlogna mpanota magnano famantaragna maventy be karahanjô?'' 17 Kai nisy fizarazaragna taminjaré. Kai niherigna nagnontany lay lalahy jamba ndraiky zaré hoe: "Ino no hambaranô mômba Ananjy, hatramin'ny nahitany ny masonô?'' Aozin'lay lalahy jamba hoe: "Mpaminagny Izy.'' 18 Ary mbôla tsy nino ny mômba Ananjy foàgna iré Jiosy hoe izy aifa jamba kai nahita kô tsy nagnantso ny ray aman- drenin'lay lalahy nahita zaré. 19 Nagnontany iré ray aman-dreny zaré hoe: "Tô mô lay zanakaré zay nivolagninaré fô tairaka jamba? Kai ino ariky nahitany zô?'' 20 Ary de nivaliànjaré hoe: "Fantanay fô zanakanay io sady tairaka jamba izy. 21 Fô ny amin'ny nahitany, tsy fantanay, ary zay nampahita ny masony, tsy hainay. Agnontanià ananjy, fô aifa maventy izy. Afaka mivôlagna ho an'ny taignany izy." 22 Nivôlagna zagny iré ray aman-dreniny, satrià natahotra an'ré Jiosy zaré. Satrià aifa nifankariny iré Jiosy fô kô misy magneky Ananjy ho Kristy, de hiroàhigna hiala ao amin'ny Synagoga izy. 23 Nohon'ny amin'izagny, no nivolagn'iré ray aman-dreniny hoe: "Aifa maventy izy, izy no agnontanià." 24 Ary nagnantso lay lalahy jamba talôha am-pagnindroa ndraiky zaré kai nivôlagna taminanjy hoe: "Amià voninahitra Andriamanitra. Fantanay fô mpanota zagny lalahy zagny." 25 Avy te namaly lai lalahy hoe: "Tsy aiky alôha na mpanota Izy. Fô raha aiky de zô: jamba za talôha, fo mahita zaho zô." 26 Avy te aozin-jaré taminanjy hoe: "Fô ino no natôny taminô? Akôry ny fomba nampahitany anô?" 27 De namaly izy hoe: "Aifa nivolagniko taminaré fô tsy tandignaisanaré! Kai magnino anaré no te hitandregny zagny koà? Te ho isan'ny mpianany kô mô naré, sa tsy zagny?" 28 Nagneso ananjy zaré kai nivôlagna hoe: "Anô no mpianany, fô zaihay mpianatr'i Mosesy. 29 Fantanay fô aifa nikoragna tamin'i Mosesy Andriamanitra, fô kô zagny lalahy zagny de tsy hainay zay nihaviàny.'' 30 De namaly lay lalahy kai nagnano taminjaré hoe: "Magaga zagny, tsy hainaré tany fiàviany, kanaifa nampahita ny masoko Izy. 31 Fantatsika fô tsy mintandregny ré mpanota Andriamanitra, fô kô misy mazoto mivavaka sy magnano ny sitrapony, de mitandregny anajy Izy. 32 Hatraminjay niatombohan'izao totonlo zao de tsy mbôla regny mihitsy hoe nisy nampahiratra ny mason'izay tairaka jamba. 33 Ko tsy avy amin'Andriamanitra zagny lalahy zagny, de tsy mahaifa na ino na ino.'' 34 De namaly ananjy zaré hoe:" Taigna tairaka tamin'ny ota anô, de anô ndraiky no hampianatra anay?" Avy te de hiroàhigna nivoàka izy. 35 Regnin'i Jesosy fô niroahin-jaré amin'ny Synagoga izy. Ary Izy nahita ananjy de nivôlagna hoe:"Mino ny zanak'Ôlogna mô ana? 36 Namaly izy hoe:'' Zôvy mô Izy, Tompo, mbô hinoàko Ananjy?'' 37 Jesosy nagnano taminanjy hoe: "Aifa nahita Ananjy anô, ary lay raika Zay mikoragna aminô zô zaigny." 38 Aozin'lay lalahy hoe: "Tompo mino zaho." Ary de nidaira Ananjy izy. 39 Jesosy nivôlagna hoe: "Fô fitsaragna no nahatongavako akéto amin'ny zao tontolo izao mbô hahiratra iré jamba ary mbô ho tonga njamba iré mahita.'' 40 Naregny zagny ny sanany tamin'iré Fariseo zay niaraka taminanjy kai nagnontany Ananjy hoe: ''Ary zaihay koà zagny jamba?'' 41 Fô Jesosy nivôlagna taminjaré hoe''Kô jamba anaré, de tsy ho nanan-keloka, fô anaré ndraiky aminjô mivôlagna hoe: 'Mahita zaihay,' de mbôla mitoetra ny helokaré.''